Raha mbola teo am-panokafana ny Baiboly nihidy tamin’ ny vahoaka Alemana i Lotera, i Tyndale kosa dia nasesiky ny Fanahin’ Andriamanitra hanao torak’ izany koa tany Angletera. Nadika avy tamin’ ny teny Latina ny Baibolin’ i Wiclef ka nisy diso betsaka. Tsy natonta printy mihitsy izy io ary lafo loatra ny vidin’ ny boky soratanana ka olom-bitsy no nahazo azy afa-tsy ny mpanankarena sy ny olona ambony; ary ankoatr’ izany, dia noraran’ ny Lglizy mafy izany ka azo lazaina fa tsy niely firy. Tamin’ ny taona 1516, herintaona talohan’ny namoahan’ i Lotera ireo foto-kevitra nanoherany ny Indolzansy, dia navoakan’ i Erasmes tamin’ ny teny Grika sy Latina, ny dikan’ ny Testamenta Vaovao nataony. Tamin’ izay no voalohany namoahana ny tenin’ Andriamanitra tamin’ ny teny nanoratana azy. Betsaka ny diso nahitsy tamin’ ireo dikan-teny teo aloha, hany ka voaseho mazava kokoa tao amin’ io asa io ny hevitry ny teny. Nitarika olona maro tao amin’ ireo nahita fianarana hanana fahalalana bebe kokoa ny fahamarinana izany ka nanome ainga vaovao ho an’ ny asan’ ny fanavaozana. Nefa ny sarambabembahoaka tamin’ ny ankapobeny dia mbola tsy nanana ny Tenin’ Andriamanitra. I Tyndale no hameno ny asan’ i Wiclef amin’ ny fanomezany ny Baiboly ho an’ ny mpiray tanindrazana aminy. HM 253.1
Mpianatra mazoto sy mpikaroka ny fahamarinana nafana fo izy, ary nandray ny filazantsara avy tamin’ ny Testamenta Vaovao navoakan’ i Lrasmes tamin’ ny teny Grika. Tsy nanan-tahotra izy nitory ny fampianarana naharesy lahatra azy, ary noantitranteriny fa tsy maintsy sedraina amin’ ny Soratra Masina ny fampianarana rehetra. Izao no navalin’ i Tyndale ny fihamboan’ ny Eglizy ho nanome ny Baiboly, ka dia izy irery ihany no afaka manazava azy. «Fantatrareo ve izay nampianatra ny voromahery hahita ny hazany? Eny, ary io Andriamanitra io ihany no mampianatra ny zanany noana hitady ny Rainy ao amin’ ny teniny. Lavitra izany ianareo nanome anay ny Soratra Masina, fa ianareo indray aza no nanafina izany taminay; ianareo no nandoro izay nampianatra izany, ary raha azonareo natao. dia ny Soratra Masina mihitsy no ho nodoranareo».—D’Aubigné, History of the Reformation of the Sixteenth Century, boky 18, toko 4. HM 253.2
Nahaliana fatratra ny toritenin’ i Tyndale; betsaka no nanaiky ny fahamarinana. Nefa mailo ireo pretra, ka raha vantany vao niala tamin’ ny toera-niasany izy dia tonga izy ireo miezaka hanimba ny asany tamin’ ny fandrahonana sy ny dika vilana ataony. Ary matetika loatra no nahomby izy. «Inona no tokony hatao?» hoy izy. «Raha mbola mamafy amin’ ny toerana iray aho, dia simban’ ny fahavalo ny saha vao nilaozako. Tsy afaka ho amin’ ny toerana rehetra amin’ ny fotoana iray aho. Raha mba manana ny Soratra Masina amin’ ny tenin-drazany moa ny Kristiana, dia ho azony atao ny manohitra samirery ireto mpanao hevi-diso ireto! Raha tsy misy Baiboly dia tsy azo atao ny mampitoetra ny mpiangona ao amin’ ny fahamarinana».Ibid, boky 18, toko 4. HM 254.1
Fikasana vaovao izao no nameno ny sainy. «Tamin’ ny fitenin’ Isiraely», hoy izy, «no nihirana ny Salamo tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah;ka moa tsy hiteny anglisy amintsika koa ve ny filazantsara?... Tokony ho kely kokoa va ny fahazavana horaisin’ ny fiangonana amin’ ny mitataovovonana noho ny tamin’ ny vao nangiran-dratsy?. . . Tsy maintsy hamaky ny Testamenta Vaovao amin’ ny tenin-drazany ny Kristiana. Tsy mifartaraka ireo samy mpampianatra tao amin’ ny Fiangonana. Ny Baiboly ihany no ahazoan’ ny olona ho tonga amin’ ny fahamarinana. «Ny iray nitana ny hevitry ny mpampianatra ngezalahy iray, ny anankiray ny an’ ny hafa. . . Ary ireo mpanoratra ireo samy manohitra ny hafa avy. Ahoana ary no hanavahantsika izay milaza ny marina sy izay milaza ny diso ? . . . Ahoana ?. . . Amin’ ny tenin’ Andriamanitra marina tokoa». -Ibid, boky 18, toko 4. Tsy ela taorian’ izany dia nisy mpampianatra katolika ngezalahy tapipahalzana, niady hevitra taminy niteny hoe: «Mahasoa antsika kokoa ny tsy ananantsika ny didin’ Andriamanitra noho ny tsy ananantsika ny an’ ny papa». Novalian’ i Tyndale hoe: «Mihantsy ny papa sy ny lalàny rehetra aho; ary raha miaro ny aiko Andriamanitra, tsy hisy taona maro akory dia hahatonga zazalahy mpampiasa angady tarihina hahalala bebe kokoa sy Soratra Masina noho ianao aho». — Anderson,Annals of the English Bible, pejy 19. HM 254.2
Ilay fikasana nokolokoloiny hanome ny Testamenta Vaovao ho an’ ny vahoaka amin’ ny tanindrazany dia nihamafy orina izao, koa avy hatrany dia nanomboka niasa izy. HM 255.1
Voaroaka niala ny tranony noho ny fanenjehana izy, ka nankany Londres, ary nanohy ny asany tao tsy voahelingelina nandritra ny fotoana fohy. Nefa nanery azy handositra ny herisetran’ ny papista. Toa nikatona tsy handray azy i Angletera manontolo, ka dia nanapakevitra hitady fialofana tany Alemaina izy. Tany no nanombohany nanonta ny Testamenta Vaovao tamin’ ny teny Anglisy. Indroa no niato ny asa; nefa rehefa nosakanana tsy hanonta izany tamin’ ny tanàna iray izy, dia nankany amin’ ny tanàna hafa. Nony farany dia tonga tany Worms izy, izay toerana niarovan’ i Lotera ny filazantsara teo anatrehan’ ny Filankevitry ny fanjakana foibe, taona vitsy talohan’ io. Nisy sakaizan’ ny Reformasiona maro tao amin’ io tanàna tranainy io, ka dia afa-nanohy ny asany tao tsy nisy nanakantsakana intsony i Tyndale. Vetivety dia nisy telo arivo ny Testamenta Vaovao vita, ary tamin’ iny taona iny ihany no natonta fanindroany izany. HM 255.2
Nanohy ny asany tamin-kafanam-po sy tamim-pikirizana fatratra izy. Na dia nambenan’ ireo manam-pahefana anglisy tamin’ ny fomba faran’ izay mafy aza ny seranany, dia tafiditra an-tsokosoko tao Londres tamin’ ny fomba maro samihafa ihany ny tenin’ Andria-manitra ary avy dia niely eran’ ny tany anglisy. Niezaka ny hanafoana ny fahamarinana ireo mpomba ny papa, nefa tsy nisy vokany izany. Indray andro dia novidin’ ny Evekan’ i Durham tamin’ ny mpivaro-boky anankiray sakaizan’ i Tyndale ny Baiboly rehetra teo am-pelatanany, ny antony dia ny handorany azy, noheveriny mantsy fa hanakantsakana betsaka ny asa izany. Ny nifanohitra tamin’ izany anefa no nitranga, satria ny vola azo dia nividianana fitaovana nenti-nanonta ny vaovao sy tsaratsara kokoa, izay tsy ho azo natao ràha tsy noho io antony io. Rehefa nogadrana i Tyndale taty aoriana, dia nilazana izy fa hafahana raha lazainy ny anaran’ ireo nanampy azy tamin’ ny lany nanontana ny Baiboliny. Novaliany fa ny evekan’ i Durham no nanao mihoatra noho ny olona rehetra, satria novidiny ny boky rehetra tafajanona teo am-pelatanana, ary izany no nahazoany nandroso tamin-kerim-po tokoa. HM 255.3
