Mpamboly sady mpiompy iray, lehilahy marina, mahitsy fo izay efa voatarika hisalasala ny maha avy amin’ Andriamanitra ny Soratra Masina, nefa naniry tokoa ny hahalala ny fahamarinana, io no nofidin’ Andriamanitra manokana mba hitarika ny fitoriana ny fiavian’ i Kristy fanindroany. Tahaka ny mpanavao fivavahana maro, dia nitolona tamin’ ny fahantrana koa i William Miller tamin’ ny fiandohan’ ny fiainany ka tamin’ izany no nianarany lesona lehibe momba ny faherezana sy ny fandavan-tena. Ny fianakaviana izay niaviany dia niavaka indrindra tamin’ ny toe-tsaina tsy miankin-doha amin’ ny hafa, tia fahafahana, mahay miari-pery sy nanana fitiavantanindrazana miredareda toetra izay nivoitra indrindra koa teo amin’ ny toetra amam-panahiny. Kapiteny tao amin’ ny tafiky ny Tolom-piavotana rainy, ary ny fandavan-tena nasehony nandritra ny ady sy ny fahoriana nozakainy tamin’ io vanim-potoana feno hotakotaka io no azo anazavana ny fahasahiranana nahazo an’ i Miller teo amin’ ny voalohandohany. HM 331.1
Salama vatana izy, ary na dia teo amin’ ny fahazazany aza dia hita mazava fa nanana hery ara-tsaina nihoatra noho ny fahita. Mainka nisoritra mazava kokoa izany rehefa nandroso ho lehibe izy. Nanana saina navitrika sy tsara fivelatra izy, ary nangetaheta fahalalana aoka izany. Na dia tsy nahazo tombon-tsoa tamin’ ny fanabeazan’ ny Sekoly ambony aza izy, dia -nahatonga azy ho lehilahy mahay mandanjalanja sy mahataka-javatra ny fitiavany fianarana sy ny fahazarana mandinika tsara ary ny jerikiana akaiky dia akaiky fanaony. Tsy nisy ho kianina ny fitondrantenany ary naha-te-hanana ny lazany ary nankasitrahana indrindra ny fahamarinan’ ny toetrany, ny fahaizany mitsitsy sy ny fahalalahan-tanany. Vetivety izy dia nahavita zavatra noho ny faherezany sy ny fikirizany, kanefa dia notazoniny ihany ny fahazarana nianatra. Nitana toerana samihafa teo amin’ ny fanjakana sy teo amin’ ny tafika izy ary nankasitrahana tamin’ izany. koa dia nidanadana teo anatrehany ny lalana ho amin’ ny harena sy ny voninahitra. HM 331.2
Vehivavy nanana fitiavam-bavaka matotra reniny, ka fony fahazaza dia efa latsaka lalina tao am-pon’ i Miller ny momba ny fiva-vahana. Rehefa niakatra ho amin’ ny fahalehibeazana anefa izy dia tafaharo tamin’ ny deista*deista : olona mino fa misy An dr iamanitra kanefa tsy mino fa nisy hafatra nomeny. ; ary noho ry zareo olom-pirenena nahafatra-po ny ankamaroany sady antra namana no nalala-tanana dia mainka nandaitra mafy taminy ny fifaneraserana tamin’ izy ireo. Noho izy ireo nonina teo anivon’ ny toerana nisy sokajin-draharaha kristiana, dia azo lazaina fa voavolavolan’ ny manodidina azy ny toetra amam-panahiny. Ny fahambonian-toetra izay nahatonga azy ireo ho heni-kaja sady natokisana dia avy tamin’ ny Baiboly no nahazoany azy ; nanjary simba anefa ireo fanomezana tsara ireo ka voavily ho amin’ ny fanoherana ny tenin’ Andriamanitra. Voatarika hanana ny fomba fisainan’ izy ireo i Miller tamin’ ny fiarahany taminy. Nisy olana izay toa tsy hay vahana no fijeriny azy tamin’ ny fanazavana mahazatra ny Soratra Masina ; nefa koa ilay finoany vaovao izay nitsipaka ny Baiboly dia tsy nitondra na inona na inona tsaratsara kokoa ho solon’ izany, koa dia tsy mbola afa-po velively izy. Na izany aza, dia notanany ihany izany fomba fisaina deista izany nandritra ny roa ambinifolo taona. Fony izy efatra ambinitelopolo taona anefa dia voatsapany lalina tao am-pony noho ny asan’ ny Fanahy Masina ny maha-mpanota azy. Tsy nahita antoka tao amin’ ny finoany voalohany momba ny fahasambarana any an-koatry ny fasana izy. Maizina sady nanjombona ny ho avy. Izao no nolazainy taty aoriana mikasika ny fihetseham-pony tamin’ izany : HM 332.1
«Nampangatsiaka sy nahangoly ny mieritreritra izany hoe fahafoanana tanteraka, ary izany fampamoahana farany izany dia fahafonganana azo antoka ho an’ ny rehetra. Tahaka ny varahina ny lanitra teo ambony lohako, ary ny tany dia tahaka ny vy teo ambany tongotro. Ny mandrakizay . . . inona izany ? Ary ny fahafatesana . . . nahoana no misy izany ? Arakaraka ny namakafakako izany no nahalavitra ny fanazavana. Arakaraka ny nieritreretako no niparitahan’ ny fehin-kevitra. Niezaka ny tsy hieritreritra aho, nefa tsy voafehiko ny eritreritro. Tena olo-maliantra no fahatsapako ny tenako, nefa tsy fantatro izay antony. Nimonomonona sy nitariana aho anefa tsy fantatro izay nanaovako izany. Fantatro fa nisy zavatra diso, nefa tsy fantatro izay fomba na izay toerana ahitana ny marina. Nalahelo aho sady tsy nanana fanantenana». HM 332.2
Nitohy ihany izany nandritra ny volana vitsivitsy. «Tsitapitapitr’ izay, hoy izy, dia voasoritra velona tao an-tsaiko ny toetra amampanahin’ ny Mpamonjy. Mby tao an-tsaiko fa misy Anankiray any izay tsara fanahy sady feno fangorahana indrindra ka Izy tenany mihitsy no hanao fanavotana noho ny fandikantsika ny lalàna ary amin’ izany no hamonjeny antsika ho afaka amin’ ny fahoriana sazin’ ny fahotana. Tsapako avy hatrany fa ho maha-te-ho-tia tokoa Izy izany, ary noheveriko fa ho azoko atao ny hiantoraka eo an-tsandriny, ka hitoky amin’ ny famindrampon’ ny olona toy izany. Nipetraka anefa ny fanontaniana : Ahoana no hanaporofoana fa misy tokoa lo Anankiray lo ? — Ivelan’ ny Baiboly, dia hitako fa tsy nety hisy famantarana mazava ny fisian’ ny Mpamonjy toy izany, na izay mbola ho fisian’ ny fiainana ho avy — . HM 333.1
»Hitako fa mampiseho Mpamonjy araka izay nilaiko indrindra ny Baiboly ary nahavery hevitra ally ny hoe boky tsy avy amin’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra io, kanefa hamelabelatra foto-kevitra mifanaraka tanteraka amin’ izay ilain’ izao tontolo izao efa lavo. Voatery niaiky aho fa tsy maintsy fanambarana avy amin’ Andria-manitra ny Soratra Masina. Nanjary fahafinaretana ho ally izany ; ary nahita sakaiza tao amin’ i Jesosy aho. Ny Mpamonjy Ilay notsongaina tamin’ ny alinalina ho ahy dia tonga ; ary ny Soratra Masina izay maizina sy nifanohitra no fijeriko azy teo aloha dia nanjary fanilon’ ny tongotro sy fanazavana ny lalako ankehitriny. Tafatoetra sy afa-po ny saiko. Hitako fa Vatolampy eo anivon’ ny ranomasimben’ ny fiainana ny Tompo Andriamanitra. Ankehitriny dia ny Baiboly izao no nanjary anton’ ny fandinihako lehibe indrindra ary azoko lazaina marina, fa amim-pahafinaretana be no ianarako izany. Hitako fa be dia be no mbola tsy nambara tamiko na oviana na oviana. Nahagaga ahy ny tsy nahitako teo aloha ny hakantony sy ny voninahiny, ary nahazendana ahy ny nahafahako nitsipaka izany teo aloha. Hitako fa izay rehetra nety nirin’ ny foko dia voaseho tao avokoa, ary koa ny fanafody fanasitranana ny aretina rehetra mety hamely ny fanahy. Tsy nahita tsirony intsony tamin» ny vakiteny hafa aho, ary nametraka ny foko hikatsaka fahendrena avy amin’ Andriamanitra». — S. Bliss,Memoirs of Wm Millerpp.65-67. HM 333.2
Naneho ampahibemaso ny finoany ny fivavahana izay efa nohamavoiny i Miller. Tsy nitaredretra anefa ireo tsy mpino niarahany teo aloha nampiasa ireo fonjan-kevitra rehetra izay nampiasain’ ny tenany hoenti-manohitra ny fahefan’ ny Soratra Masina ho avy amin’ Andriamanitra. Tsy vonona ny hamaly azy ireo izy tamin’ izay; nefa noheveriny fa raha fanambarana avy amin’ Andriamanitra ny Baiboly, dia tsy maintsy hifanaraka amin’ ny fahatakarany. Tapakevitra ny handinika ny Soratra Masina ho an’ ny tenany izy, ary hamotopototra raha azo ampifandrindraina izay rehetra toa mifanohitra ao. Niezaka hitsipaka ny hevitra rehetra nibahana rahateo tao an-tsainy izy, ary navelany ireo boky atao hoe hevi-teny, dia nampitahainy tamin’ ny Soratra Masina ihany ny Soratra Masina tamin’ ny alalan’ ny fanoroana toko sy andininy mitovitovy hevitra sy ny Konkordansa. Notohizany tamin’ ny fomba mirindra sy nanaradrafitra tsara ny fianarany ny Soratra Masina, natombony tamin’ ny Genesisy, dia novakiny isan’ andininy, ka tsy nandroso izy raha tsy efa tsy nisy nanelingelina azy intsony ny hevitr’ ireo andininy maro rehetra nivelatra teo anatrehany. Rehefa misy zavatra maizimaizina, dia fombany ny mampitaha izany amin’ ny andininy hafa izay toa misy fifandraisana amin’ ny fotopototry ny zavatra dinihiny. Samy navelany hanana ny dikany mifanitsy amin’ ny lohahevitra velarina ny teny tsirairay, ary raha mifandrindra amin’ ny andininy hafa rehetra mikasika io lohahevitra io ny fandraisany azy, dia tsy olana intsony izany. Koa isaky ny sehatra toko sy andininy izay sarotra aminy ny mahatakatra ny heviny izy, dia mahita fanazavana izany ao amin’ ny faritra hafa ao amin’ ny Soratra Masina. Rehefa nandinika ny Soratra Masina tamim-pivavahana mafana izy mba hahazo fanazavana avy amin’ Andriamanitra, dia nanjary nazava izay toa maizina tamin’ ny sainy teo aloha. Niainany ny fahamarinan’ ny tenin’ ny mpanao Salamo hoe: «Mahazava ny fanroahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an’ ny kely saina».1Sal.119:130 HM 334.1
