Go to full page →

Toko 1—Ny nandravana an’ i Jerosalema HM 17

«Raha mba nahafantatra mantsy ianao, na dia amin’ ity andro ity aza izay momba ny fiadanana ! — fa ankehitriny miafina amin’ ny masonao izany. Fa ho avy aminao ny andro izay hananganan’ ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy, ka hanidy anao manodidina ary hamongotra anao hatramin’ ny tany mbamin’ ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin’ ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao» 1Lio. 19 : 42, 44. HM 17.1

Avy eo an-tendrombohitra Oliva Jesosy no nitazana an’ i Jerosalema. Kanto sady tony ny zavatra tazany nivelatra teo anoloany. Andron’ ny Paska tamin’ izay, ary tafavory avy amin’ ny tany rehetra ny zanak’ i Jakoba mba hankalaza ilay lanonam-pirenena lehibe. Eo afovoan’ ny saha sy ny tanim-boaloboka ary ireo tehezantendrombohitra maitso mavana haingoan’ ny trano lain’ ny mpivahiny, no isandratan’ ireo havoana narenina, ireo lapa mendrika indrindra sy ireo manda matevina manodidina ny renivohitr’ Isiraely. Toa miteny an’ avona ny zanakavavin’ i Ziona manao hoe : «Mipetraka ho mpanjakavavy aho, ary tsy mba hahita alahelo mihitsy aho» raha maha-te-ho tia izy tamin’ izay ary nihevitra ny tenany ho voaaron’ ny fankasitrahan’ ny lanitra, toy ny teo aloha, fony niventy ny mpihiran’ ny mpanjaka nanao hoe : «Avo mahafinaritra. fifalian’ ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona tanànan’ ny Mpanjaka lehibe» 2Sal. 48 : 2 HM 17.2

Nanatrika azy indrindra ireo tranoben’ ny tempoly fatratra dia fatratra. Nampihiratra ireo rindrina vatosoa fotsy toy ny orampanala ny taratry ny masoandro madiva hilentika ka nanjelanjelatra avy ao amin’ ny vavahady volamena sy ny tilikambo ary ny tampon’ ny tempoly. Fahatanterahan’ ny hatsaran-tarehy izany, reharehan’ ny firenena Jiosy. Iza no Zanak’ Isiraely hahita izany ka tsy hientanentana ho faly sy ho talanjona ! Nefa eritreritra hafa lavitra noho izany no nameno ny sain’ i Jesosy. «Ary raha nanaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy» 3Lio. 19 : 41. HM 18.1

Teo anivon’ ny firavoravoan’ ny rehetra raha nandroso hiditra toy ny mpandresy Izy, raha mbola nihofahofa ny sampan-drofia. raha nanakoako namoha ireo havoana ny hosanam-pifaliana, ka feo an» arivony no nilaza fa mpanjaka Izy, dia safotry ny alahelo tampoka sady tsy azo hazavaina kosa ny Mpanavotra an’ izao tontolo izao. Ilay Zanak’ Andriamanitra, Ilay nampanantenaina an’ Isiraely, Ilay nandresy ny fahafatesana tamin’ ny heriny ka niantso ny babony avy ao am-pasana, no indro mandrotsa-dranomaso, ary tsy noho ny alahelo tsotra, fa noho ny alahelo mafy indrindra, tsy hay tohaina. mihatra aman’ aina. HM 18.2

Tsy ho an’ ny tenany no nandrotsahany ranomaso, na dia fantany tsara aza ny fizotry ny diany. Teo anoloany i Getsemane, ilay toerana nisehoan’ ny ady mafy hatrehiny efa akaiky. Tazany koa ilay vavahadin’ ondry izay nitondrana ireo biby hatao fanatitra nandritra ny taonjato maro nifandimby, ary hosokafana ho Azy rehefa ho «tahaka ny zanak’ ondry entina hovonoina», 4Isa. 53 : 7 Izy. Tsy lavitra teo i Kalvary, ilay toerana fanomboana amin’ ny hazo fijaliana. Vetivety dia hanitsaka izany lalana izany i Kristy, ka ho rakotry ny horohoro noho ny haizim-be rehefa hatolony ho fanatitra noho ny ota ny fanahiny. Tsy ny fibanjinana ireo toe-javatra ireo anefa no nanamaloka Azy tamin’ ity ora feno fifaliana ity. Tsy ny fitazanany mialoha ny tebiteby tsy zakan’ olombelona hiaretany no nanamaizina ny sainy tsy mba mpihevitra ny tenany. Nitomany ho an’ ireo an’ arivony tandindomin-doza tao Jerosalema Izy noho ny fahajambana sy ny tsy fetezany hibebaka, dia ireo izay nahatongavany hotahiana sy hovonjena. HM 18.3