Nisy namadika an’ i Tyndale teo an-tanan’ ireo fahavalony, ary dia notanana am-ponja volana maro izy. Farany dia nijoro ho vavolombelon’ ny finoany tamin’ ny fahafatesan’ ny maritiora izy; nefa kosa ireo fiadiana nomaniny dia nahazoan’ ny miaramila hafa nanohy ny ady naridritra ireo taonjato nifandimby hatramin’ izao androntsika izao. HM 256.1
Noantitranterin’ i Latimer avy eny amin’ ny polipitra fa tokony hovakina amin’ ny fitenin’ ny vahoaka ny Baiboly. Ny mpanoratra ny Soratra Masina, hoy izy, dia «Andriamanitra mihitsy»; ary mandray anjara amin’ ny hery sy ny maha-mandrakizay ny Mpanoratra azy io Soratra Masina io. «Tsy misy mpanjaka, amperora, mpitondra fanjakana sy mpanapaka. . . izay tsy voafehy tsy hankatò. . . ny teniny masina». «Aoka isika tsy handeha amin’ ny lala-miolaka, fa aoka ny tenin’ Andriamanitra no hitarika antsika: aoka isika tsy hanaraka. . . ireo nialoha lalana antsika, ary tsy hikatsaka izay nataony, fa hitady kosa izay tokony ho nataony». Hugh Latimer, «Toriteny voalohany natao teo anatrehan’ ny Mpanjaka Edouard fahenina». HM 256.2
Nitsangana hiaro ny fahamarinana i Barnes sy i Erith izay sakaiza mahatokin’ i Tyndale. Nanaraka koa ry Ridleys sy Cranmer. Olona nanam-pahaizana ireo nitarika ny Reformasiona anglisy, ary ny ankabeazany dia nohajaina fatratra noho ny hafanam-pony na ny fitiavam-bavaka teo amin’ ireo mpanaraka an’ i Roma. Vokatry ny fahalalany ny fahadisoan-kevitry ny «seza fiandrianan’ ny Ray masina» no nanoherany ny fahefana papaly. Ny fahafantarany ireo zava-miafin’ i Babylona dia nanome hery bebe kokoa ny fijoroany ho vavolombelona hanohitra azy. HM 256.3
«Izao dia hametraka fanontaniana hafahafa aho», hoy i Latimer, «Iza no eveka sy mpitondra fiangonana ambony izay mazoto indrindra eran’ i Angletera manontolo ? . . . Hitako fa mihaino sy manongilan-tsofina fatratra ianareo hilazako ny anarany. . . Hambarako aminareo ary : ny devoly izany. . . Tsy miala na oviana na oviana any ivelan’ ny fitandremany mihitsy izy, antsoy izy rehefa tianao fa ao foana izy. . . eo am-perin’ asa lalandava izy. Milaza marina aminareo aho fa tsy mba hahita azy mitomoe-poana na oviana na oviana ianareo. . . Ao amin’ izay itoeran’ ny devoly. . . dia miala ny boky, ary asandratra ny labozy ; ailika ny Baiboly, fa asandratra ny sapile ; miala ny fahazavan’ ny Filazantsara, fa asandratra ny fahazavan’ ny labozy, eny, na dia amin’ ny mitataovovonana aza, . . . Atao atao fampidiram-bola. . . Miala ny fanafiana ny mitanjaka, ny mahantra, ny kilemaina, fa misandratra ny fanaingoana ny sary vongana sy ny fandravahana amim-pifaliana ny vatan-kazo sy ny vato, asandratra ny lovan-tsofin’ ny olombelona sy ny lalàny, ary atao ambany kosa ny fampianarana araka an’ Andriamanitra sy ny teniny masina indrindra. . . Raha mba mazoto hamafy ny voambarin’ ny fampianarana tsara mantsy ireo pretra ambony eo amintsika tahaka an’ i Satana mamafy ahi-dratsy sy tsimparifary». — Ibid, «Toriteny momba ny angadin’ omby». HM 256.4
Ny foto-kevitra lehibe notanan’ ireo Mpanavao fivavahana ireo dia izay notanan’ ny Vaudois, ry Wiclef, ry Jean Hus, ry Lotera, ry Zwingli, ary ireo rehetra niray tamin’ izy ireo dia ny fahefan’ ny Soratra Masina tsy mety diso amin’ ny maha-fitsipiky ny finoana sy ny fiainana an’ izany. Nolaviny ny zon’ ny papa, ny an’ ny Konsily, ny an’ ireo Rain’ ny fiangonana, ny an’ ny mpanjaka, hifehy ny feon’ ny fieritreretana raha ny momba ny fivavahana. Ny Baiboly no fahefana ho azy, ary nosedrainy tamin’ ny fampianarany ny foto-pinoana rehetra sy ny fihamboana rehetra. Ny finoana an’ Andriamanitra sy ny Teniny no nanohana ireo olo-masina ireo raha namoy ny ainy teo amin’ ny antontan-kitay fandoroana izy. «Mahereza, hoy Latimer tamin’ ilay maritiora namany raha nadiva hampangina ny feony ny lelafo. Handrehitra fanilo eto Angletera isika anio, noho ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay itokisako fa tsy ho faty na oviana na oviana»Works of Hugh Latimer, boky 1, p. 13. HM 257.1
Tany Ekaosy dia tsy ary levona avokoa ireo voan’ ny fahama-rinana nafafin’ i Columba sy ny mpiara-miasa taminy. An-jato taona maro taty aorian’ ny nileferan’ ny fiangonana tany Angletera tamin’ i Roma, dia mbola nitana ny fahafahany ny fiangonana tany Ekaosy. Tamin’ ny taonjato faharoa ambinifolo anefa dia tafaorina tao ny fahefan’ ny papa, ary tsy nisy tany nanamparany ny fahefany tsy refesi-mandidy toy ny tao. Tao ny haizina no farany nikitroka. Nefa dia nisy ihany tara-pahazavana izay nanagorobaka ny haizimpito ka nitondra ny fanantenan’ ny andro efa hiposaka. Ireo Lollards avy any Angletera nitondra ny Baiboly sy ny fampianaran’ i Wiclef, dia nahavita be tamin’ ny fiarovana ny fahalalana ny Filazantsara, koa samy nanana ny vavolombelony sy ny maritiorany avy ny taonjato rehetra. HM 257.2
Niaraka tamin’ ny fiandohan’ ny Reformasiona lehibe no nisehoan’ ireo bokin’ i Lotera, ary nanaraka izany ny Testamenta Vaovao tamin’ ny teny anglisy nadikan’ i Tyndale. Tsy tandrin’ ny fahefana isan-tsokajiny tao amin’ ny eglizy ireo mpitondra hafatra nitety mangingina ny tendrombohitra sy ny lohasaha, izay efa nanome rehitra vaovao ny fanilon’ ny fahamarinana izay efa saiky maty tany Ekaosy, ary nandrava ny asa izay nataon’ i Roma nandritra ny efa-jato taona nampahoriany azy. HM 257.3
Dia nanome ainga vaovao sy fihetsiketsehana ny ran’ ny maritiora. Taitra tampoka ireo mpitarika papista nahatsapa ny loza izay nananontanona ny asany, ka natolony hodorana velona ny zanak’ i Ekaosy sasany anisan’ ny mendrika sy nanan-kaja indrindra. Tsy inona anefa no nataony fa nanangana polipitra ihany, izay nandrenesana eran’ i Ekaosy ny tenin’ ireo vavolombelona teo am-pialan’ aina, teny nampientanentana ny vahoaka izay nanana fahatapahankevitra tsy mety maty fa hanakifika ny gadran’ i Roma. HM 258.1
Namoy ny ainy hodorana velona i Hamilton sy Wishart izay sady andrian-toetra no andriana fiaviana rahateo ary nanaraka azy ireo tamin’ izany andiana mpianatra avy amin’ ny sarambabembahoaka. Nisy anefa anankiray niseho avy tamin’ ny antontan-kitay nandoroana an’ i Wishart izay tsy hain’ ny lelafo nampanginina, anankiray izay notarihin’ Andriamanitra hampaneno ny lakolosim-patin’ ny fahefana papaly tany Ekaosy. HM 258.2