Nahaliana azy fatratra ny fandinihana ny bokin’ i Daniela sy ny Apokalypsy. ka ny foto-kevitra nentiny nanazava ireo fitsipika narahiny tamin’ izany dia izay efa nampiasainy tamin’ ny tenin’ ny Soratra Masina hafa, ary naha-dibo-kafaliana azy ny nahita fa mety ho azo ny hevitr’ ireo tandindona ao amin’ ny faminaniana. Hitany koa fa ireo faminaniana efa tanteraka dia ara-bakiteny no nahatanterahany; hitany fa ireo sary ohatra sy fanoharana ary fampitahana samihafa, dia voazava na amin’ ny alalan’ ny teny ifandraisany eo akaiky eo, na voafaritry ny toko sy andininy hafa ny teny nentina nanambara izany ka rehefa voazava arak’ izany izy ireo, dia tokony horaisina ara-bakiteny ny dikany. «Noho izany», hoy izy, «dia afa-po aho nahafantatra, fa ny Baiboly dia firafetan’ ireo fahamarinana nambara, izay nomena tamin’ ny fomba mazava sy tsotra indrindra ka ny mpivahiny, na dia kely saina aza, dia tsy mety ho diso lalana ao» Bliss, p. 70. Namaly soa ny fiezahany ny fahitana miandalana ireo masomasony mifampitohy amin’ ny rojon’ ny fahamarinana raha nanaraka tsikelikely ireo faritra vaventy izoran’ ny faminaniana izy. Nisy anjelin’ ny lanitra nitarika ny sainy sy nanokatra ny Soratra Masina mba ho azony. HM 334.2
Noraisiny ny fomba nahatanterahan’ ny faminaniana efa lasa ho fisedrana enti-maminavina ny ho fahatanterahan’ ireo mbola ho avy, ka afa-po izy nahita fa tsy tohanan’ ny tenin’ Andriamanitra ilay fomba fijery be mpanaraka momba ny fanjakan’ i Kristy ara-panahy dia ny hoe arivo taona hanjakany alohan’ ny fiafaran’ izao tontolo izao. — Io fampianarana io izay nanondro arivo taona hanjakan’ ny fahamarinana sy ny fiadanana alohan’ ny fiavian’ ny Tompo, dia nampanalavitra ny horohoro momba ny andron’ Andriamanitra. Na dia nahafinaritra aza izany fampianarana izany, dia mifanohitra amin’ ny fampianaran’ i Kristy sy ny Apostoly izay nilaza fa hiaramaniry ny vary sy ny tsimparifary hatramin’ ny fijinjana, dia ny faran’ izao tontolo izao; fa ny ratsy fanahy sy ny mpisoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa; fa «any am-parany any dia hisy andro mahory»; fa ny fanjakan’ ny haizina dia hitohy mandra-piavin’ ny Tompo izay handevona azy amin’ ny fofon’ ain’ ny vavany sy hahafoana azy amin’ ny fisehoan’ ny fiaviany.2Mat. 13 : 30 ; 38-41 ; 2 Tim. 3 : 13 . 1: 2 Tes.2 : 8. HM 335.1
Tsy narahin’ ny fiangonana apostolika ny fampianarana milaza fa hiova fo izao tontolo izao manontolo ary i Kristy dia hanjaka ara-panahy eran-tany. Tsy nanaiky izany ny ankabeazan’ ny Kristiana raha tsy tokony ho tamin’ ny fiandohan’ ny taonjato fahavalo ambinifolo. Tahaka ny hevi-diso rehetra, dia zava-doza no vokany. Nampianatra ny olona hitazana any amin’ ny ho avy lavitra dia lavitra any ny fiavian’ ny Tompo ary nisakana azy tsy hitandrina ireo famantarana nanambara ny fahakaikezany. Nahatonga ny olona hianoka sy hiantehitra amin’ ny fahatokisana tsy marim-pototra izany ary mitaona ny maro hanao an-tsirambina ny fiomanana nilaina mba hihaonana amin’ ny Tompony. HM 335.2
Hitan’ i Miller fa ampianarin’ ny Soratra Masina mazava tsara ny fiavian’ i Kristy ara-bakiteny, ara-batana. Hoy i Paoly : «Fany tenan’ ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ ny fiantsoana sy ny feon’ ny arikanjely ary ny trompetran’ Andriamanitra» . 3aI Tes. 4 : 16 Ary izao no nambaran’ ny Mpamonjy :«Ary hahita ny Zanak’ olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ ny rahon’ ny lanitra izy». «Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fiavian’ ny Zanak’ olona».3bMat. 24 : 30, 27 Hanotrona Azy ny tafiky ny lanitra manontolo. Ho «tonga ny Zanak’ olona amin’ ny voninahiny arahin’ ny anjely rehetra».4Mat. 25 : 31 «Ary amin’ ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin’ ireo ny olomboafidy» .5Mat. 24 : 31 HM 336.1
Hitsangana ny olo-marina efa maty ary ny marina velona hovana amin’ ny fiaviany. «Tsy hodimandry avokoa isika rehetra», hoy i Paoly, «fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana. ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana» .6I Kor. 15 : 53 ; Ary hoy izy ao amin’ ny epistiliny ho an’ ny Tesaloniana, rehefa avy nilazalaza ny amin’ ny fiavian’ ny Tompo : «Izay maty ao amin’ i Kristy no hitsangana aloha, ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ ny habakabaka ; dia ho any amin’ ny Tompo mandrakariva isika».7I Tes. 4 : 16, 17 HM 336.2
Tsy afaka handray ny fanjakana ny vahoakan’ i Kristy raha tsy aty aorian’ ny hiaviany ara-batana. Hoy ny Mpamonjy : «Ary raha tonga ny Zanak’ olona amin’ ny voninahiny, arahin’ ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ ny osy; ary hametraka ny ondry eo amin’ ny ankavanany Izy, fa ny osy eo an-kaviany. Ary amin’ izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’ ny eo ankavanany hoe : «Avia hianareo izay notahin’ ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana an’ izao tontolo izao».8Mat. 25:31 -34 Hitantsika teo amin’ ireo toko sy andininy vao nomena teo fa rehefa ho avy ny Zanak’ olona, dia hatsangana tsy ho lò intsony ny maty ary ny velona hovana. Io fiovana lehibe io no manomana azy handray ny fanjakana; fa hoy mantsy i Paoly : «Ny nofo aman-dra dia tsy mahazo mandova ny fanjakan’ Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana».9IKor. 15 : 50 Mety maty, mety lò ny olona amin’ izao toetrany izao ; fa tsy mba mety lò kosa ny fanjakan’ Andriamanitra fa maharitra mandrakizay. Noho izany ny olona amin’ izao toeny izao dia tsy mahazo miditra ny fanjakan’ Andriamanitra. Rehefa ho avy anefa i Jesosy, dia hatafiny ny vahoakany ny tsi-fahalovana; ary amin’ izay dia hiantso azy handova tokoa ny fanjakana Izy; fa mandra-pahatongan’ izany dia hantsoina ho mpandova fotsiny ireo. HM 336.3
Ireo toko sy andininy ireo sy ny hafa koa dia nanaporofo mazava tamin’ ny sain’ i Miller fa manaraka ny fiavian’ i Kristy fanindroany ireo toe-javatra izay noheverin’ ny besinimaro fa hialoha ny fiavian’ i Kristy, tahaka ny fanjakan’ ny fiadanana manerana an’ izao rehetra izao sy ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra ety an-tany. Ankoatr’ izany, ireo famantarana rehetra ny fotoany sy ny zavatra eto amin’ izao tontolo izao dia mifanaraka amin’ izay ambaran’ ny faminaniana ny amin’ ny andro farany. Ho vokatry ny fianaran’ i Miller ny Soratra Masina ary ny ny Soratra Masina ihany dia voatery izy niaiky fa madiva hifarana ny tantaran’ ny tany araka ny fizotrany ankehitriny. HM 337.1
