«Mankanesa atý amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana»1Mifototra amin’ ny Matio 11 : 28-30 ity toko ity. IFM 345.1
Natao tamin’ ny vahoaka marobe izay nanaraka an’ i Jesosy ireo teny fampaherezana ireo. Efa nolazain’ ny Mpamonjy fa amin’ ny alalany ihany no ahazoan’ ny olona mandray ny fahalalana an’ Andriamanitra. Niteny tamin’ ny mpianany toy ny tamin’ izay efa nomena fahalalana momba ny zavatra any an-danitra Izy. Nefa tsy nisy navelany hihevitra ny tenany ho voasakana tsy handray ny fikarakarany sy ny fitiavany. Izay rehetra miasa fatratra sy mavesatra entana dia afaka mankeo Aminy. IFM 345.2
Nisy fahabangana tsapan’ ny mpanora-dalàna sy ny raby teo amin’ ny fanarahany tamin’ ny antsipiriany ny fombam-pivavahana, fahabangana izay tsy azon’ ny fombam-pivavahana fivalozana nofenoina. Mety hihambo ny mpamory hetra sy ny mpanota ka hilaza fa afa-po amin’ ny zavatra araka ny filàna ara-nofo, nefa ao am-pony izy dia tsy matoky sady matahotra. Nibanjina izay rehetra tra-pahoriana sy itambesaran’ entana ao am-po Jesosy, dia ireo izay very fanantenana, ka nitady ny hampitony ny hetahetan’ ny fanahiny amin’ ny fifaliana ara-nofo : samy antsoiny hahita fitsaharana ao Aminy izy rehetra. IFM 345.3
Nobaikoiny tamim-pitiavana ny olona miasa mafy hoe : «Ento ny ziogako, ka mianara Amiko ; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ ny fanahinareo hianareo». IFM 345.4
Miteny amin’ ny olombelona tsirairay Kristy amin’ ireo teny ireo. Na fantany izany na tsia, dia samy sasatra sy mavesatra entana avokoa ny rehetra. Samy vesaran’ ny entana avokoa izy, ary Kristy irery no afaka manala izany. Ny entana mavesatra indrindra zakaintsika dia ny entam-pahotana. Raha avela hitondra io entana io isika, dia hanapotika antsika izany. Naka ny toerantsika anefa Ilay tsy manam-pahotana. «Nataon’ i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra»2Isaia 53 : 6. Nitondra ny entan’ ny helotsika Izy. Esoriny tsy ho eo amin’ ny sorontsika efa sasatra ny lanjany mavesatra. Hanome antsika fitsaharana Izy. Iantsorohany koa ny enta-mavesatra noho ny fiahiahiana sy ny alahelo mihatra amintsika. Miantso antsika hametraka ny ahiahintsika rehetra eo Aminy Izy, satria entiny eo amin’ ny fony isika. IFM 346.1
Mijoro eo akaikin’ ny seza fiandrianana mandrakizay Ilay Zokintsika lahimatoa. Mibanjina ny fanahy tsirairay izay mitodika ho eo Aminy toy ny amin’ ny Mpamonjy Izy. Fantany tamin’ ny fanandramana nataony izay fahalemen’ ny taranak’ olombelona; fantany koa izay ilaintsika sy izay itoeran’ ny herin’ ny fakam-panahy manjo antsika ; satria nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ ny zavatra rehetra Izy, nefa tsy nanota. Manara-maso anao Izy, ry zanak’ Andriamanitra. Alaim-panahy ve ianao ? Hanafaka anao Izy. Malemy ve ianao ? Hampahery Izy. Tsy manam-pahalalana ve ianao ? Hampahazava anao Izy. Maratra ve ianao? Hanasitrana anao Izy. «Sady milaza ny isan’ ny kintana» ny Tompo no «mahasitrana ny torotoro fo Izy, sy mamehy ny feriny koa»3Salamo 147 : 4, 3. «Mankanesa atý Amiko», hoy ny fiantsoany. Na toy inona na toy inona tebitebinao sy