John Knox dia niala tamin’ ny lovan-tsofina sy ny fivavahana niorina tamin’ ny fihetseham-panahy fotsiny teo amin’ ny fiangonana ka nivelona tamin’ ireo fahamarinan’ ny tenin’ Andriamanitra; ary ny fampianaran’ i Wishart koa dia nanamafy ny fanapahan-keviny hiala tamin’ ny fifandraisana tamin’ i Roma ka hiaraka amin’ ireto Mpanavao fivavahana voaenjika ireto. HM 258.3
Raha nampirisika azy ny namany hanao ny asan’ ny mpitoriteny, dia nihemotra sady nangovitra teo anatrehan’ izany andraikitra izany izy, ary taorian’ ny andro maromaro nitokanany samirery sy niadiany mafy tamin’ ny tenany vao nanaiky izy. Fa rehefa nanaiky io toerana io kosa izy, dia nandroso hatrany tamim-panapahan-kevitra hentitra sy herim-po tsy azo nohozongozonina nandritra ny nahavelomany. Tsy natahotra ny nifanatrika tamin’ ny olona ity Mpanavao fivavahana nahatoky ity. Ny afo nandorana ny maritiora, izay nirehitra nanodidina azy, dia vao mainka nampirehitra ny hafanam-pony bebe kokoa. Niraviravy teo ambony lohany ny famakin’ ny mpanjakazaka, nefa tsy nihemotra izy, ary namelively tamin’ ny kapoka mafy ny teo ankavia na ny teo ankavanana handrodanany ny fanompoan-tsampy. HM 258.4
Rehefa nifanatri-tava tamin’ ny mpanjakavavin’ i Ekaosy izay nampangatsiaka ny hafanam-pon’ ny maro tamin’ ireo mpitarika protestanta, i John Knox, dia tsy nisalasala ny hitsangana ho vavolombelon’ ny fahamarinana. Tsy resin-tambitamby izy, na nitakemotra teo anoloan’ ny fandrahonana. Niampanga azy ho «heretika» ny mpanjakavavy. Nampianatra ny vahoaka handray fivavahana izay voararan’ ny fanjakana ianao, hoy ny nambarany, koa noho izany dia nandika ny didin’ Andriamanitra izay mandidy ny olom-peheziny hankatò ny andriana nitondra azy. Hentitra ny valin-tenin’ i Knox nanao hoe: «Koa satria tsy avy tamin’ ny mpanjaka ety an-tany no niavian’ ny herin’ ny fivavahana marina sy ny fahefany tany amboalohany fa avy tamin’ Andriamanitra mandrakizay irery ihany, dia tsy voafehy hampirafitra ny fivavahany araka izay mahafaly ny andriana mitondra azy ny olom-pehezina. Matetika mantsy dia ny mpanjaka no tsy mahalala indrindra mihoatra noho ny hafa rehetra ny momba ny tena fivavahana amin’ Andriamanitra marina. . . Raha ny taranak’ i Abrahama manontolo no nandray ny fivavahan’ i Farao izay nifehy azy ireo ela, dia manontany anao aho, tompokovavy, mba fivavahana manao ahoana moa no teto amin’ izao tontolo izao? Na koa raha nanaraka ny fivavahan’ ny amperora Romana daholo ny olona tamin’ ny andron’ ny Apostoly, dia mba fivavahana toy inona moa no nisy nanerana ny tany? . . . Noho izany, tompokovavy, dia tsinjonao fa tsy voafehy tsy maintsy hanaraka ny fivavahan’ ny andriana mitondra azy tsy akory ny olom-pehezina, na dia voadidy hankatò azy ireo aza izy». HM 259.1
Hoy i Maria: «Ianao mandray ny Soratra Masina amin’ ny fomba iray, ary ny mpampianatra katolika Romana mandray azy amin’ ny fomba hafa; koa iza no hinoako, ary iza no hitsara izany?» HM 259.2
«Aoka hino an’ Andriamanitra Izay miteny amin’ ny fomba mazava ao amin’ ny teniny ianao», hoy ny navalin’ ny Mpanavao fivavahana; amin’ izay tafahoatra noho ny tenin’ Andriamanitra. dia aoka ianao tsy hino na ny andaniny na ny ankilany. Mazava ho azy ny tenin’ Andriamanitra ; ary raha misy maizimaizina amin’ ny toerana iray, dia ny Fanahy Masina, Izay tsy manohitra ny tenany na oviana na oviana, no manazava izany bebe kokoa amin’ ny toeran-kafa, hany ka tsy mety hisy fisalasalana ho tafatoetra afa-tsy amin’ izay mikiribiby hijanona eo amin’ ny tsy fahalalany. David Laing,The Collected Works of John Knox, boky 2. pp. 281, 284. HM 259.3
Toy izany ireo fahamarinana nambaran’ ilay Mpanavao fivavahana tsy nanan-tahotra ho ren’ ny sofin’ ny andriamanjaka, na dia nety nampidi-doza ny ainy aza izany. Izany herim-po tsy mety lefy izany no nifikirany tamin’ ny zava-nokinendriny, ka nivavaka sy niady ny adin’ i Jehovah izy, mandra-pahafak’ i Ekaosy tamin’ ny fahefan’ ny papa. HM 260.1
Tany Angletera dia nampihena ny fanenjehana fa tsy nampijanona azy tanteraka tsy akory ny fametrahana ny fivavahana Protestanta ho fivavahan’ ny firenena. Betsaka ireo fampianaran’ i Roma no nialana, nefa tsy vitsy koa ireo endriny notazonina. Notsipahina ny fanekena ny papa ho fahefana fara-tampony, nefa ho solony dia ny mpanjaka no nosatroham-boninahitra ho lohan’ ny fiangonana. Tao amin’ ny fanompoam-pivavahan’ ny fiangonana dia nisy fiatahana lavitra tamin’ ny fahadiovana sy ny fahatsoran’ ny filazantsara. Mbola tsy nazava ny foto-kevitra lehibe momba ny fahafahana ara-pivavahana. Na dia indraindray tadiavina ihany aza no nampiasan’ ireo mpitondra Protestanta ireo ny habibiana mahatsiravina nampiasain’ i Roma tamin’ ny «herezia», dia tsy nekena kosa ny zon’ ny tsirairay hanompo an’ Andriamanitra araka ny baikon’ ny feon’ ny fieritreretan’ ny tenany. Noterena hanaiky ny fampianarana sy hanaraka ny fombam-pivavahan’ ny fiangonana naorina ny rehetra. Niaritra fanenjehana nandritra ny taonjato maro izay nandà izany indraindray mafimafy kokoa, indraindray moramora kokoa. HM 260.2
Tamin’ ny taonjato fahafito ambin’ ny folo dia nisy an’ arivony ny mpitandrina voaroaka tamin’ ny toerany. Norarana ny vahoaka ary norahonana handoa sazy mavesatra, hampidirina am-ponja, sy hatao sesi-tany, tsy hanatrika fotoam-pivavahana afa-tsy izay nankatoavin’ ny fiangonana ihany. Ireo fanahy nahatoky, izay tsy nahazaka tsy hivory mba hanompo an’ Andriamanitra dia voatery nihaona tany amin’ ny toerana takontakona, sy tany ambany tafon-trano maizimaizina, ary tamin’ ny fizaran-taona sasany, dia tany anaty ala amin’ ny misasak’ alina. Tany anaty ala mikirindro no nialokalofany, izay tempoly vita-nanahary rahateo ; tany no nivorian’ ireo zanak’ Andriamanitra niely patrana sy nenjehina, mba handoatra ny fanahiny tamin’ ny vavaka sy ny fiderana. Nefa na toy inona na toy inona fitandremana nataony dia betsaka no nijaly noho ny finoany. Feno hika ny tranomaizina. Voasaraka ny fianakaviana. Maro no voaroaka ho any an-tany hafa. Momba ny vahoakany anefa Andriamanitra ka tsy afaka nampangina ny teni-vavolombelona nataony ny fanenjehana. Maro no voatarika hiampita ny ranomasimbe ho any Amerika ary tany no nanorenany ny fototry ny fahafahana ara-panjakana sy ara-pivavahana izay fiarovana sy voninahitr’ io tany io. HM 260.3