«Ny porofo hafa koa izay nanaitra ny saiko», hoy izy, «dia ireo fe-potoana voatondro mazava ao amin’ ny Soratra Masina. . . Hitako fa ireo toe-javatra voambara mialoha, izay efa tanteraka tamin’ ny andro lasa, dia matetika nitranga tao anatin’ ny fotoana voafetra. Ny roapolo ambizato taona mandra-pahatongan’ ny safodrano (Genesisy 6 : 3); ny hafitoana nialoha izany, sy ny efapolo andro nisian’ ny orana voalaza mialoha (Genesisy 7 : 4); ny efajato taona nipetrahan’ ny taranak’ i Abrahama tany Egypta (Genesisy 15 : 13); ny hateloana tao amin’ ny nofin’ilay mpitondra ny kapoaky ny mpanjaka sy ny an’ ilay lehiben’ ny mpanao mofo (Genesisy 40 : 12 20); ny fito taona tamin’ i Farao (Genesisy 41 : 28 54); ny efapolo taona tany an-efitra (Nomery 32 : 13); ny mosary telo taona sy tapany (IMpanjaka 17 : 1); (Jereo Lio. 4 : 25); ny fitopolo taona fahababoana (Jeremia 25 : 11); ny fetr’ andro fiton’ i Nebokadnezara (Daniela 4:1316); ary ny fito herinandro, ny roa amby enim-polo herinandro, ny herinandro iray, mahafeno ny fitopolo herinandro natokana ho an’ ny Jiosy (Daniela 9 : 24 27), — ireo toe-javatra voafetran’ ny fe-potoana voalaza dia samy faminaniana fotsiny ihany tamin’ ny andro nanomezana azy, nefa dia tanteraka araka ny fanambarana mialoha, — Bliss, p. 74, 75. HM 337.2
Koa noho izany rehefa nandinika ny Baiboly izy ka nahita vaninandro voafaritra ara-potoana samihafa izay, araka ny fahazoany azy dia mipaka hatramin’ ny fiavian’ i Kristy fanindroany, dia tsy hainy ny tsy hihevitra fa ireo no «fotoan’ andro voatendry mialoha» izay efa nambaran’ Andriamanitra tamin’ ny mpanompony. «An’ i Jehovah Andriamanintsika ny zava-miafina», hoy Mosesy; «fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara», ary nolazain’ i Jehovah tamin’ ny mpaminany Amosa fa tsy «manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ ny mpaminany mpanompony».11Deot. 29 : 29 ; Amosa 3 : 7 Azon’ ny mpandinika ny tenin’ Andriamanitra atao izany ny manantena amim-pahatokiana ny hahita ny toe-javatra mahatalanjona indrindra hiseho ao amin’ ny tantaran’ ny olombelona voatondro mazava tsara ao amin’ ny fahamarinan’ ny Soratra Masina. HM 338.1
«Satria resy lahatra tanteraka aho», hoy i Miller, «fa ny teny rehetra avy amin’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra dia mahasoa» ;122 Tim. 3 : 16«fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ ny sitrapon’ ny olona tany aloha rehetra fa avy tamin’ Andriamanitra no nitenenan’ ny olona araka izay nitondran’ ny Fanahy Masina azy»132Pet. 1 : 21, ary «nosoratana ho fianarantsika hananantsika fanantenana amin’ ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ ny Soratra Masina»14Rom. 1 5 : 4, dia tsy haiko ny tsy hihevitra fa ireo tamin’ ny Baiboly mamaritra fotoana dia anisan’ ny tenin’ Andriamanitra koa, ary natao ho dinihintsika akaiky tahaka ny fizarana hafa rehetra ao amin’ ny Soratra Masina. Noho izany, dia tsapako fa raha niezaka ny hahazo ny hevitr’ izay hitan’ Andria-manitra, noho ny famindrampony, fa azony ambara amintsika aho, dia tsy azoko natao ny nandingana ireo fe-potoana ara-paminaniana». — Bliss, p. 75. HM 338.2
Ny faminaniana izay toa manambara mazava indrindra ny fotoanan’ ny fiverenan’ i Kristy fanindroany dia ny ao amin’ ny Daniela 8 : 14. «Telon-jato sy roa arivo andro;ary rehefa afaka izany dia amin’ izay vao hodiovina ny fitoerana masina».15Dan.8:14 Noho ny fanarahany ny fitsipika manao ny Soratra Masina ho mpanazava ny Soratra Masina ihany dia hitan’ i Miller fa ny iray andro aratandindona ao amin’ ny faminaniana dia mampiseho taona iray;16 Nom. 14 : 34 ; Ezek.4:6 hitany koa fa ny fe-potoana 2300 andro ara-paminaniana, na taona ara-bakiteny, dia tafahoatra lavitra ny fiafaran’ ny fotoana natokana ho an’ ny Jiosy, koa dia tsy azo ampiharina amin’ ny fitoerana masin’ ny Jiosy io fotoana io. Neken’ i Miller ny fomba fijerin’ ny besinimaro izay nihevitra fa amin’ ny andro Kristiana dia ny tany no fitoerana masina, noho izany dia noraisiny ho fanadiovana ny tany amin’ ny afo amin’ ny fiavian’ i Kristy fanindroany ny fanadiovana ny fitoerana masina nambara mialoha ao amin’ ny Dan. 8 : 14. Koa raha mety ho hita izany ny fotoana marina hiaingan’ ny 2300 andro, araka ny hevitr’ i Miller, dia ho azo fantarina mora foana koa ny fotoana marina hiavian’ i Kristy fanindroany. Noho izany dia ho voaseho ny fotoana hisian’ ilay fahatanterahana lehibe, ny fotoana izay «hamarana ny toe-javatra ankehitriny miaraka amin’ ny avonavony sy ny heriny rehetra, ny rendrarendrany sy ny maha-zava-poana azy, ny faharatsiany sy ny fampahoriana ataony»; «izay hanaisotra amin’ ny tany ny ozona, ka ny fahafatesana ho levonina, ny valisoa homena ny mpanompon’ Andriamanitra, ny mpaminany sy ny olona masina. dia ireo izay matahotra ny anarany, fa hosimbana kosa izay manimba ny tany». — Bliss, p. 76. HM 338.3
Nihavao sy nihamafana ny risi-pon’ i Miller nanohy ny fandinihany ny faminaniana, alina manontolo sy andro manontolo maro no natokany handinihana izay tsinjony izao fa zava-dehibe mahatalanjona sy mahaliana ary mahavariana fatratra. Tsy nahita fanazavana momba ny fiantombohan’ ny 2300 andro izy tao amin’ ny toko fahavalon’ ny Daniela; fanazavana tapany fotsiny no nomen’ ny anjely Gabriela, na dia nahazo baiko hampahalala ny fahitana an’ i Daniela aza izy. Rehefa novelarina teo amin’ ny fahitana nomena ilay mpaminany ny fanenjehana mahatsiravina hianjady amin’ ny fiango-nana, dia tsy nahazaka ny heriny ara-batana. Tsy nahatanty mihoatra noho izany intsony izy, ka dia nilaozan’ ny anjely aloha. Torana i Daniela «ka nandraiky narary andro vitsivitsy». «Ary gaga aho ny amin’ ny fahitana, nefa tsy nisy nahafantatra izany», hoy izy. HM 339.1
Efa voabaikon’ Andriamanitra anefa ny irany hoe : «Ampahalalao ny fahitana ity lehilahy ity». Tsy maintsy tanteraka io baiko io. Ho fanatanterahana izany, dia niverina nankeo amin’ i Daniela ilay anjely taty aoriana, ka nanao taminy hoe : «Avy hampahazava saina anao aho» «koa diniho ny teny, ary aoka ho fantatrao ny fahitana».17Dan. 8 : 27 , 16 ; 9 : 22 , 23 , 25 , 27 Nisy zava-dehibe tsy voazava tao amin’ ny fahitana amin’ ny toko fahavalo, dia ny mikasika indrindra ny fotoana izany ny 2300 andro; noho izany dia nanantitrantitra manokana mikasika ny fotoana ny anjely, raha nanohy ny fanazavany. HM 339.2
«Fitopolo herinandro no voatendry ho an’ ny firenenao sy ny tanànanao masina. . . Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ ny hivoahan’ ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’ i Jerosalema ka hatramin’ ny Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa ambinienimpolo herinandro; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin’ izay andro mampahory. Ary rehefa afaka ny roa ambinienimpolo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana... Ary hanorina fanekena ho herinandro amin’ ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hafa hatramin’ ny antsasaky ny herinandro». HM 340.1
Nirahina hankeo amin’ i Daniela ny anjely noho ny antony voafaritra tsara dia ny hanazavana aminy izay tsy azony tao amin’ ny fahitana ao amin’ ny toko fahavalo, dia ny amin’ ny filazana mikasika ny fotoana — «Telonjato sy roa arivo andro; ary rehefa afaka izany dia hodiovina ny fitoerana masina». Rehefa nibaiko an’ i Daniela izy hoe: «diniho ny teny ary aoka ho fantatrao ny fahitana», dia izao no teny voalohany nataon’ ny anjely : «Fitopolo herinandro no voatendry ho an’ ny firenenao sy ny tanànanao masina». Ny teny hoe «voatendry» eto dia «nalana» no tena dikany. Ny fitopolo herinandro izay mampiseho 490 taona, dia lazain’ ny anjely fa nalana satria voatokana ho an’ ny Jiosy. Nefa alàna amin’ ny inona? Satria ny 2300 andro ihany no fe-potoana voalaza ao amin’ ny toko faha-8, dia tsy maintsy io izany no hanalàna ny fitopolo herinandro; noho izany dia tsy maintsy anisan’ ny 2300 andro ny fitopolo herinandro ary tsy maintsy miara-manomboka izy ireo. Nolazain’ ny anjely fa manomboka amin’ ny andro hivoahan’ ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’ i Jerosalema ny fitopolo herinandro. Raha mety ho hita ny datin’ io didy io, dia ho azo antoka ny fiantombohan’ ilay fe-potoana lehibe, dia ny 2300 andro. HM 340.2