Nibaribary teo imason’ i Jesosy ny tantaran’ ny arivo taona mahery nanehoan’ Andriamanitra tombon-tsoa manokana sy fiahian’ ny mpiandry tamin’ ity vahoaka nofidiny ity. Tao ny tendrombohitr’ i Moria izay nanaterana ilay zanaky ny teny fikasana, fanatitra tsy nanohitra teo ambonin’ ny alitana tandindon’ ny nanolorana ny Zanak’ Andriamanitra.5Gen. 22 : 9 : 16-18 Tao no nanamafisana tamin’ ny rain’ ny mpino ny fanekem-pitahiana, ny teny fikasana be voninahitra momba ny Mesia. Tao no namily ny sabatry ny anjely mpandringana6 1Tant. 21 ny lelafon’ ny fanatitra nanakatra ny lanitra avy eo amin’ ny famoloan’ i Anaona — izay tena tandindon’ ny fanatitra ataon’ ny Mpamonjy sy ny fanelanelanany ho an’ ny olona meloka. Efa nomen’ Andriamanitra voninahitra ambonin’ ny tany rehetra Jerosalema. Efa «nifidy an’ i Ziona» Jehovah «ary naniry azy ho fonenany» 7 Sal. 132 : 13. Tao, mandritra ny taonjato nifandimby, no nanambaran’ ireo mpaminany masina hafatra fananarana. Tao no nampihevaheva ny fandoroana ditin-kazo mànitra ny mpisorona ary niakatra teo anatrehan’ Andriamanitra niaraka tamin’ ny vavak’ ireo mpidera an’ Andriamanitra ny fofo-manitra toa rahona. Tao no nanolorana isan’ andro ny ran’ ny Zanak’ ondry izay nanondro mialoha ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra. Tao no nanehoan’ i Jehovah ny fanatrehany tao amin’ ny rahona be voninahitra ambonin’ ny rakotra fanaovam-panavotana, ary tao no nipetrahan’ ny tongotr’ ilay tohatra misy hevi-dalina izay nampifandray ny lanitra ny ny tany, 8Gen. 28 : 12 dia ilay tohatra nidinan’ ireo anjelin’ Andriamanitra sy niakarany, ary nampidanadana ho an’ izao tontolo izao ny lalana mankany amin’ ny masina indrindra.9Jao. 1 : 51 Raha voaaron’ Isiraely amin’ ny maha-firenena azy ny fankatoavany ny lanitra, dia ho tafatoetra mandrakizay ho ilay voafidin’ Andriamanitra Jerosalema.10Jer. 17 : 21-25 Nefa tsy mitatitra afa-tsy fihemorana sy fikomiana ny tantaran’ io vahoaka nohasoavina io. Efa nanohitra ny fahasoavan’ ny lanitra izy, efa nampiasa amin’ ny tsy antony ny tombon-tsoany izy, ary tsy nanararaotra ny fotoana mety nomena azy. HM 18.4

Na dia efa «nihomehy ireny irak’ Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminany aza Isiraely dia mbola amin’ ny maha-«Andriamanitra mamindra fo sy miantra, maharipo sy be famindram-po sy fahamarinana»11Eks.34;6 ihany no nisehoany taminy ; na dia teo aza ireo fandavany an’ Andriamanitra miverimberina, dia mbola nitohy nitalaho taminy ihany ny famindrampony. Fitiavana feno fangorahana mihoatra noho ny fitiavan’ ny ray ny zanany tiany no nahatonga an’ Andriamanitra «nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy,.eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka fa namindra fo tamin’ ny olona sy ny fonenany» 122 Taut.36 : 15. Rehefa tsy nahomby ny fitenenana, ny fiangaviana sy ny ianiniana, dia nirahiny ho eo aminy Ilay fanomezan’ ny lanitra tsara indrindra; eny, ny lanitra manontolo no natobany tamin’ io Fanomezana tokana io. HM 19.1