Tahaka ny tamin’ ny andron’ ny apostoly, dia mainka nampandroso ny Filazantsara ny fanenjehana. Tao amin’ ny fonja iray maharikoriko hipoky ny mpanao fitondrantena ratsy sy ny mpama-dika, no niainan’ i John Bunyan tamin’ ny rivo-piainan’ ny lanitra marina, ary tao no nanoratany ilay tantara fanoharana mahagaga momba ny dian’ ny mpivahiny avy amin’ ny tany fandravana ho amin’ ilay tanàna any an-danitra. Nandritra ny roanjato taona na nihoatra no nitenenan’ io feo avy tao amin’ ny tranomaizin’ i Bedford io tamin-kery nampientanentana ny fon’ ny maro. Ny dian’ ny Mpivahinin’ i Bunyan sy ny Fahasoavana be dia be ho an’ ny Lohan’ ny Mpanota dia nitarika ny dian-tongotry ny olona maro ho amin’ ny lalan’ ny fiainana. HM 261.1
Ry Baxter, ry Flavel, ry Alleine sy ireo olona hafa manan-talenta, nahita fianarana sy nanao fanandramana kristiana lalina dia nijoro tamin-kerim-po hiaro ny finoana izay efa natolotra indray mandeha monja ho an’ ny olo-masina. Tsy ho levona na oviana na oviana ny asan’ ireo olona izay noroahin’ ny mpifehy eto amin’ izao tontolo izao sy tsy narovan’ ny lalàny. Ny boky nosoratan’ i Flavel mitondra ny lohateny hoe: «Loharanon’ aina » (Foutain of Life) sy «Fomba fiasan’ ny fahasoavana»; (Method of Grace) dia nampianatra olona an’ arivony ny fomba fametraka ny fanahy ao ambany fiarovan’ i Kristy. Ny bokin’ i Baxter «Mpitandnna nohavaozina»; (Reformed Pastor) dia fitahiana ho an’ ny maro izay naniry fifohazana tao amin’ ny asan’ Andriamanitra, ary ilay hoe «Fiadanana mandrakizay ho an’ ny olona masina» (Saint’s Everlasting Rest) dia nahatanteraka ny asany tamin’ ny fitarihan’ ny fanahy ho eo amin’ ny «Sabata fitsaharana» izay misy ho an’ ny olon’ Andriamanitra. HM 261.2
Zato taona taty aoriana, tamin’ ny andro nanjakan’ ny haizina ara-panahy, dia niseho Whitefield Wesley mirahalahy mpitondra fahazavana avy amin’ Andriamanitra. Raha teo ambany fifehezan’ ny fiangonana nankatoavin’ ny fanjakana ny vahoaka anglisy dia niverina ilalana ho amin’ ny fihemorana ara-pivavahana izay saiky tsy misy valaka tamin’ ny fanompoan-tsampy izy. Nahaliana ny mpitondra fivavahana ny nandinika ny fivavahana «natioraly» (araka ny fisainan’ olombelona fotsiny fa tsy araka ny fanambaran’ Andriamanitra), ary saika voafaoka tao anatin’ izany ny fampianarany momba ny teolojia. Ireo sarangan’ olona ambony dia nanao ho fihomehezana ny fitiavam-bavaka ka nirehareha izy ireo fa lasa ambony noho izay natao hoe fitompoan-teny fantatra ara-pivavahàna. Ny ambanimbany kokoa kosa dia nitakizina tao amin’ ny tsy fahalalana sy nitolo-batana ho amin’ ny toetra ratsy, kanefa ny fiangonana tsy nanana herim-po na finoana intsony hanohana ny fahamarinana izay efa nirefarefa. HM 261.3
Ilay fampianarana lehibe momba ny fanamarinana amin’ ny finoana, izay nampianarin’ i Lotera mazava tokoa, dia efa saiky very tadidy, ary ny foto-kevitr’ i Roma ny amin’ ny fitokisana ny asa tsara hahazoam-pamonjena no nandray ny toerany. Whitefield sy Wesley mirahalahy izay mambra tao amin’ ny fiangonana nankatoavin’ ny fanjakana, dia nitady tamin-kitsim-po ny fankasitrahan’ Andria-manitra, ary nampianarina azy fa ny fahatsaran-toetra sy ny fahavarana ireo fombafomba ivelany. ara-pivavahana no ahazoana antoka izany. HM 262.1
Raha narary i Charles Wesley indray mandeha ka nahatsapa fa nanatona azy ny fahafatesana, ka nanontaniana ny amin’ ny iankinan’ ny fanantenany ny fiainana mandrakizay, dia hoy ny valin-teniny: «Nanao izay fara-heriko tamin’ ny fanompoana an’ Andriamanitra aho». Rehefa niseho ho tsy afa-po tanteraka ilay sakaizany nametraka fanontaniana, dia nieritreritra i Wesley hoe : «Fa ahoana ? tsy ampy hanankinana ny fanantenana va ny fiezahako rehetra ? Dia ho zava-poana eo imasony ve ny fiezahako rehetra ? Tsy manan-javatra hafa hitokisako aho». — John Whitehead,Life of the Rev. Charles Wesley, p. 102. Toy izany ny fikitroky ny haizina nandrakotra ny fiangonana, izay nanarona ny fanavotana, nandroba tamin’ ny voninahiny ka nanodina ny sain’ ny olona hiala tamin’ ny hany fanantenan’ ny famonjena azy — dia ny ran’ Ilay Mpanavotra voahombo teo amin’ ny hazo fijaliana. HM 262.2
Voatarika hahita i Wesley sy ireo namany fa ao am-po ny tena fivavahana marina, ary mahatratra hatramin’ ny fisainana ny lalàn’ Andriamanitra tahaka ny amin’ ny teny sy ny asa atao ihany. Niaiky izy fa tena ilaina ny fahamasinan’ ny fo tahaka ny ilàna ny fihetsika ivelany ho mendrika, ka tamin-kafanam-po fatratra no nitadiavana fiainana vaovao. Tamin-jotom-po fatratra narahim-bavaka no niezahany handresy ny ratsy manjaka ao amin’ny fo tsy voaova. Nivelona tamin’ ny fiainana feno fahafoizan-tena sy fitiavana ary fanetren-tena izy; nanaraka tamin’ ny fomba hentitra hatramin’ ny antsipirian’ ireo fepetra izay noheveriny fa hanampy azy amin’ ny fahazahoany izay niriny indrindra, dia ilay fahamasinana izay ahazoany antoka ny fankasitrahan’ Andriamanitra. Tsy azony anefa ny zavatra notadiaviny. Zava-poana ny fiezahany ho afaka tamin’ ny fanamelohan’ ny fahotana na ny hamolaka ny heriny. Tsy nisy valaka tamin’ ny nahazo an’ i Lotera raha tao amin’ ilay efitrano kely nitoerany tany Erfart izany. Io fanontaniana io ihany koa no nampahory ny fanahiny. «Fa aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra?»1Joba 9:2 HM 262.3
Ny afon’ ny fahamarinan’ Andriamanitra izay efa akaiky ho faty teo amin’ ny alitaran’ ny fivavahana Protestanta, dia nahazo rehitra vaovao indray avy tamin’ ilay fanilo niampitampita ny taonjato nifandimby tamin’ ny alalan’ ireo kristiana tany Bohemia. Taorian’ ny Reformasiona dia nohosihosen’ ireo andian-jiolahy nalefan’ i Roma ny fivavahana Protestanta tany Bohemia. Voatery nandositra izay rehetra nandà tsy hiala tamin’ ny fahamarinana. Nisy tamin’ izy ireo nahita fialofana tany Saksonia, ka nitana ny finoana taloha tao izy. Ary avy tamin’ ny taranak’ ireo kristiana ireo no niavian’ ny fahazavana tonga tany amin’ i Wesley sy ny namany. HM 263.1
Rehefa yoahosotra ho mpitandrina i John sy Charles Wesley, dia nalefa ho iraka tany Amerika izy. Nisy Moraviana maromaro tafara-dia taminy teny an-tsambo. Sehatry ny tafio-drivotra mahery ry zareo teny an-dalana ary rehefa nifanatrika tamin’ ny fahafatesana i John Wesley dia nahatsapa fa tsy azony antoka fa vita fihavanana tamin’ Andriamanitra izy. Ry zareo Alemana kosa dia nampiseho fahatoniana sy fahatokisana izay tsy mba fantany. HM 263.2