Hita ao amin’ ny toko fahafito ao amin’ i Ezra io didy io. Ny andininy 12-26. I Artaksersesy, Mpanjakan’ i Persia no namoaka izany tamin’ ny fahafenoany rehetra tamin’ ny 457 BC.*Ampiana hoe «BC» (talohan’ Kristy) ireo taona talohan’ ny nahaterahan’ i Kristy ary isalna mijotso (miverina ny fanisa azy) mandra-pahatonga amin’ ny taona nahaterahan’ i Kristy Ao amin’ i Ezra 6 : 14 anefa dia voalaza fa natao ny tranon’ i Jehovah tany Jerosalema «araka ny didin’ i Kyrosy sy Dariosa ary Artaksersesy mpanjakan’ i Persia». Ireo mpanjaka telo ireo, izay niavian’ ilay didy dia namoaka, nanamafy ary nanampy azy ho feno, dia nahatanteraka io didy io araka izay nilain’ ny faminaniana hanamarika ny fiantombohan’ ny 2300 taona. Raha raisina ny taona 457-BC, dia ny taona nahafeno ny didy, ho daty nivoahany, dia hita fa tanteraka avokoa ny antsipiriany rehetra lazain’ ny faminaniana. HM 340.3
«Hatramin’ ny hivoahan’ ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’ i Jerosalema ka hatramin’ ny Mesia Andriana dia ho fitopolo herinandro sy roa amby enimpolo herinandro», — — na 483 taona. Nampiharina tamin’ ny fararanon’ ny taona 457 BC ny didin’ i Artaksersesy. Raha isaina manomboka amin’ io vanin’ andro io ny 483 taona dia mipaka amin’ ny fararanon’ ny taona AD 27*Ny taona atý aorian’ ny nahaterahan’ i Jesosy kosa dia ampiana hoe « AD», ary isaina manonga (manisa mandroso) manomboka amin’ io. (Jereo Fanampiny). Ity faminaniana ity dia tanteraka tamin’ io fotoana io indrindra. Ny teny hoe «Mesia» dia «Ilay Voahosotra» no dikany. Tamin’ ny lohataonan’ ny AD 27 dia nataon’ i Jaona batisa i Kristy ka nandray ny fanosoran’ ny Fanahy. Ambaran’ ny apostoly marimarina «ny amin’ i Jesosy avy any Nazareta izay nohosoran’ Andriamanitra tamin’ ny Fanahy Masina sy ny hery»18Asa 10:38 Ary ny Mpamonjy mihitsy no nilaza hoe : «Ny Fanahin’ i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny malahelo Izy».19Lio. 4:18 Rehefa vita batisa Izy dia nankany Galilia, «nitory ny filazantsaran’ Andriamanitra ka nanao hoe : Efa tonga ny fotoana».20Marka 1 : 14, 15 HM 341.1
«Ary hanorina fanekena ho herinandro amin’ ny maro Izy». Io herinandro voalaza eto io no farany amin’ ny fitopolo; ireo no fito taona farany nomena manokana ho an’ ny Jiosy. Nandritra izany fotoana izany, hatramin’ ny AD 27 ka hatramin’ ny AD 34, dia nalefan’ i Kristy tenany mihitsy aloha, ary taty aoriana tamin’ ny alalan’ ny mpianany, ho an’ ny Jiosy manokana ny fiantsoan’ ny filazantsara. Raha naniraka ny apostoly hitondra ny vaovao mahafalin’ ny fanjakany ny Mpamonjy, dia izao no toro-marika nomeny: «Aza mandeha any amin’ ny làlan’ ny jentilisa ary aza miakatra amin’ izay làlan’ ny Samaritana, fa aleo mankany amin’ ny ondry very amin’ ny taranak’ Isiraely».21Mat. 10 : 5, 6 HM 341.2
«Ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hafa hatramin’ ny antsasaky ny herinandro izy». Tamin’ ny taona AD 31, telo taona sy tapany taty aorian’ ny batisany, dia nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana ny Tompontsika. Nifarana tamin’ ilay fanatitra lehibe tao Kalvary ny fombam-pivavahana nisy fanatitra izay nanondro mialoha ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra nandritra ny efatra arivo taona. Nihaona ny tandindona sy ny tena izy, ary nitsahatra hatramin’ io ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hafa rehetra tao, araka ny rafitry ny fanompoam-pivavahana tandindona tamin’ izay. HM 342.1
Ny fitopolo herinandro, na ny 490 taona nomena manokana ho an’ ny Jiosy, dia nifarana tamin’ ny AD 34 araka ny efa hitantsika. Tamin’ io fotoana io, noho ny fanapahan-kevitra nataon’ ny Synedriona Jiosy, dia nanisy tombo-kase ny fandavany ny filazantsara tamin’ ny namonoany an’ i Stefana ho maritiora sy tamin’ ny nanenjehany ny mpanaraka an’ i Kristy ny firenena jiosy. Nanomboka hatreo dia tsy noferana ho an’ ilay vahoaka voafidy intsony ny hafatry ny famonjena fa nomena ho an’ izao tontolo izao. Voatery nandositra niala an’ i Jerosalema ny mpianatra «ka nandeha nitory teny tontolo eny». «Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an’ i Kristy tamin’ ny olona tao». Notarihin’ Andriamanitra i Petera, ka namelabelatra ny filazantsara tamin’ ilay kapiteny tao Kaisaria, dia i Kornelio izay natahotra an’ Andria-manitra; ary Paoly ilay nafana fo, izay azo ho amin’ ny finoana an’ i Kristy, dia nirahina hitondra ny vaovao mahafaly «handeha lavitra any amin’ ny jentilisa».22Asa 8 : 4, 5 ; 22 : 21 HM 342.2
Hita tamin’ izany fa tanteraka tamin’ ny fomba mahatalanjona ny antsipiriany rehetra ao amin’ ny faminaniana, ka tsy misy iadiankevitra intsony fa fiantombohan’ ny fitopolo herinandro ny 457 BC, ary fiafarany ny AD 34. Hatreo amin’ io taona io dia tsy misy manahirana ny fahitana ny fiafaran’ ny 2300 andro. Raha alàna amin’ ny 2300 taona ny fitopolo herinandro — 490 andro izany — dia 1810 andro no sisa. Tamin’ ny fiafaran’ ny 490 andro, dia mbola nisy 1810 andro hotanterahina. Raha raisina amin’ ny AD 34 ny 1810 taona dia mipaka amin’ ny 1844. Noho izany dia miafara amin’ ny 1844 ny 2300 andron’ ny Daniela 8 : 14. Amin’ ny fahataperan’ io fe-potoana voalazan’ io fotoam-paminaniana lehibe io, araka ny tenin’ ny anjelin’ Andriamanitra, «dia hodiovina ny fitoerana masina». Toy izany no nanondroana mazava ny fotoana fanadiovana ny fitoerana masina izay saiky ninoan’ ny rehetra fa hatao amin’ ny fotoana fiavian’ i Jesosy fanindroany. HM 342.3
Ninoan’ i Miller sy ireo niaraka taminy tamin’ ny voalohany fa hiafara amin’ ny fararanon’ ny 1844 ny 2300 andro, kanefa manondro ny fararanon’ io taona io ny faminaniana. Diso ny fandraisany an’ io ka nahatonga fahadisoam-panantenana sy fahaverezan-kevitra tamin’ ireo izay efa nametra ilay vanin’ andro voalohany ho fotoana hahatongavan’ ny Tompo izany. Izany anefa tsy mampihena na dia kely aza ny lanjan’ ny fonjan-kevitra fa miafara amin’ ny taona 1844 ny 2300 andro, ary tsy maintsy tanteraka ilay toe-javatra lehibe asehon’ ny fanadiovana ny fitoerana masina. HM 343.1
Raha nanomboka nandinika ny Soratra Masina araka ny nanaovany izany i Miller, mba hanaporofoany fa fanambarana avy amin’ Andriamanitra izany, dia tsy nihevitra kely akory izy tany amboalohany fa ho tonga amin’ ny fehin-kevitra ankehitriny. Na dia ny tenany aza dia zara raha nino ny vokatry ny fanadihadiana nataony. Nefa nazava sy nafonja loatra ny porofo avy amin’ ny Soratra Masina ka tsy azo navela fotsiny tamin’ izao. HM 343.2
Nandritra ny roa taona ngarangidina no efa nandinihany ny Baiboly raha latsaka tao am-pony tamin’ ny 1818 ny finoana nampieritreritra fa rehefa afaka sahabo ho dimy amby telopolo taona dia hiseho i Kristy hanavotra ny vahoakany. «Tsy ilaina ny milaza, hoy i Miller, fa diboky ny fifaliana ny foko mitazana izany toe-javatra maharavo izany, ary niredaredam-paniriana tokoa ny fanahiko handray anjara amin’ ny fifalian’ ny voavotra. Boky vaovao ho ahy izao ny Baiboly. Tena hanim-py ho an’ ny saina; izay rehetra tsy nazava, saro-pantarina, na maizimaizina tamiko ny amin’ ny fampianarany, dia efa nisava tao an-tsaiko teo anatrehan’ ny faha-zavana madio izay niposaka tamin’ izay tao amin’ ireo takila masina; ary tamin’ ny famirapiratana sy ny voninahitra no nisehoan’ ny fahamarinana ! Lasa daholo ny fifanoherana sy ny tsy firindrana hitako teo aloha tao amin’ ny teny; ary na dia nisy faritra maro aza izay tsy mbola nahafapo ahy ny fahazoako azy mazava, dia efa betsaka ny fahazavana nitosaka avy tao amin’ ny Soratra Masina nampahiratra ny saiko izay maizina teo aloha, hany ka fifaliana izay tsy nampoiziko teo aloha, fa mety horaisina avy amin’ ny fampia-narany no tsapako teo amin’ ny fandinihana ny Soratra Masina» — Bliss, p. 76, 77 HM 343.3