fitsapana mihatra aminao, borahy eo anatrehan’ ny Tompo izany. Ho voatohana amin-kery ny fanahinao ka hahazaka. Hisokatra ho anao ny lalana hamahàna ny tenanao amin’ ny zava-tsarotra sy manahirana: Arakaraka ny ahafantaranao ny fahalemenao sy ny tsy fahazoanao manampy ny tenanao, arakaraka izany no hahabe kokoa ny herinao. Arakaraka ny mampahavesatra ny entanao, arakaraka izany no mahabe fitahiana kokoa ny fialan-tsasatra azonao amin’ ny fametrahana ny entanao eo amin’ Ilay Mpitondra ny entana rehetra. Misy fepetra anefa ny fitsaharana atolotr’ i Kristy, ary voafariparitra mazava ireo fepetra ireo. Fepetra azon’ ny rehetra tanterahina izany. Lazainy amintsika mazava ny fomba ahitana ny fitsaharana. IFM 346.2
«Ento ny ziogako», hoy Jesosy. Fitaovana hoenti-miasa ny zioga. Asiana zioga ny omby mba hoentiny miasa ary tena ilaina ny zioga mba ahazoany miasa marina. Ampianarin’ i Kristy antsika, fa nantsoina hanompo isika raha mbola maharitra koa ny fiainantsika. Tsy maintsy horaisintsika eo amintsika ny ziogany, mba hahatonga antsika ho mpiara-miasa Aminy. IFM 347.1
Ny zioga mamehy eo amin’ ny fanompoana dia ny lalàn’ Andriamanitra, dia ilay lalàna lehibe momba ny fitiavana naseho tao Edena, nambara tao Sinay, ary soratana ao am-po amin’ ny alalan’ ny fanekena vaovao, lalàna mifehy ny olombelona hanatanteraka amimpitiavana ny sitrapon’ Andriamanitra. Raha avela hanaraka ny fironana ao amintsika isika, sy handeha amin’ izay hitarihan’ ny sitrapontsika, dia ho latsaka ao amin’ ny laharan’ i Satana ka hanjary hitovy toetra aminy. Noho izany dia fefen’ Andriamanitra amin’ ny sitrapony izay ambony sy mendrika ary manandratra isika. Tiany raha raisintsika amim-paharetana sy amim-pahendrena ny adidy eo amin’ ny fanompoana. Kristy mihitsy no nitondra ny ziogampanompoana tao amin’ ny maha-olombelona Azy. Hoy Izy : «Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô no sitrako; ary ny lalànao no ato anatiko» 4Salamo 40 : 8. «Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’ Izay naniraka Ahy» 5Jaona 6 : 38. Ny fitiavana an’ Andriamanitra, ny hafanam-po ho an’ ny voninahiny, sy ny fitiavana ny taranak’ olombelona lavo, no nitarika an’ i Jesosy hanketý an-tany hijaly sy ho faty. Io no hery nifehy ny fiainany. Io foto-kevitra io no baikoiny ho raisintsika. IFM 347.2
Misy maro no marary fo noho ny vesatry ny ahiahy satria mitady ny hanatratra ny tarigetran’ izao tontolo izao izy. Nifidy ny hanompo an’ izao tontolo izao izy ireny ka nanaiky ny tebitebiny, sy nanaraka ny fomba amam-panaony. Noho izany dia simba ny toetra amampanahiny, ary manjary torovan’ ny harerahana ny fiainany. Mba hanomezany fahafaham-po ny hambom-pony sy ny faniriany araka izao tontolo izao, dia ampandeferiny ny feon’ ny fieritreretany, ka vao mainka mampitondra enta-mavesatra fanampiny ho azy ny nenina mihatra aminy. Mangeja tsy an-kijanona mandritra ny andrompiainana ny ahiahy. Irin’ ny Tompontsika ny hanaisotra io ziogampanandevozana io. Miantso antsika Izy hanaiky ny ziogany fa hoy Izy : «Mora ny ziogako ary maivana ny entako». Mibaiko antsika Izy hikatsaka ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny fahamarinany, ary ny teny fikasana nataony dia milaza fa izay rehetra ilainy amin’ ity fiainana ity dia homeny koa ho fanampin’ izany. Jamba ny fo feno ahiahy ka tsy afaka hahita ny ho avy; fa Jesosy kosa mahita ny farany hatramin’ ny voalohany. Manana lalana voaomana hitondra fanamaivanana amin’ ny zava-tsarotra rehetra Izy. Manana fomba an’ arivony nomanina mialoha izay tsy misy na inona na inona fantatsika ny amin’ izany ny Raintsika izay any an-danitra. Ireo izay manaiky ilay foto-kevitra iray, ka mametraka ny fanompoana an’ Andriamanitra sy ny voninahiny ho lohalaharana indrindra, dia hahatsapa fa hisinda ny tebitebiny ary hisy lalana mazava eo an-tongony. IFM 347.3
«Mianara amiko, hoy Jesosy, fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho, dia hahita fitsaharana ho an’ ny fanahinareo hianareo». Tokony hiditra ao amin’ ny sekolin’ i Kristy isika, hianatra Aminy ny toetra malemy fanahy sy tsy miavona am-po. Ny fanavotana no fomba itaizana ny fanahy ho any an-danitra. Io fitaizana io dia midika fahalalana an’ i Kristy : midika koa ho fahafahana amin’ ny hevitra sy ny fahazarana, ary ny fomba amam-panao izay azo tao amin’ ny sekolin’ ny andrianan’ ny maizina. Tsy maintsy ho afaka amin’ izay rehetra mifanohitra amin’ ny fahatokiana tokony ho an’ Andriamanitra ny fanahy. IFM 348.1
Nisy fiadanana tanteraka tao am-pon’ i Kristy izay nanjakan’ ny fifandrindrana feno tamin’ Andriamanitra. Tsy mba nampientana Azy na oviana na oviana ny dokadoka, na nahakivy Azy ny fanomezan-tsiny sy ny fahadisoam-panantenana. Tao anatin’ ny fanoherana lehibe indrindra sy ny fomba fitondrana masiaka indrindra no nahavelomany, anefa dia mbola be herim-po ihany Izy. Betsaka ny misora-tena ho mpanaraka Azy no manana fo mitebiteby, malahelo, satria tsy sahy ny hitoky tanteraka amin’ Andriamanitra. Tsy milefitra tanteraka Aminy izy, satria mampihemotra azy ny vokatra raketin’ izany fileferana izany. Raha tsy manao io fileferana io izy dia tsy afaka hahita fiadanana. IFM 348.2
Ny fitiavana ny «izaho» no mampandositra. ny fiadanana. Rehefa teraka avy any ambony isika, dia ho ao amintsika ny saina izay tao amin’ i Jesosy koa, dia ny saina nampidina Azy mba hamonjy antsika. Amin’ izay dia tsy hitady ny toerana ambony indrindra isika. Ho faniriantsika ny hipetraka eo an-tongotr’ i Jesosy ka hianatra Aminy. Ho tsapantsika fa ny tombambidin’ ny asantsika dia tsy fisehosehoana sy fitabatabana eo amin’ izao tontolo izao, na asa na hafanam-po amin’ ny herin’ ny tenantsika. Mifandanja amin’ ny fizarana ny Fanahy Masina ny tombambidin’ ny asantsika. Mitondra toetra tsara sy masina kokoa eo amin’ ny saina ny fahatokiana an’ Andriamanitra, ka rehefa manana faharetana isika dia ho afaka mifehy ny fanahintsika. IFM 348.3