«Efa hatry ny ela», hoy izy, «no nandinihako ny toetra mendrika niseho tamin’ ny fihetsik’ izy ireo». Nanome porofo hatrany ny amin’ ny fanetren-tenany izy ireo tamin’ ny fanaovany asa ambany ho an’ ny mpandeha hafa, izay tsy hisy anglisy hanao izany mihitsy; ary tsy nitady na handray karama avy tamin’ izany akory izy; fa mahasoa ny fony feno avonavona izany, ary nanao be lavitra taminy ny Mpamonjiny be fitiavana. Ary isan’ andro isan’ andro dia nahazoan’ izy ireo nampiseho fahalemem-panahy izay tsy nety tafintohina na tamin’ inona na tamin’ inona. Raha natositosika izy, na nodonina, na naronjina hianjera amin’ ny tany, dia mitsangana ary lasa mandeha tsy misy fitarainana hita eo am-bavany. Ankehitriny dia tonga ny fotoana hisedrana azy raha tàhiny afaka amin’ ny toe-tsaina matahotahotra izy tahaka ny nahafahany tamin’ ny avonavona, ny fahatezerana sy ny fanaovana valifaty. Raha nihira indrindra ny salamo nanombohany ny fotoam-pivavahany ry zareo, dia nisafoaka ny ranomasina ka nandrovidrovitra ny lain-tsambo lehibe indrindra sy nanafotra ny sambo, ary nibosesika tany anelanelan’ ireo tokotanin-tsambo nifanongoa tahaka ny efa nitelina anay sahady ny lalina. Nikiakiaka mafy ry zareo Anglisy. Tsy taitra kosa ry zareo Alemana fa nanohy ny hirany. Nánontany ny anankiray taminy aho tatý aoriana : «Tsy natahotra ve ianareo ?» Hoy ny navaliny : «Misaotra an’ Andriamanitra aho fa tsy natahotra izahay». «Fa ireo zaza amambehivavy teo aminareo, tsy natahotra ve ?» hoy ny fanontaniako. Namaly moramora izy hoe : «Tsia, tsy matahotra ny ho faty ireo zaza amam-behivavy miaraka aminay» Whitehead Life of the Rev. John Wesley, p. 10. HM 263.3
Rehefa tonga tany Savannah ry zareo, dia niara-nipetraka fotoana fohy tamin’ ireo Moraviana i Wesley, ka nanohina azy mafy ny fitondrantena kristiana hitany teo aminy. Izao no nosoratany momba ny fotoam-pivavahan’ izy ireo, izay nampivandravandra ny fifanoherany tamin’ ny fombafomba tsy misy aina fanaon’ ny Fiangonana Anglikana. Ny endrika tsotra kokoa nefa manetriketrika hita teo amin’ ny fotoam-pivavahana manontolo dia saiky nanadinoako ny elanelam-potoana ny taonjato fito ambinifolo, ka niheverako ny tenako ho nanatrika ny iray tamin’ ireo fivoriana fony tsy mbola nisy fombafomba amam-panao ivelany, fa i Paoly, ilay mpanao lay, na i Petera, ilay mpanarato, no nitarika ny fotoana; nefa voaseho miharihary ny fanatrehan’ ny Fanahy sy ny fisian’ ny hery».Ibid, p. 11, 12. HM 264.1
Rehefa niverina tany Angletera i Wesley dia tonga tamin’ ny fahalalana mazava kokoa ny finoana araka ny Baiboly, rehefa nampianarin’ ny mpitoriteny moraviana iray. Niaiky marina izy fa tsy maintsy mahafoy ny fiankinana rehetra amin’ ny asan’ ny tenany mba ho voavonjy fa kosa hiantehitra tanteraka amin’ ny «Zanak’ ondrin’ Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao». Tamin’ ny fivorian’ ny fikambanana Moraviana tany Londres dia nisy teny novakina avy tamin’ ny bokin’ i Lotera, izay nanoritsoritra ny fiovana izay ataon’ ny Fanahin’ Andriamanitra ao am-pon’ ny mpino. Raha nihaino izany i Wesley, dia nirehitra tao am-pony ny finoana. Hoy izy: «lnjay tsaroako toa nisy hafanana hafahafa tato am-poko. Tsapako fa niantehitra marina tamin’ i Kristy aho, ary Kristy irery ihany, no hahazoako famonjena, ary nomena toky aho, fa efa nanala ny fahotako Izy, eny ny ahy, ary nanafaka ahy tamin’ ny lalàn’ ny fahotana sy ny fahafatesana». —Ibid, p. 52. - HM 264.2
Nandritra ireo taona maromaro nanaovany fiezahana mandreraka tsy nahitany fiononana — taona maro nihafiany mafy sy nizakany fanomezan-tsiny sy fampietrena lalina — dia namikitra mafy tamin’ ny fikasany hahita an’ Andriamanitra i Wesley. Nahita Azy izy izao, ary hitany fa ny fahasoavana izay nilofosany fatratra ho azo tamin’ ny alalan’ ny fivavahana sy ny fifadian-kanina, tamin ny fanomezana ho an’ ny mahantra sy ny fahafoizan-tena, dia fanomezana «tsy amimbola tsy amin-karena». HM 264.3
Raha vao tafaorina tao amin’ ny finoana an’ i Kristy izy, dia niredareda faniriana ny fanahiny manontolo hampiely hatraiza hatraiza ny fahalalana ny Filazantsara be voninahitry ny fahasoavan’ Andriamanitra maimaim-poana. «Raisiko ho toy ny fiangonana iray iadidiako avokoa izao tontolo izao», hoy izy «ary na faritra aiza na faritra aiza misy ahy, dia heveriko fa tokony sy rariny ary adidy tsy azoko ialana, ny manambara amin’ izay rehetra vonon-kihaino ny vaovao mahafalin’ ny famonjena»Ibid, p. 74. HM 265.1
Mbola notohizany ihany ilay fiainany nanara-dalàna fatratra sy feno fahafoizan-tena, nefa izao kosa tsy ho fototra iaingan’ ny finoana intsony, fa vokatry ny finoana; tsy fakan’ ny fahamasinana, fa vokatra avy aminy. Ny fahasoavan’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy no fanorenan’ ny fanantenan’ ny Kristiana, ary io fahasoavana io dia miseho amin’ ny fankatoavana. Ny fiainan’ i Wesley dia voatokana hitoriany ireo fahamarinana lehibe efa noraisiny: ny fanamarinana amin’ ny alalan’ ny finoana ny ran’ i Kristy manavotra, sy ny herin’ ny Fanahy Masina manavao ny fo, mahavokatra ao amin’ ny fiainana mifanaraka amin’ ny ohatra nomen’ i Kristy. HM 265.2
Nanomana an’ i Whitefield sy Wesley mirahalahy ho amin’ ny asany ny fahatsapany ny tenany hatry ny ela fa very ary nanindrona azy mafy izany; ary mba hahazoany miaritra ny mafy tahaka ny miaramila tsaran’ i Kristy, dia nampandalovina tamin’ ny fizahantoetra mahamay izy dia ny esoeso, ny fanarabiana sy ny fanenjehana na tany amin’ ny Oniversite na tamin’ izy vao nanomboka ny asany. Nopetahin’ ireo mpiara-mianatra taminy tsy nivavaka anarana fanivaivana hoe «Méthodiste» izy sy ireo vitsivitsy niray fo taminy; anarana izay raisin’ ny anankiray amin’ ny sampam-pinoana lehibe indrindra any Angletera sy Amerika ho anaram-boninahitra ankehitriny. HM 265.3
Tamin’ izy ireo mbola anisan’ ny Fiangonana Anglikana dia nandala fatratra ny fombafombam-pivavahana fanaony. Nasehon’ Andriamanitra azy tao amin’ ny teniny anefa ny tarigetra ambony kokoa. Nanosika azy hitory an’ i Kristy ny Fanahy Masina, dia Izy voahombo teo amin’ ny hazo fijaliana. Ny herin’ ny Avo indrindra no nanampy ny asany. An’ arivony no resy lahatra sy niova fo marina. Tsy maintsy natao izay hiarovana ireo ondry ireo tsy ho viravirain’ ny amboadia masiaka. Tsy nihevitra akory ny hamorona sampampinoana vaovao i Wesley, fa nalaminy izany ho araka ilay rafitra nantsoina hoe Fikambanana Metodista. HM 265.4