«Niaraka tamin’ ny finoako mahavelona eritreritra fa ho tante-raka ao anatin’ ny fotoana fohy ireo toe-javatra miezinezina voalazan’ ny Soratra Masina ireo, dia namelovelo mafy tao an-tsaiko ny fanontaniana ny amin’ ny adidiko amin’ izao tontolo izao, eo anatrehan’ ny zavatra tsy azo lavina izay efa nameno ny saiko». Ibid, p. 81. Tsy afaka tao aminy ny fahatsapana fa adidiny ny mizara amin’ ny hafa izay efa noraisiny. Nampoizinyrahateo fa hanohitra azy ny tsy mino saingy natoky kosa izy fa hifaly ny Kristiana rehetra amin’ ny fanantenana fa hihaona amin’ Ilay Mpamonjy izay lazainy fa tiany. Ny hany mampanahy azy dia sao lehibe loatra ny fifaliana amin’ ny fibanjinana ilay fahafahana be voninahitra izay kely sisa dia ho tanteraka, ka betsaka no handray ny fampianarana nefa tsy handinika tsara ny Soratra Masina ho fanehoana mazava ny fahamarinany. Noho izany dia nisalasala ny hampiseho izany izy, fandrao diso izy ka ho zary fitaovana hitarihana ny hafa amin’ ny lalan-diso. Koa dia voatarika izy hamerina hijery ireo porofo izay manohana ny fehin-kevitra izay nosintoniny, ka handinika tsara ny zava-tsarotra rehetra izay tonga tao an-tsainy. Hitany fa nisinda teo anatrehan’ ny fahazavan’ ny tenin’ Andriamanitra tahaka ny zavona eo amin’ ny tanamasoandro ireo hevitra nentina nandà izany. Nandany dimy taona izy hanaovany izany nefa dia mbola niaiky tanteraka ny mahamarina ny hevitra nijoroany ihany. HM 344.1
Koa dia nanosika azy tamin’ ny hery vaovao indray ny adidy hampahafantatra amin’ ny hafa izay ninoany fa hampianarin’ ny Soratra Masina tamin’ ny fomba mazava tokoa. « Rehefa eo am-panaovana ny asa aman-draharahako aho», hoy izy, dia naneno tsy an-kijanona tao an-tsofiko ny hoe : «Mandehana ka lazao amin’ izao tontolo izao ny loza mananontanona azy». Nanjohy azy lalandava ity teny ity hoe : «Raha hoy Izaho amin’ ny ratsy fanahy : He ! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao! nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala amin’ ny alehany, dia ho fatin’ ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny rany dia hadiniko amin’ ny tananao. Fa raha mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa ianao hiala amin’ ny lalany ratsy fa izy no tsy mety miala amin’ izany, dia ho fatin’ ny helony ihany izy, nefa voavonjinao ny ainao».23Ezek. 33 : 8 , 9 Tsapako fa raha tena anarina tokoa ny ratsy fanahy, dia maro amin’ izy ireny no hibebaka, ary raha tsy anarina izy, dia hotakina amiko ny rany». — Bliss p. 92 HM 344.2
Nanomboka nampiseho ny heviny tany an-tokantrano izy rehefa nisy fotoana nanaovany izany, ary nivavaka maty mba hisian’ ny mpitandrina hahatsapa ny herin’ ny fampianarany ka hanokan-tena hampiely azy. Nefa tsy afaka tao an-tsainy ny finoana fa nanana andraikitra manokana ny tenany amin’ ny fanomezany ny hafatra fanairana. Niverimberina foana tao an-tsainy ny teny hoe : «Mandehana ka lazao amin’ izao tontolo izao; hotakiako aminao ny rany». Niandry sivy taona izy, nefa dia mbola nanindry ny fanahiny ihany ilay enta-mavesatra, hatramin’ ny taona 1831 izay voalohany nilazany ampahibemaso ny anton’ ny finoany. HM 345.1
Tahaka ny niantsoana an’ i Elisa teo am-pandroahana ny ombiny teny an-tsaha, mba handray ny kapôty nanokana azy ho amin’ ny asan’ ny mpaminany, dia toy izany koa no niantsoana an’ i William Miller handao ny angaditarihiny ka hamelabelatra ny zava-miafin’ ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ ny vahoaka. Nangovitra izy raha nanomboka ny asany, nitarika ireo mpihaino azy niandalandalana nanaraka ny fe-potoana amin’ ny faminaniana hatramin’ ny fisehoan’ i Kristy fanindroany. Nampitombo ny hery amam-pahasahiana tao aminy ny ezaka rehetra nataony, arakaraka ny nahitany ny fitaran’ ny fahalianana vokatry ny teniny. HM 345.2
Noho ny fiangavian’ ireo rahalahiny, izay noraisiny ho feon’ Andriamanitra, no naneken’ i Miller hampiseho ny heviny ampahibe-maso. Dimampolo taona izy izao, tsy zatra miteny ampahibemaso sady nitambesaran’ ny fahatsapana fa tsy mendrika ny hanao ny asa nanoloana azy. Nefa hatramin’ ny voalohany dia voatahy tamin’ ny fomba mahagaga ny asany ho famonjena ny fanahy. Ny famelabelarana voalohany indrindra nataony dia narahin’ ny fifohazana ara-pivavahana ka tamin’ ny fianakaviana telo ambinifolo dia olona roa ihany no tsy niova fo. Nampirisihina avy hatrany izy hitory tamin’ ny toeran-kafa ary saiky tamin’ ny toerana rehetra dia fifohazan’ ny asan’ Andriamanitra no vokatry ny fiezahany. Niova fo ny mpanota, voahetsika ho amin’ ny fanoloran-tena bebe kokoa ny Kristiana, ary ny deista sy ny tsy mpino dia voatarika hanaiky ny fahamarinan’ ny Baiboly sy ny fivavahana kristiana. Izao no teny vavolombelona nataon’ ireo olona niasany : «Misy antokon’ olona azony niasana izay tsy tratry ny olon-kafa mihitsy». — Ibid, p. 138. Nokendrena hampifoha ny sain’ ny mpihaino ho amin’ ireo zavadehibe eo amin’ ny fivavahana ny toriteniny sy hisakana ny fitomboan’ ny toetra araka izao tontolo izao sy ny filan’ ny nofo tamin’ izany fotoana izany. HM 345.3
Saika isan-tanàna dia nisy olona am-polony maro, ary indraindray an-jatony no niova fo, vokatry ny toriteniny. Tao amin’ ny toerana maro dia maro, dia nidanadana nandray azy saiky ny antokom-pinoana samihafa rehetra nisy tamin’ ny fiangonana protestanta, ary ny mpitandrina avy amin’ ny fiangonana maro no matetika miantso azy. Fitsipika tsy niova noraisiny ny tsy hiasa tamin’ ny toerana izay tsy nanasana azy, nefa vetivety dia tsy azony natao ny namaly ny antsasaky ny fangatahana nitobaka teo aminy. Betsaka ireo tsy nanaiky ny heviny momba ny fotoana marina hiavian’ i Kristy fanindroany no niaiky kosa fa azo antoka sady akaiky ny fiavian’ i Kristy ka ilainy ny hiomana. Tao amin’ ny tanàn-dehibe sasantsasany dia nisy vokatra nisongadina ny asany. Nialan’ ny mpivarotra zavapisotro mahamamo ny varony ka navadiny ho trano fivoriana ny trano fivarotany; nisy trano filalaovana nakatona; ny tsy mino, ny deista, ny oniversalista*oniversalista : antokom-pinoana milaza fa amin’ ny farany dia ho vonjena avokoa ny olona rehetra ary na dia ny maloto fitondran-tena efa tena nafoy aza dia niova avokoa, ny sasany tamin’ ireo efa tsy niditra ampiangonana intsony nandritra ny taona maro. Nanao fotoampivavahana ny antokom-pinoana samihafa, tao amin’ ny faritra samihafa isan-tanàna, saiky tamin’ ny ora rehetra, ireo mpanao raharaham-barotra dia nivory tamin’ ny mitataovovonana mba hivavaka sy hidera an’ Andriamanitra. Tsy fahataitairana hafahafa fa fanajana mampieritreritra no saika hita hatraiza hatraiza teo amin’ ny sain’ ny vahoaka. Tahaka ny asan’ ireo Mpanavao fivavahana teo aloha, dia ny hampiaiky ny saina sy ny hamoha ny feon’ ny fieritreretana no asany fa tsy ny fanaitairana fotsiny ny fihetseham-po. HM 346.1
Tamin’ ny 1833 dia nahazo alalana hitoriteny avy tamin’ ny fiangonana Batista izay naha-mambra azy i Miller. Betsaka koa ireo mpitandrina iray finoana taminy no nankasitraka ny asany ka neken’ izy ireo ara-dalàna ny hanohizany izany. Tsy nitsahatra ny nitety toeran-tsamihafa sy nitoriteny izy, na dia tany Nouvelle Angleterre*New England sy tao amin’ ireo fanjakana afovoan-tany*Middle States ihany aza no niasan’ ny tenany manokana. Nandritra ny taona maro dia vola tam-paosiny ihany no niantohany ny fandaniana nataony, ary taty aoriana dia tsy mbola nahazo ny ampy mihitsy izy hoentiny mamonjy ireo toerana nanasana azy. Hita tamin’ izany fa tsy nahazoany tombony ara-bola ny asa nataony ho an’ ny besinimaro fa nitambesatra tamin’ ny fananany izay nihena niandalana nandritra io fotoana teo amin’ ny fiainany io. Raim-pianakaviana maro anaka izy, nefa satria samy tso-piaina sy nazoto niasa izy rehetra dia ampy ho azy mianakavy ny voly sy ny fiompiana nataony. HM 346.2