Apetraka eo amin’ ny omby ny zioga mba hanampy azy amin’ ny fitarihana ny enta-mavesatra sy hanamaivana azy koa. Toy izany koa ny ziogan’ i Kristy. Rehefa mifandrindra amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra ny sitrapontsika ka hampiasaintsika ho fitahiana ny hafa ny fanomezana avy amin’ Andriamanitra, dia ho hitantsika fa maivana ny entan’ ny fiainana. Izay mandeha eo amin’ ny lalan’ ny didin’ Andriamanitra dia miara-dia amin’ i Kristy, ka mahita fitsaharana ao amin’ ny fitiavany vokatry ny fo. Fony Mosesy nivavaka hoe : «Ampahafantaro ny làlanao aho, hahalalako Anao», 6Eks. 33:13,14. dia namaly Azy Jehovah nanao hoe : «Ny Tavako no handeha, dia hanome fitsaharana Aho. Ary nomena ny hafatra tamin’ ny alalan’ ny mpaminany nanao hoe : «Izao no lazain’ i Jehovah : Mijanòna eo an-dàlana hianareo ka izahao, ary anontanio izay làlana masaka hatry ny ela, dia izay làlana mankany amin’ ny tsara, ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ ny fanahinareo hianareo»7Jeremia 6 : 16. Ary hoy Izy : «Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko ! dia ho tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao» 8Isaia 48 : 18. IFM 349.1
Izay mandray an’ i Kristy amin’ ny teniny ka mampilefitra ny fanahiny sy ny fiainany, dia hahita fiadanana sy fahatoniana. Tsy misy na inona na inona eto amin’ izao tontolo izao izay mety hampalahelo ny olona rehefa Jesosy no tonga ampifaly azy amin’ ny fanekena vaovao feno. Hoy ny Tompo: «Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin’ ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy» 9Isaia 26 : 3. Mety hitovy amin’ ny volon’ ondry misavorovoro ny fiainantsika; nefa raha manankina ny tenantsika amin’ Ilay Mpampiasa hendry sady mahay isika, dia ataony vita filamatra ho fanomezam-boninahitra Azy ny fiainana sy ny toetra amam-panahitsika. Ary io toetra amam-panahy izay notefena araka ny endrika be voninahitry ny toetra amam-panahin’ i Kristy io ihany no horaisina ao amin’ ny Paradisan’ Andriamanitra. Taranaka nohavaozina no hiara-mandeha Aminy, miakanjo fotsy, satria mendrika izy. IFM 349.2
Manomboka eto an-tany ny lanitra raha vao miditra ao amin’ ny fitsaharan’ i Jesosy isika. Miantso antsika Izy hoe : «Mankanesa atý Amiko», ary rehefa manatona Azy isika dia hanomboka ny fiainana mandrakizay. Ny atao hoe lanitra dia fanatonana an’ Andriamanitra mandrakariva amin’ ny alalan’ i Kristy. Arakaraka ny itoerantsika ao amin’ ny fahasambaran’ ny lanitra, no hisokafan’ ny voninahitra bebe kokoa hatrany ho antsika; ary arakaraka ny ahafantarantsika an’ Andriamanitra bebe kokoa no hahabetsaka ny fahasambarantsika. Rehefa miaraka amin’ i Jesosy eto amin’ ity fiainana ity isika dia mety ho feno ny fitiavany, afa-po amin’ ny fanatrehany. Izay rehetra mety hahasoa ny nofo, dia horaisintsika avokoa. Nefa inona moa izany raha hampitahaina amin’ ny any an-koatra ? «Mitoetra eo anoloan’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra isika ka manompo Azy andro aman’ alina eo amin’ ny tempoliny ; ary Ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano lainy handrakotra azy. Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo ; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory. Fa ny Zanak’ ondry Izay eo afovoan’ ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ ny loharanon’ ny ranon’ aina ; ary hofafan’ Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ ny masony» 10Apok. 7 : 15-17. IFM 350.1