Nisoko mangina sady namaivay ny fanoherana nihatra tamin’ ireo mpitoriteny ireo tamin’ ny fiangonana neken’ ny fanjakana; nefa Andriamanitra noho ny fahendreny, dia nandahatra ny toe-javatra hahatonga ny fanavaozana hanomboka avy tao anatin’ ny fiangonana mihitsy. Raha avy any ivelany manontolo izany, dia tsy ho tafatsofoka hatrany amin’ izay tena ilàna azy. Nefa satria olompiangonana ireo mpitoriteny nitarika ny fifohazana sady niasa tao anatin’ ny faritra nisy ny fiangonana na taiza na taiza nisian’ ny toe-javatra azony nohararaotina nanaovana izany, dia nahita lalankidirana ny fahamarinana teo amin’ izay nety ho nikatonan’ ny varavarana ka tsy ho nivohany mihitsy. Nisy mpitondra fiangonana sasany avy tamin’ ny faharendremany ara-pitondrantena ka nanjary mpitoriteny nafana fo tao amin’ ny fiangonana niadidiany. Ny fiangonana izay efa tahaka ny sary vato noho ny fanarahana ny fombafomba fotsiny dia velombelona indray. HM 266.1
Tamin’ ny andron’ i Wesley, tahaka ny tamin’ ny tantaran’ ny fiangonana rehetra, dia nanatontosa ny asa voafaritra hataony ireo olona nanan-talenta samihafa. Tsy nifanara-tsaina izy ireo teo amin’ ny foto-pinoana rehetra, nefa samy nohetsehin’ ny Fanahin’ Andriamanitra avokoa izy, ka niray fo tamin’ ny tarigetra nambabo azy dia ny hahazo fanahy ho an’ i Kristy. Saiky niteraka fisarahana indray mandeha ny fahasamihafan-kevitra nisy tamin’ i Whitefield sy i Wesley; nefa rehefa nianatra fandeferana tao amin’ ny sekolin’ i Kristy izy, dia nampihavana azy ny fifampizakana sy ny fitiavana. Tsy nanam-potoana hifanolanana izy, raha nanorobona hatraiza hatraiza ny hevi-diso sy ny faharatsiana, ka nizotra ho amin’ ny fandringanana ny mpanota. HM 266.2
Nandia lalan-tsarotra ny mpanompon’ Andriamanitra. Nampiasa ny heviny hoenti-manohitra azy ireo ny olona ambony sy nanampahaizana. Rehefa afaka fotoana fohy dia nampiseho finiavankanohitra miharihary ireo mpitondra fiangonana maro, ka nanakatona ny varavaran’ ny fiangonana tsy hidiran’ ny finoana madio sy ireo izay nitory izany. Ny ezaka nataon’ ireo mpitondra fivavahana hiampanga azy teny amin’ ny polipitra dia nampifoha ireo mpiandany tamin’ ny haizina, ny tsy fahalalana sy ny faharatsiana. Impiry impiry moa i John Wesley no afa-nandositra . ny fahafatesana noho ny fahagagana nataon’ ny famindrampon’ Andriamanitra. Rehefa nirongatra hamely azy ny fahaviniran’ ny vahoaka, ka toa tsy nisy lalan-kahafahany mihitsy, dia nisy anjely nitafy endrik’ olombelona tonga teo anilany, nianotra ny vahoaka, ary afa-niala soa aman-tsara tamin’ ny toerana nisy loza ny mpanompon’ i Kristy. HM 266.3
Izao no lazain’ i Wesley momba ny nanafahana azy indray mandeha tamin’ ny vahoaka romotra: «Maro no niezaka hanosika ahy hianjera tamin’ ny lalana malama, raha nidina avy teny an-kavoana ho eny an-tanàna izahay; satria marina ny fiheverany fa raha lavo amin’ ny tany aho, dia nety tsy ho tafarina intsony. Nefa tsy tafintohina mihitsy aho, na nibolisatra kely akory, mandra-pahafako tanteraka tsy ho eo am-pelatanany. . . Na dia betsaka aza no niezaka hihazona ny vozon’ akanjoko na ny fitafiako, mba hampianjera ahy, dia tsy nahafahatra mihitsy ireo; anankiray ihany no nahatana ny ilan’ ny salotro, izay tavela teny an-tanany, ny ilany kosa izay nisy vola taratasy tao am-paosiny dia rovitra, nefa rovitra sasaka ihany. Nisy olona matanjaka iray tao ivohoko indrindra izay nikapoka ahy imbetsaka tamin’ ny hazo ôka. Ka raha nahavoa ny hatoko indray mandeha fotsiny izy tamin’ iny, dia tsy nila ho nisahirana tamiko intsony. Nefa voavily hatrany ny kapoka, tsy fantatro izay nahatonga izany : satria tsy afa-nihodina aho na niankavanana na niankavia. . . Nisy anankiray indray nihazakazaka namakivaky ny vahoaka ka nanainga ny tanany hamely, kanjo dia nampidina azy tampoka foana teo ary nahakasika fotsiny ny lohako ka niteny hoe: «Malefadefaka kosa lahy izato volony e!». . . Ny voalohany indrindra niova fo dia ireo jiolahy kalazalahy tao an-tanàna, ireo mpitarika ny faikan’ olona isaky ny misy korontana, ka ny iray tamin’ izy ireo dia mpanao ady totohondry nalaza. . . «Anefa amin’ ny fomba miandalalandava manao ahoana no ampiasain’ Andriamanitra hanomanana antsika hanao ny sitrapony ! Roa taona lasa izay dia nisy tapa-biriky nisafo ny soroko. Tamin’ ny taona manaraka an’ iny, dia nisy vato nahavoa ahy teo anelanelan’ ny masoko, Tamin’ ny volana lasa dia nisy namely ahy indray mandeha, androany hariva dia indroa, ny voalohany dia talohan’ ny nidirantsika tao an-tanàna, ary ny faharoa rehefa tafavoaka isika nefa tsy nisy antony izany, fa na namely ahy teo amin’ ny tratrako tamin’ ny heriny rehetra aza ilay olona iray, ary ny anankiray kosa namely faran’ izay mafy ny vavako ka nahavaky ra azy avy hatrany, dia samy tsy nahatsiarovako naharary ireo fa tahaka ny nokasihiny tamin’ ny mololo aho». John Wesley,Works, boky 3, p. 297, 298. HM 267.1
Ireo Metodista tamin’ ireny andro voalohandohany ireny — na ny olon-tsotra izany na ireo mpitoriteny dia samy niaritra fanesoana sy fanenjehana nafitsoky ny mambra amin’ ny fiangonana sy ireo miseho mivantana ho tsy mpivavaka izay menan’ ny hatezerana noho ny fiheverany diso lalana. Nentina teo anatrehan’ ny fitsarana izy ireo, izay anarany fotsiny, satria nahalana no nitsara araka ny rariny ny fitsarana tamin’ izany fotoana izany. Matetika no niaritra ny hetraketraky ny mpanenjika azy izy. Nitety trano ireo vahoaka maimbo ra, nanimba ny fanaka sy ny fananana, nandroba izay rehetra tiany ary nanao herisetra tamin’ ny lehilahy na ny vehivavy ary ny ankizy. Indraindray dia nisy filazana ho an’ ny besinimaro, miantso izay rehetra ta-hanatrika ny famakiana ny tranon’ ny Metodista sy ny fandrobana ny fananany, mba hivory amin’ ny fotoana sy ny toerana voatondro. Navela fotsiny tsy nisy famaizana ireo fandikana an-karihary ny lalàn’ ny olombelona sy ny lalàn’ Andriamanitra ireo. Nisy fanenjehana tsy an-kiato nenti-namely ireo olona izay tsy nanan-keloka hafa afa-tsy ny fiezahana hampiala ny dian’ ny mpanota amin’ ny lalan’ ny fahafatesana ho amin’ ny lalan’ ny fahamasinana. HM 268.1