Tamin’ ny 1833, roa taona taty aorian’ ny nanombohan’ i Miller nampiseho ampahibemaso ny porofon’ ny fiavian’ i Kristy tsy ho ela, dia niseho ireo famantarana farany nampanantenain’ ny Mpamonjy ho antoky ny fiaviany fanindroany. Hoy Jesosy : «Ny kintana hiraraka avy any an-danitra».24Mat. 24 : 29 Ary hoy Jaona ao amin’ ny Apokalypsy raha nibanjina ny fahitana izay hialoha ny andron’ Andriamanitra : «Ary ny kintana tamin’ ny lanitra dia niraraka tamin’ ny tany, toy ny aviavy manintsana ny voany manta, raha hozongozonin’ ny rivotra mahery izy». 25Apok. 6 : 13 Tanteraka tamin’ ny fomba manaitra sy mahavariana io faminaniana io tamin’ ny firarahan’ ny tain-kintana tamin’ ny 13 Novambra 1833. lo no firarahan’ ny tain-kintana nidadasika sy nahagaga indrindra izay voarakitry ny tantara hatramin’ izay; «ny lanitra manontolo, nanerana an’ i Etazonia, dia feno kilalaon’ afo nifandrambondrambona nandritra ny ora maro! Tsy mbola nisy mihitsy fisehoan-javatra teny amin’ ny lanitra tamin’ io tany io, hatramin’ ny nahatongavan’ ireo mpihavy voalohany, izay nahatalanjona sy nahafaly indrindra ny andaniny fa nampivadi-po ny ankilany kosa teo amin’ ny mpiara-monina». Mbola voarakitra tao an-tsain’ ny maro ny hakantony tsy misy toy izany, ny hatsaran-tarehiny nefa mampangorohoro. . . Tsy mbola nisy mihitsy ora-mikija tahaka ny firaraky ny tain-kintana nanandrify ny tany;ny atsinanana, ny andrefana, ny avaratra sy ny atsimo, dia samy mitovy daholo. Raha lazaina amin’ ny teny indraim-bava dia toa nihetsika ny lanitra manontolo. . . Araka ny fitantaran’ ny Gazetin’ i Silliman mpampianatra, dia hita eran’ i Amerika avaratra izany. . . «Hatramin’ ny roa maraina ka hatramin’ ny vaky masoandro mazava tsara, ny lanitra tony tanteraka sady tsy nisy rahona, ary nisy famirapiratana nampanjambena nifamoivoy tsy an-kijanona manerana ny lanitra». — R. M. DevensAmerican Progress; or, The Great Events of the Greatest Century, toko 28, fizarana 1-5. HM 347.1
«Tsy misy teny mahalaza ny hankaton’ io fampisehoana tsy nanam-paharoa io; . . . izay tsy nahita maso dia tsy afaka naminavina marina ny voninahiny. Toa nihaona teo amin’ ny faritra iray teo afovoan’ ny lanitra ny kintana rehetra ka niara-nitsoriaka toa zanatsipika, haingana tahaka ny tselatra, namonjy ny faravodilanitra rehetra; nefa tsy nety tapitra — fa nisy arivoarivo no indreny nanjohy haingana dia haingana ny dian’ ireo arivoarivo hafa, toa noforonina ho amin’ io toe-javatra io». — F. Reed, Christian Advocate and Journal 13 December 1833. Tena nifanaraka tanteraka amin’ ilay sary mampiseho ny aviavy mandraraka ny voany rehefa tsofin’ ny rivotra mahery, ny fahitana an’ izany.«The old Country man»,ao amin’ nyPortland Evening Adviser,26 November 1833. HM 347.2
Tao amin’ ny gazety iray mpivoaka tany New-York (Journal of Commerce) tamin’ ny 14 Novambra 1833, dia nisy lahatsoratra lavabe nitantara ny amin’ io zava-mahagaga io, nakana ity filazana ity : «Heveriko fa tsy mbola nisy mihitsy olon-kendry na olo-manampahaizana nilaza fa nanoratra momba ny toe-javatra tahaka ny niseho omuly maraina. Nisy mpaminany iray nilaza izany marina valonjato sy arivo taona mialoha, raha sarotra amintsika ny hahafantatra fa ny firarahan-kintana dia midika ho kintana miraraka. . . ka ny fomba azo andraisana izany dia ny hevitra ara-bakiteny ihany». HM 348.1
Toy izany no nisehoan’ ilay famantarana farany momba ny fiavian’ i Jesosy izay nibaikoan’ i Jesosy ny mpianany hoe : «Raha vao hitanareo izany rehetra izany dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo ambaravarana Izy».26Mat.24:33 Aorian’ ireo famantarana ireo, dia nobanjin’ i Jaona ny toe-javatra lehibe avy manaraka, dia ny lanitra lasa tahaka ny taratasy voahorona, ny tany nihorohoro, ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra nifindra niala tamin’ ny fitoerany, ary ny ratsy fanahy nitady izay handosirany tsy hanatrika ny Zanak’ olona noho ny fahatahorany.27Apok.6:12-17 HM 348.2
«Maro tamin’ ireo izay nahita maso ny firarahan’ ny kintana, no nandray izany ho toy ny mpialoha lalana ny fitsarana ho avy, sary mampahatahotra, mpialoha lalana azo antoka, famantarana mitory famindrampo an’ io andro lehibe sy mampangorohoro io». —«The Old Countryman», Portland Evening Advertise 26 November 1833. Toy izany no nahavoatarika ny sain’ ny vahoaka ho amin’ ny fahatanterahan’ ny faminaniana ka maro no voataona hitandrina ny hafatra fanairana momba ny fiavian’ i Kristy fanindroany. HM 348.3
Tamin’ ny taona 1840 dia nisy fahatanterahan’ ny faminaniana mahagaga koa izay nahavariana ny maro. Roa taona talohan’ izao i Josiah Litch. anankiray tamin’ ireo mpitandrina mpitarika ny fitoriana ny fiavian’ i Kristy fanindroany, dia namoaka famelabelarana ny amin’ ny Apokalypasy faha-9, ka nanambara mialoha ny haharavan’ ny fanjakana Ottomana*Tiorka. Araka ny ady marika nataony dia hirodana io fahefana io amin’ ny «taona AD 1840, any ho any amin’ ny volana Aogositra», ary andro vitsy foana talohan’ ny fahatanterahan’ izany dia nanoratra izy hoe : «Raha ekena fa ny fe-potoana voalohany, ny 150 taona, fa tanteraka tokoa talohan’ ny niakaran’ i Deacozes teo amin’ ny seza fiandrianana, araka ny alalana nomen’ ny Tiorka azy izay manomboka amin’ ny fiafaran’ io fe-potoana voalohany io, ary ny 391 taona sy ny dimy ambinifolo andro dia hiafara amin’ ny 11 Aogositra taona 1840 izany, dia amin’ io daty io, amin’ ny fotoana anampoizana haharava ny fahefana tiorka any Constantinople. Ary mino aho, fa ho araka izany no hitranga». Josiah Litch, ao amin’ ny Signs of the Times, and Expositor of Prophecy, 1 August 1840. HM 348.4
Tamin’ ny fotoana marina voatondro, dia nanaiky ny fiarovan’ ny fivondronan’ ny fanjakana Eoropeana i Tiorka, tamin’ ny alalan’ ireo ambasadaorony, ka nametraka ny tenany ho eo ambanin’ ny fanarahamason’ ny firenena Kristiana tamin’ izany fomba izany. (Jereo Fanampiny). Rehefa fantatra izany, dia marobe ny olona nanaiky ny fahamarinan’ ny foto-kevitra nentina nanazava ny faminaniana nampiasain’ i Miller sy ireo niaraka taminy, ka nisy ainga nahavariana nampandroso ny fihetsehana momba ny fiavian’ i (Kristy). Nisy olona ambony fianarana sy ambony toerana niray tamin’ i Miller, sady nitory no namoaka ny heviny hany ka nitatra faingana ny asa hatramin’ ny 1840 ka hatramin’ ny 1844. HM 349.1
Nanana hery ara-tsaina natanjaka i Miller, izay voafehin’ ny fahaizana mandanjalanja sy ny fianarana; ary nanampy an’ izany ny fahendren’ ny lanitra tamin’ ny fifandraisany tamin’ Ilay Loharanon’ ny fahendrena. Lehilahy nanan-toetra mendrika izy, ary tsy hay ny tsy hanaja sy ny tsy ho tia azy na taiza na taiza ny toetra feno hitsim-po sy ny fitondrantena vanona nankasitrahana. Natambany tamin’ ny fahalemem-panahy ny fanetren-tena kristiana sy ny hery azo avy amin’ ny fahaizana mifehy tena ka nitsimbina ny rehetra izy sady nifandray am-po taminy, vonon-kihaino ny hevitry ny hafa sy handanjalanja ny fonjan-kevitra narosony. Tsy nentanin’ ny firehetam-po na ny fahataitairana foana izy raha nisedra ny lafinkevitra sy ny fampianarana rehetra tamin’ ny alalan’ ny tenin’ Andriamanitra, ary nahatonga azy ho afa-nitsipaka ny hevi-diso sy nampiseho ny fitaka ny fananany saina mazava sy ny fahaizany lalina ny Soratra Masina. HM 349.2
Nefa teo am-pampandrosoana ny asany dia tsy nilaozan’ ny fanoherana mafana izy. Tahaka ny tamin’ ny Mpanavao fivavahana teo aloha, dia tsy nankasitrahan’ ireo mpampianatra ara-pivavahana mamim-bahoaka ny fahamarinana nasehony. Rehefa tsy afaka miaro ny heviny amin’ ny alalan’ ny Soratra Masina ireo, dia voatery hampiasa ny teny sy ny fampianaran’ olombelona, ny lovan-tsofina napetrak’ ireo Rain’ ny fiangonana. Nefa ny tenin’ Andriamanitra no hany vavolombelona neken’ ny mpitory ny fahamarinana momba ny fiavian’ i Kristy. «Ny Baiboly, ary ny Baiboly ihany», no baikompitolomany. Nofenoin’ ireo mpanohitra azy tamin’ ny fanivaivana sy ny fanarabiana ny tsy fananany fonjan-kevitra avy amin’ ny Soratra Masina. Nampiasaina ny fotoana, ny vola sy ny talenta mba hanosoram-potaka an’ ireo izay tsy nanan-keloka hafa afa-tsy ny niandry amim-pifaliana ny fiverenan’ ny Tompony ka niezaka ho velona tamin’ ny fiainana masina sy nampirisika ny hafa hiomana ho amin’ ny fisehoany. HM 350.1