Hoy i John Wesley momba ny fiampangana izay natao azy sy ny namany : «Misy milaza fa sandoka, diso sy entanin-kafanampo fotsiny ny fampianaran’ ireo olona ireo; fa fampianarana vaovao izay tsy mbola nisy nahare raha tsy vao haingana foana izany fivavahan’ ny «Quakers» * antokom -pinoana Protestanta. sy fitompoan-teny fantatra, fivavahana manaraka ny papa. Efa nongotana hatrany amin’ ny fakany izany fihamboana rehetra izany, satria efa naseho miharihary fa ny sampana rehetra eo amin’ izany fampianarana izany dia tsy misy hafa amin’ ny fampianaran’ ny Soratra Masina, araka ny fandraisan’ ny fiangonantsika azy ihany. Noho izany dia tsy mety ho sandoka na ho diso, raha marina tokoa ny Soratra Masina». Ny sasany kosa milaza fa: tery loatra ny fampianaran-dry zareo, ataony ety loatra ny lalana mankany an-danitra». Ary marina tokoa fa io no tena fanakianana hatrany am-boalohany (ary tamin’ ny fotoana sasantsasany dia tsy nisy afa-tsy io) ary mbola io ihany no ipoiran’ ny fanakianana an’ arivony hafa izay miseho amin’ ny endrika isan-karazany. Nefa moa ve nahatery lalana ho any an-danitra ho ety kokoa noho izay nataon’ ny Tompontsika sy ireo apostoliny izany? Moa ve, ny fampianaran’ ireo, tery kokoa noho ny an’ ny Baiboly? Diniho fotsiny ireto teny mazava ireto: «Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra, amin’ ny sainao rehetra, amin’ ny fanahinao rehetra ary amin’ ny herinao rehetra». «Ary lazaiko aminareo fa hampamoahana ny olona amin’ ny andro fitsarana noho ny amin’ ny teny foana rehetra izay ataony». «Na mihinana, na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’ Andriamanitra izany rehetra izany». HM 268.2
«Raha henjana noho izany ny fampianarany, dia tokony homen-tsiny izy ireo; nefa fantatrareo marimarina fa tsy izany no izy. Ary iza no afaka hanalefaka na dia tendron-tsoratra iray aza ka tsy handoto ny tenin’ Andriamanitra? Moa ve misy mpitahiry ny zava-miafin’ Andriamanitra hita ho mahatoky raha manao fanovana amin’ io rakitra masina napetraka taminy io? Tsia. Tsy afaka handrava na inona na inona izy; tsy afaka hanatsatso na inona na inona; voatery izy hilaza amin’ ny olona rehetra hoe: «Tsy azoko hampidinina hifanaraka amin’ izay tianareo ny Soratra Masina. Ianareo no tsy maintsy miakatra hanatratra izany, na ho faty mandrakizay. Izany no tena fototry ny antsoantson’ ny olona sasany miampanga azy ireo ho «tsy manam-pitiavana». Moa va tsy manam-pitiavana tokoa izy? Amin’ ny lafiny toy inona? Moa tsy manome hanina ny noana sy tsy manafy ny mitanjaka ve izy ireo? Tsia, tsy izany no izy; tsy izany no banga eo aminy; fa tena tsy manam-pitiavana izy amin’ ny fitsarana nataony! heveriny fa tsy misy olona azo vonjena afa-tsy izay mandeha amin’ ny lalana narahiny» Ibid, boky 3, p. 152, 153. HM 269.1
Ny fitotonganana ara-panahy izay hita tany Angletera nialoha indrindra ny andron’ i Wesley dia vokatry. ny fampianarana milaza fa foana ny lalàna ny ankabeazany. Betsaka no nanantitrantitra fa efa nofoanan’ i Kristy ny lalàna ara-pitondrantena ka noho izany dia tsy voatery hankatò izany intsony ny Kristiana. Nambarany fa afaka «amin’ ny fanandevozan’ ny asa tsara» ny mpino. Ny sasany indray, na dia nanaiky ny maha-mandrakizay ny lalàna aza dia nanambara fa tsy ilaina ny ampirisihan’ ny mpitandrina ny vahoaka hankatò ireo foto-kevitra raketin’ izany, satria ireo izay efa nofidin’ Andriamanitra ho amin’ ny famonjena, dia «ho voatariky ny hery tsy azo tohain’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ho tia vavaka sy hanana toetra tsara eo amin’ ny fiainana andavanandro», fa ireo izay voaozona ho amin’ ny fanamelohana mandrakizay kosa, «dia tsy manan-kery hankatò ny lalàn’ Andriamanitra». HM 269.2
Nisy sasany koa izay nitana fa «tsy mety ho afaka tsy ho eo amin’ ny fahasoavana ny olom-boafidy na ho diso ny fankasitrahan’ Andriamanitra», dia namoaka fehin-teny mbola maharikoriko lavitra milaza fa «tsy tena fahotana tsy akory ny asa ratsy ataony, na tokony hoheverina ho fandikana ny lalàn’ Andriamanitra ary noho izany, tsy misy tokony hiaikeny ny helony na hamoizany izany amin’ ny fibebahana». Mc Clintock sy Strong, Cyclopedia, andininy momba ny «Antinomians» (Mpilaza ny lalàn’ Andriamanitra ho foana). Noho izany, hoy izy ireo, na dia ny fahotana mahatsiravina indrindra aza «izay eken’ ny rehetra fa fandikana ankitsirano ny lalàn’ Andria-manitra, dia tsy fahotana akory eo imason’ Andriamanitra», raha ny iray amin’ ny olom-boafidy no manao izany, «satria anankiray amin’ izay tena toetra fototra sy mampiavaka ny olom-boafidy, dia izy tsy afaka hanao na inona na inona tsy mahafaly an’ Andriamanitra na raràn’ ny lalana». HM 270.1
Ireo fampianarana mampidi-doza ireo ihany no mbola tazonin’ ireo mpanabe tiam-bahoaka sy mpanao teolojia taty aoriana izay milaza fa tsy misy izany lalàn’ Andriamanitra tsy azo ovana ho fitsipiky ny marina izany, fa ny fiaraha-monina ihany no mamaritra io fitsipi-pitondrantena io, koa noho izany dia mety niovaova hatrany izany. Sain-dalina iray ihany no niavian’ ireo hevitra rehetra ireo dia avy amin’ ilay anankiray izay, na dia teo anivon’ ireo mponina any an-danitra tsy nanota aza, — dia nanomboka ny asany fikatsahana handrodana ireo fameperana ara-drariny ao amin’ ny lalàn’ Andriamanitra. HM 270.2
Ny fampianarana milaza fa Andriamanitra dia namoaka didy izay nametra ho tsy azo ovana intsony ny toetra amam-panahin’ ny olombelona, dia nitarika olona maro hitsipaka avy hatrany ny lalàn’ Andriamanitra. Nijoro hanohitra mafy ny hevi-dison’ ireo mpampianatra nampianatra fa efa foana ny lalàn’ Andriamanitra i Wesley ka nasehony fa io fampianarana io izay manafoana ny lalàn’ Andriamanitra dia manohitra ny Soratra Masina. «Fa efa miseho ny fahasoavan’ Andriamanitra izay famonjena ny olona rehetra» 2Tit. 2 : 11 : 1 Tim. 2:3-6;. Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika, Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ ny fahalalana ny marina». «Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’ Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra» 2Tit. 2 : 11 : 1 Tim. 2 : 3 -6; Omena maimaimpoana ny Fanahin’ Andriamanitra mba ahazoan’ ny olona rehetra mandray ny hevitry ny Famonjena. Amin’ izay Kristy Ilay «tena mazava», «dia mahazava ny olona rehetra tonga amin’ izao tontolo izao». 3Jao. 1: 9 Ny tsy ahazoan’ ny olona famonjena dia noho ny fìniavany handà ny fanomezan’ ny fiainana, atolotra azy. HM 270.3