Nafana ny ezaka natao mba hisarihana ny sain’ ny olona tsy hitoetra amin’ ny fiavian’ i Kristy fanindroany. Naseho ho toy ny fahotana, ho zavatra tokony hahamenatra, ny nandinika ireo faminaniana mikasika ny fiavian’ i Kristy fanindroany sy ny fiafaran’ izao tontolo izao. Toy izany no nikikisan’ ny mpitandrina mamimbahoaka ny finoana ny tenin’ Andriamanitra. Nahatonga ny olona hiala tamin’ ny finoana izy ireo, ary betsaka no manararaotra izany mba handeha araka ny filany tsy araka an’ Andriamanitra. Tamin’ izay dia ny Advantista no nampangain’ ireo mpanao ratsy ho «rangory fototry ny afo». HM 350.2
Nahasarika olona manan-tsaina sy mpihaino liana dia liana nameno trano i Miller, nefa nahalana vao voateny tao amin’ ny gazety ara-pivavahana ny anarany raha tsy hoe natao ho fihomehezana sy fiampangana ihany. Nanjary sahisahy ireo tsy niraharaha sy tsy nanana an’ Andriamanitra noho ny fihetsiky ny mpampianatra ara-pivavahana, ka nampiasa izao teny famaritana mahamenatra rehetra izao sy vazivazy ratsy miteny ratsy an’ Andriamanitra, tamin’ ny fiezahany hampivangongo ny fanamavoana azy sy ny asany. Ilay lehilahy efa nipi-bolo izay nandao ny fiadanana tao an-tokantranony mba hiantotena hitety tanàna sy vohitra, niasa mafy tsy an-kijanona hitondra ny hafatra miezinezina momba ny fahakekezan’ ny fitsarana ho amin’ izao tontolo izao, dia nanaovana eson-teny niampangana azy ho mpitompo teny fantatra, ho mpandainga, ho mpanao heyi-poana mirediredy. HM 350.3
Ny fanarabiana, ny hevi-diso sy ny herisetra tafahoatra natototra azy dia nahatonga fanamarihana feno fahatezerana, na dia avy tamin’ ny mpanoratra tsy nikasika ny fivavahana aza. Nambaran’ ireo araka an’ izao tontolo izao ireo fa ny fanamaivanana sy ny fanaovana kilalao ny foto-javatra lehibe sy miezinezina sady misy vokany mampahatahotra toy izany dia «tsy fanaovana fihomehezana fotsiny ny fihetseham-pon’ ireo mampiely sy manohana izany» ihany, fa «tena fanaovana zinona ny andro fitsarana mihitsy, fanarabiana an’ Andriamanitra, sy fanaovana ho fihomehezana ny tahotra vokatry ny fitsarany». — Bliss, p. 183. HM 351.1
Tsy niezaka ny hanohitra fotsiny ny vokatry ny hafatra momba ny fiavian’ i Kristy ilay mpamporisika ny ratsy rehetra, fa niezaka mihitsy koa izy hamono ny tenan’ ilay mpitondra hafatra. Nampihatra ny fahamarinan’ ny Soratra Masina tamin’ ny fon’ ny mpihaino azy i Miller, nanameloka ny fahotan’ izy ireo sy nanelingelina ny fahatsiarovany tena ho afa-po, ka niteraka fandrafiana ny teniny mazava sy nivantana. Nahatonga ny antokon’ olona niaina tamin’ ny toetra tsizarizary ho sahisahy ny fanoherana nasehon’ ireo mambra tao amin’ ny fiangonana tamin’ ny hafatra nentiny; nisy fahavalo izay nioko hamono azy raha niala teo amin’ ny toeram-pivoriana izy. — Nefa nisy anjely masina teo amin’ ny mpivory, ary ny anankiray amin’ izy ireny, izay naka ny endrik’ olona, dia nandray ny sandrin’ ilay mpanompon’ i Jehovah ka nitarika azy ho afaka soa aman-tsara tamin’ ny fahatezeran’ ny vahoaka. Tsy mbola vita ny asany, koa dia diso fanantenana tamin’ ny fikasany i Satana sy ireo olona nirahiny. HM 351.2
Na toy inona na toy inona fanoherana, dia nitombo hatrany ny fahalianan’ ny olona tamin’ ny fihetsehana momba ny fiavian’ i Kristy. Raha am-polony maro sy an-jatony ny mpivory teo amboalohany dia nitombo an’ arivony maro izao. Betsaka ny olona niditra hanampy ny fiangonana samihafa, nefa rehefa afaka kelikely dia niseho ny toe-tsaina fanoherana na dia teo amin’ ireo vao niova fo ireo aza, ary nanomboka nandray fepetra famaizana ny fiangonana tamin’ ireo izay nanaiky ny hevitr’ i Miller. Nahatonga azy hanoratra taratasy io fihetsika io, izay nalefany tamin’ ny kristiana tao amin’ ny antokom-pinoana rehetra, fangatahana azy ireo hampiseho ny fahadisoany avy amin’ ny Soratra Masina, raha ohatra ka diso ny fampianarany. HM 351.3
«Inona no ninoanay», hoy izy, «izay tsy nasain’ ny tenin’ Andriamanitra ninoanay, dia ny tenin’ Andriamanitra izay ekenareo ho fitsipika ary hany fitsipiky ny finoantsika sy ny fiainantsika. Inona no nataonay no nahatonga fiampangana mahery vaika toy izao aminay avy amin’ ny polipitra sy ao amin’ ny gazety ka nanome rariny anareo tamin’ ny nandroahanareo anay ( Advantista) tsy ho anisan’ ny fiangonanareo sy tsy hiaraka aminareo?» «Raha diso izahay, miangavy mba asehoy anay ny fahadisoanay. Asehoy anay avy amin’ ny tenin’ Andriamanitra fa diso izahay; efa ampy ny nanaovana anay ho fihomehezana; nefa tsy hampiaiky anay na oviana na oviana ny maha-diso anay izany; ny tenin’ Andriamanitra irery ihany no afaka hanova ny hevitray. Tamim-pandinihana sy tamim-pivavahana no nahitanay ireo fehin-kevitray ireo araka ny fahazavana tsy azo lavina tao amin’ ny Soratra Masina». —Ibid, p. 250, 252. HM 352.1
Nandritra ireo taonjato nifandimby dia tsy finoana toy izany no nandraisana ireo fananarana izay nampitondrain’ Andriamanitra ny mpanompony ho an’ izao tontolo izao. Fony nanapa-kevitra Andria-manitra hahatonga safo-drano tamin’ ny tany noho ny faharatsian’ ny olona, dia nampahafantariny azy mialoha ny fikasany, mba hahazoan’ izy ireo fotoana hialany amin’ ny lalan-dratsiny. Nandritra ny roapolo ambinizato taona dia naneno tao an-tsofiny ny fananarana azy hibebaka, andrao miseho ny fahatezeran’ Andriamanitra ka handripaka azy. Nefa nataony ho anganongano foana ilay hafatra ka tsy ninoany. Nihasahy izy teo amin’ ny faharatsiany ka nihomehezany ilay mpitondra hafatr’ Andriamanitra, nohamaivaniny ny fiangaviany, ary nampangainy ho be hambo foana aza. Ahoana no ahasahian’ ny tsangan’ olona iray hijoro hanohitra ny olona ambony rehetra eto an-tany? Raha marina ny hafatra nentin’ i Noa, nahoana izao tontolo izao no tsy mankasitraka sy tsy mino izany? Hevitr’ olona tokana ve hanohitra ny fahendren’ olona an’ arivony! Tsy hino ny fananarana izy ary tsy hitady fialofana ao amin’ ny sambo fiara. HM 352.2
Notondroin’ ireo mpanaraby ny zava-boahary, ny fifandiasan’ ny fizaran-taona tsy miova, ny lanitra manga izay tsy mbola nandatsak’ orana na oviana na oviana, ny saha maitso novelombelomin’ ny ranon’ ando malefaka mirotsaka amin’ ny alina, koa dia niteny izy ireo hoe: «Moa ve tsy fanoharana no ataony?» Nozim- bainy ho mafana fo tsy amin’ antony ilay mpitory ny fahamarinana; koa dia nizotra tamin’ ny nalehany ihany izy ireo, niroboka lalindalina kokoa tamin’ ny fitadiavam-pahafinaretana, nirona bebe kokoa ho amin’ ny lalan-dratsiny noho ny teo aloha. Nefa tsy nahasakana ny toe-javatra voalaza mialoha ny tsy finoan’ izy ireo. Nahari-po ela tamin’ ny faharatsiany Andriamanitra, ka nanome azy fotoana malalaka hibebahany ; nefa tamin’ ny fotoana voatendry dia nihatra tamin’ ireo nitsipaka ny famindrampony ny fitsarany. HM 352.3
Nilaza i Kristy fa hisy tsy finoana toy izany koa momba ny fiaviany fanindroany. Tahaka ny olona tamin’ ny andron’ i Noa izay tsy nahafantatra mandra-piavin’ ny Safo-drano, «izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fiavian’ ny Zanak’ olona».27Mat. 24 : 39 Rehefa miray amin’ izao tontolo izao ny vahoaka misora-tena ho an’ Andriamanitra, ka miaina araka ny fomba fiainany, sy miray aminy eo amin’ ireo fahafinaretana voarara; rehefa manjary rendrarendran’ ny fiangonana ny rendrarendran’ izao tontolo izao, rehefa indray miredona ny lakolosy milaza fampakaram-bady, ka samy mibanjina taona maro feno fahombiazana izao tontolo izao, — amin’ izay dia ho tampoka sahala amin’ ny helatra eny amin’ ny lanitra ny hiavian’ ny faran’ ireo fahitany be voninahitra sy ireo fanantenany feno fitaka. HM 353.1
Tahaka ny nanirahan’ Andriamanitra ny mpanompony hampandre mialoha an’ izao tontolo izao ny amin’ ny fiavian’ ny Safo-drano, dia toy izany koa no nandefasany mpitondra hafatra voafidy hampahafantatra ny fahatomoran’ ny fitsarana farany. Ary tahaka ireo niara-belona tamin’ i Noa nihomehy sy namingavinga ny fanambarana nataon’ ilay mpitory ny fahamarinana, dia toy izany koa tamin’ ny andron’ i Miller, marobe no nanao ho fihomehezana ny teny fananarana, na dia teo amin’ ny vahoaka nilaza ny tenany fa an’ Andriamanitra aza. HM 353.2