Ho valin’ ny filazana fa rava tamin’ ny nahafatesan’ i Kristy ireo didy amin’ ny Lalàna niaraka tamin’ ireo lalàna momba ny fitsipipivavahana dia izao no tenin’ i Wesley: «Tsy nofoanany tsy akory ny lalàna ara-pitondrantena, voarakitra ao amin’ ny Didy Folo ary nohamafisin’ ireo mpaminany. Tsy anton’ ny nahatongavany ny hanafoana ny iray na ny hafa amin’ izany. Lalàna tsy azo ravana na oviana na oviana io, fa —» mafy orina tahaka ny vavolombelona mahatoky any an-danitra» — . . . Hatrany amin’ ny fiandohan’ izao tontolo izao dia tsy, «voasoratra tamin’ ny vato fisaka», izy fa tao am-pon’ ny zanak’ olombelona rehetra, raha vao nivoaka avy teo am-pelatanan’ ny Mpahary izy. Ary na dia saika simban’ ny fahotana aza ny soratra nosoratan’ ny rantsan-tanan’ Andriamanitra, dia tsy mety ho voakosoka tanteraka izany, raha mbola mahatsapa ny tsara sy ny ratsy isika. Tsy maintsy manan-kery amin’ ny taranak’ olombelona manontolo ary amin’ ny fotoana rehetra ny didy tsirairay amin’ io lalàna io, satria tsy miankina na amin’ ny fotoana na amin’ ny toerana, na amin’ ny toe-javatra hafa mety miova mantsy izany, fa miankina amin’ ny toetran’ Andriamanitra, sy amin’ ny toetry ny olombelona, ary amin’ ny fifandraisana tsy azo ovana misy amin’ izy roroa. HM 271.1
«Tsy tonga handrava aho, fa hanatanteraka». . . Tsy azo iadian-kevitra fa ny tiany holazaina eto (raha ampifanarahana amin’ izay voalaza eo aloha sy ny manaraka), dia ny hoe: tonga aho hampitoetra ny lalàna eo amin’ ny fahafenoany, na dia eo aza ny fivoasan-kevitra ataon’ ny olona; tonga aho hampiseho amin’ ny fomba feno sy mazava izay rehetra maizimaizina na manjavozavo tao; tonga aho hanambara ny tena maha-zava-dehibe marina ny andininy tsirairay amin’ izany, hampiseho ny lavany sy ny sakany, ny fivelarana manontolon’ ny didy tsirairay voarakitra ao, hampiseho ny haavony sy ny halaliny, ny fahadiovany sy ny toetrany ara-panahy tsy tratry ny saina eo amin’ ny sampany rehetra.Wesley, toriteny 25. HM 271.2
Nambaran’ i Wesley ny fifandrindrana tonga lafatra eo amin’ ny lalàna sy ny Filazantsara. «Koa amin’ izany ary dia misy ny fifan-draisana akaiky indrindra azo heverina amin’ ny lalàna sy ny Filazan-tsara. Etsy an-daniny ny lalàna dia manoka-dalana ho eo amin’ ny Filazantsara sy mitarika antsika hankeo aminy; eo an-kilany ny Filazantsara dia mitarika antsika ho amin’ ny fanatanterahana bebe kokoa ny lalàna. Ohatra ny lalàna dia mangataka antsika ho tia an’ Andriamanitra, ho tia ny namantsika, ho malemy fanahy, hanetry tena, na ho masina. Tsapantsika fa tsy mahavita ireo zavatra ireo isika; eny, tsy hain’ ny olona izany»; nefa hitantsika ny teny fìkasan’ Andriamanitra hanome antsika io fitiavana io, ary hahatonga antsika hanetry tena, ho malemy fanahy, sy ho masina; fikirintsika io Filazantsara io, ireo vaovao mahafaly ireo. Tanterahina ho antsika araka ny fmoantsika izany ; ary tanteraka eo amintsika «ny fahamarinana ilain’ ny lalàna», amin’ ny aialan’ ny finoana izay ao amin’ i Kristy Jesosy . . . HM 271.3
Ny loha laharana indrindra amin’ ireo fahavalon’ ny Filazantsaran’ i Kristy, hoy Wesley, dia ireo izay «mitsara ny lalàna» ankarihary sy mivantana sy «miteny ratsy ny lalàna» ; izay mampianatra ny olona handika (ny handrava, ny hanamaivana, ny hamaha ny tsy maintsy hankatoavana azy) ny anankiray fotsiny ihany, na ny kely indrindra na ny lehibe indrindra, fa ny didy rehetra indray akapoka... Ny tena mahagaga indrindra amin’ ireo toe-javatra hita eo amin’ io fitaka lehibe io, dia izao: izay mitolo-batana ho amin’ izany, dia tena mino marina izy fa manome voninahitra an’ i Kristy amin’ ny fandrodanany ny lalàny, ary mino izy fa manandratra ny asany amin’ ny fanapotehany ny fampianarany! Eny, manome voninahitra Azy izy ireo tahaka ny nataon’ i Jodasy fony izy niteny hoe: «Finaritra, Raby ò, dia nanoroka Azy izy». Ary mety koa ny hilazany amin’ ny tsirairay amin’ izy ireo hoe: «Fanorohana va no hamadihanao ny Zanak’ olona?» Tsy hafa noho ny mamadika Azy amin’ ny oroka ny miteny momba ny rany, nefa manala ny satroboninahiny; ny manamaivana ny sasany amin’ ny lalàny, nefa mihambo hampandroso ny Filazantsarany. Ary mazava fa tsy afaka amin’ io fiampangana io, na iza na iza mitory ny amin’ ny finoana ka manamaivana na amin’ ny fomba mivantana na tsy mivantana ny momba ny fankatoavana : izany hoe izay mitory an’ i Kristy, ka manafoana na manalefaka, amin ny alalan’ izany, na amin’ ny fomba inona na amin’ ny fomba inona. ny kely indrindra amin’ ny didin’ Andriamanitra». —Ibid. HM 272.1
Ireo izay mitompo fa ny fitoriana ny Filazantsara dia mahafeno ny zavatra rehetra kendren’ ny lalàna dia novalian’ i Wesley hoe : «Lavinay tanteraka izany. Tsy mahafeno na dia ny voalohany indrindra amin’ ny zava-kendren’ ny lalàna aza izany, izany hoe ny hampiaiky ny olona ny fahotany, ny hampifoha an’ ireo izay mbola sondrian-tory eo am-baravaran’ ny helo. Hoy ny Apostoly Paoly: «nv lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ ny ota»; ary raha tsy resy lahatra ny amin’ ny fahotany ny olona, dia tsy ho tsapany ny ilàny ny ran’ i Kristy manavotra. . . «Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody fa ny marary», araka ny fanamarihana nataon’ ny Tompo mihitsy. Hadalana, noho izany, ny mitondra mpitsabo ho an’ ny olona salama, na ho an’ izay mihevitra ny tenany ho toy izany. Tsy maintsy resy lahatra izy aloha fa marary; raha tsy izany dia tsy hisaotra anao amin’ izay ataonao ho azy izy. Hadalana toy izany koa ny manolotra an’ i Kristy ho an’ izay manana fo salama tsy mbola torotoro na oviana na oviana»Ibid, toriteny 35. HM 272.2
Hita araka izany fa rehefa nitory ny Filazantsaran’ ny fahasoavan’ Andriamanitra i Wesley, dia nitady izay «hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra azy koa», toy ny nataon’ ny Tompony. Nohefainy tamim-pahatokiana ny asa nomen’ Andriamanitra azy ataony, ka be voninahitra ny vokatra navela ho hitany. Tamin’ ny fiafaran’ ny fiainany izay nahatratra valopolo taona — dimampolo taona mahery tamin’ ireo nanaovany ny raharahan’ ny mpitandrina nifindrafindra toerana — dia nihoatra ny fanahy antsasaky ny tapitrisa no niaiky fa mpanaraka azy. Nefa ny vahoaka marobe izay voasandratra niala tamin’ ny fahalevonana sy ny fanimbana vokatry ny fahotana ho amin’ ny fiainana ambony sy madio kokoa noho ny asa nataony, ary ny isan’ ireo izay tonga tamin’ ny fanandramana lalina sy sarobidy kokoa noho ny fampianarany, dia tsy ho fantatra mihitsy raha tsy tafavory ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra ny fianakavian’ ny voavotra manontolo. Manome lesona sarobidy loatra ho an’ ny kristiana tsirairay ny fiainany. Enga anie, ho hita taratra ao amin’ ireo fiangonana ankehitriny ny finoana sy ny fanetren-tena, ny hafanam-po tsy mety sasatra, ny fahafoizan-tena sy ny fitiavambavak’ ity mpanompon’ i Kristy ity! HM 273.1