Ary nahoana no tsy nankasitrahan’ ny fiangonana toy izany ny fampianarana sy ny fitoriana ny fiavian’ i Kristy fanindroany? Ho an’ ny ratsy fanahy dia alahelo sy fahoriana no entin’ ny fiavian’ ny Tompo, fa ho an’ ny marina kosa dia fifaliana sy fanantenana izany. Fiononana ho an’ ireo izay nahatoky tamin’ Andriamanitra nandritra ny taona maro nifandimby io fahamarinana lehibe io; koa nahoana ary no nanjary «vato manafintohina» sy «vatolampy mahasolafaka» tahaka Ilay niavin’ io fahamarinana io, ho an’ ny vahoaka milaza fa Azy? Ny Tompontsika mihitsy no nampanantena ny mpianany hoe : «Raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko».28Jao. 14 : »3 Ilay Mpamonjy mpamindra fo no nahatsapa mialoha fa ho irery sy halahelo ny mpianany, ka naniraka anjely Izy hampiònona azy amin’ ny toky fa ny tenany no ho avy tahaka ny niakarany tany an-danitra. Raha nijoro teo ny mpianatra niandrandra, nibanjina fatratra hahita maso farany Ilay notiaviny, dia voasinton’ izao teny izao ny sainy : «Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy miakatra ho any andanitra».29Asa.1:11 Nampirehetin’ ny hafatra nentin’ ny anjely indray ny fanantenana. Ary ny mpianatra dia «niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra. Ary teo an-kianjan’ ny tempoly isan’ andro izy nankalaza an’ Andriamanitra».30Lio. 52 . 53 Tsy nifaly izy noho ny nisarahan’ i Jesosy taminy ka navela hiady irery tamin’ ny fitsapana sy ny fakampanahin’ izao tontolo izao, fa nifaly kosa noho ny toky nomen’ ny anjely fa ho avy indray Izy. HM 353.3
Ankehitriny ny fiavian’ i Kristy dia tokony ho vaovao mitondra fifaliam-be koa, tahaka izay nentin’ ny anjely tamin’ ireo mpiandry ondry tany Betlehema. Ireo izay tena tia marina ny Mpamonjy dia tsy afaka tsy handray amim-pifaliana ny filazana hita ao amin’ ny tenin’ Andriamanitra manambara fa ho avy indray Ilay ifantohan’ ny fanantenany momba ny fiainana mandrakizay, tsy hoharabiana, na hohamavoina sy holavina, tahaka ny tamin’ ny fiaviany voalohany, fa ho avy amin-kery sy amim-boninahitra hanavotra ny vahoakany. Ireo izay tsy tia ny Mpamonjy no maniry Azy hijanona lavitra any ary tsy mety hisy porofo mazava kokoa fa niala tamin’ Andriamanitra ny fiangonana noho ny fahasorenana sy ny fankahalana aterak’ io hafatra avy any an-danitra io. HM 354.1
Ireo izay nanaiky ny fampianarana momba ny fiavian’ i (Kristy) dia nifoha ka nahatsapa ny ilàny fibebahana sy fanetren-tena eo anatrehan’ Andriamanitra. Maro no efa niroanahana teo anelanelan’ i Kristy sy izao tontolo izao; ankehitriny kosa dia tsapany fa tonga ny fotoana tsy maintsy hanapahany hevitra. «Naka endrika tsy nampoizina teo anatrehany ny mikasika ny mandrakizay. Nanakaiky azy ny lanitra ka tsapany fa meloka teo anatrehan’ Andriamanitra izy». — Bliss p. 146. Nientana ho amin’ ny fiainam-panahy vaovac ny Kristiana. Nanjary tsapany fa fohy ny fotoana, ka tsy maintsy hataony haingana izay tokony hatao amin’ ny mpiara-belona aminy. Toa nihananalavitra no fijery ny tany fa toa nisokatra teo anoloany ny mandrakizay, ary tsapany fa tokony hihoatra ny zavatra ara-nofo ny zavatra ara-panahy, noho izy io iankinan’ ny fahasambarana na ny fahoriana mandrakizay. Nitoetra teo aminy ny Fanahin’ Andriamanitra ka nanome hery ny antso mafana nataony tamin’ ireo rahalahiny, sy tamin’ ireo mpanota koa, mba hiomana ho amin’ ny andron’ Andriamanitra. Ny toetra tsara nasehony teo amin’ ny Fiainany andavanandro dia vavolombelona mangina nanameloka tsy an-kijanona ireo mambra nanara-pomba ivelany fotsiny sy tsy nanolo-tena tanteraka tao amin’ ny fiangonana. Tsy tian’ ireo ny ho sembanina teo amin’ ny fikatsahany fahafmaretana, teo amin’ ny Fimatimatesany hitady vola sy teo amin’ ny hambom-pony hahazo voninahitra eo amin’ izao tontolo izao. Izany no nahatonga ny fandrafiana sy ny fanoherana ny finoana momba ny fiavian’ i Kristy sy ireo izay nitory izany. HM 354.2
Rehefa hita fa tsy azo narodana ireo fonjan-kevitra momba ny fe-potoana ara-paminaniana, dia niezaka ny hanakivy ny fanadihadiana io lohahevitra io ny mpanohitra tamin’ ny filazana fa voaisy tombo-kase ny faminaniana. Tamin’ izany fomba izany no nanarahan’ ny Protestanta ny dian’ ny Romanista. — Ny fiangonana papaly dia nihazona ny Baiboly (Jereo Fanampiny) tsy ho eo am-pelatanan’ ny vahoaka. fa ireo fiangonana Protestanta kosa nilaza fa ampahany lehibe ao amin’ ny Soratra Masina — dia ilay ampahany nampiseho ireo fahamarinana fampihatra manokana amin’ ny androntsika dia tsy takatry ny saina hofantarina ny heviny. HM 355.1
Nolazain’ ny mpitandrina sy ny vahoaka fa ireo faminanian’ i Daniela sy ny Apokalypsy dia zava-miafina tsy hay fantarina. Kristy anefa dia nitarika ny mpianany ho amin’ ny tenin’ ny mpaminany Daniela mikasika ireo toe-javatra hitranga amin’ ny andron’ izy ireo koa ka hoy izy hoe : «Aoka hisaina izay mamaky izany». Mat. 24 : 15. Ary ny fanantitranterana fa zava-miafina ny Apokalypsy, ka tsy mety ho tratran’ ny saina, dia mifanohitra amin’ ny anaran’ io boky io mihitsy. «Ny Fanambaran’ i Jesosy Kristy, izay nomen’ Andriamanitra Azy, mba hasehony amin’ ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana;. . . Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin’ ity faminaniana ity ka mitandrina izay vosoratra ao anatiny; fa antomotra ny andro». Apokalypsy 1 :3 HM 355.2
Hoy ny mpaminany : «Sambatra izay mamaky» — misy izay tsy mamaky ; tsy ho azy ireo ny fitahiana — «sy ny mihaino» misy olona koa izay handà tsy hihaino na inona na inona mikasika ny faminaniana ; tsy ho an’ io antokon’ olona io ny fitahiana, «ary mitandrina izay voasoratra ato anatiny» — maro no mandà tsy hitandrina fananarana sy toro-marika ao amin’ ny Apokalypsy; tsy misy amin’ izy ireo no afaka mitaky ny fitahiana nampanantenaina. Izay rehetra manao ho fihomehezana ny mikasika ny faminaniana sy maneso ireo sary aman’ ohatra nomena ao tamin’ ny fomba manetriketrika, izay rehetra mandà tsy hanova ny fiainany ka tsy miomana ho amin’ ny fiavian’ ny Zanak’ olona, dia tsy handray fitahiana. HM 356.1
Eo anoloan’ ny fanambarana avy amin’ ny Tsindrimandrin’ Andriamanitra, ahoana no ahasahian’ ny olona mampianatra fa zavamiafina tsy mety ho takatry ny sain’ ny olombelona ny Apokalypsy? Zava-miafina nambara izany, boky mivelatra. Mitarika ny saina ho eo amin’ ireo faminanian’ i Daniela ny fandinihana ny Apokalypsy, ary samy manolotra fampianarana lehibe ireo, avy amin’ Andriamanitra ho an’ ny olombelona, mikasika ireo toe-javatra izay hitranga amin’ ny fiafaran’ ny tantaran’ ity izao tontolo izao ity. HM 356.2
Novelarina tamin’ i Jaona ireo toe-javatra mahaliana fatratra sy mampangitakitaka eo amin’ ny fanandramana ataon’ ny fiangonana. Hitany ny toerana, ny loza, ny ady sy ny fanafahana farany ny vahoakan’ Andriamanitra. Noraketiny an-tsoratra ireo hafatra famaranana izay hahamasaka ny vokatry ny tany, na ho amboara hoentina any amin’ ny sompitry ny lanitra na ho kitay hodorana amin’ ny afo fandravana. Loha-hevitra mavesa-danja no nambara taminy, indrindra ho an’ ny fiangonana farany, mba hahazoan’ ireo izay miala amin’ ny fahadisoan-kevitra handray ny fahamarinana, hahazo torolalana ny amin’ ny loza sy ny ady manoloana azy. Tsy misy tokony hijanonana amin’ ny haizina raha ny amin’ izay mikasika ny hitranga eto ambonin’ ny tany. HM 356.3
Nahoana ary no manerana hatraiza hatraiza io tsy fahalalana mikasika ny fizarana makadiry ao amin’ ny Soratra Masina io? Nahoana ny ankamaroan’ ny olona no malaina hanadihady ny fampianarany ? Vokatry ny ezaka vita kalamina nataon’ ilay andrian’ ny haizina ny hanafenana amin’ ny olona ny teny izay mampibaribary ny fitaka ataony. Noho io antony io, ary eo am-pahitana mialoha ny ady atao amin’ ny fandinihana ny Apokalypsy no nanononan’ i Kristy Ilay Mpanome ny fanambarana fitahiana ho an’ izay mamaky sy mihaino ary mitandrina ny tenin’ ny faminaniana. HM 356.4