Ny Zanak’ Andriamanitra mihitsy no nalefa hifandahatra amin’ ilay tanàna tsy mibebaka. Kristy no namindra an’ Isiraely toy ny voaloboka tsara avy tany Egypta.13Sal. 80 : 8 Ny tanany mihitsy no nandroaka ny Jentilisa teo anatrehany. Namboleny tao «an-kavoana lonaka» 14Isa. 5: 1, 4 izy. Nokarakarain’ ny mpiandry sahany izany ka nofefeny manodidina. Efa nalefany ny mpanompony hikarakara azy. «Inona moa no mbola azo natao tamin’ ny tanimboaloboka», hoy Izy. ka tsy efa nataoko taminy ?» 14 Isa. 5 : 1-4 Na dia «nanantena azy hamoa voaloboka tsara» aza Izy. nefa «namoa voalobo-dratsy». dia mbola naniry maty indrindra sady nanantena azy hamoa ka ny tenany mihitsy no tonga tao amin’ ny tanimboaloboka, sao’ sendra mba azony vonjena tsy ho ravana izy. Nohadiny manodidina ny voalobony, norantsanany sy nokarakarainy tamim-pitiavana. Tsy nety sasatra tamin’ ny fiezahany Izy hamonjeny io voaloboka namboleny io. HM 20.1

Nandritra ny telo taona dia efa niaraka tamin ny vahoakany sy nifangaro taminy Ilay Tompon’ ny fahazavana sy voninahitra. «Nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ ny herin’ ny devoly,» 15Asa. 10 : 38 Izy, nanasitrana ny torotoro fo, nanataka ny mpifatotra, nampahiratra ny jamba, nampandeha ny malemy sy nampalady ny marenina, nanadio ny boka. nanangana ny maty, ary nitory ny filazantsara tamin’ ny malahelo. Naleta tamin ny antokon’ olona rehetra ny antso teno fahasoavana manao hoe : «Mankanesa atý Amiko ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana» 16Mat. 11 : 28. HM 20.2

Na dia novaliana ratsy aza ny soa nataony, ary novaliana fankahalana ny fitiavany,17 Sal. 109 : 7 dia notohizany tamin-kafanam-po ny asam-pamindrampo nampanaovina azy. Tsy nolaviny na oviana na oviana izay nitady ny fahasoavany. Tsy nanan-trano Izy fa nivezivezy, faninitsiniana sy tsy fisiana no anjarany isan’ andro, hanompo ny sahirana sy hanamaivana ny fahorian’ ny olona, ary hitalaho aminy mba hanekeny ity fanomezana aina. Ireo onjammamindrampo voatosik’ ireo fo mafy ireo hiverina, dia haveriny indray ho samontam-pitiavana feno fangorahana tsy hay lazaina. Nefa nihodina niala tamin’ Ilay Sakaizany tsara indrindra sy hany Mpanampy azy Isiraely. Natao tsinontsinona ny fitalahoan’ ny fitiavany, nakifakifaka ny toroheviny, natao fihomehezana ny fananarany. HM 20.3

Mihazakazaka ho lasa ny andron’ ny fanantenana sy ny famelankeloka; efa ho feno ny kapoaky ny fahatezeran’ Andriamanitra izay efa nahemotra ela. ireo rahona izay efa nihandrona nandritra ny taona maro nihemorana sy nikomiana, dia maintin’ ny loza ankehitriny, ka efa ho vaky sy hiantonta amin’ ny vahoaka meloka ; ary Ilay hany afaka hamonjy azy ireo amin’ ny anjara ra’tsy mitatao aminy, dia tsy noraharahainy, nolaviny ary nohomboiny amin’ ny hazo fijaliana raha afaka fotoana fohy. Rehefa hiantona eo amin’ ny hazo fijalian’ i Kalvary Kristy, dia ho tapitra ny andron’ ny Isiraely amin’ ny maha-firenena nomena tombon-tsoa manokana sy notahian’ Andriamanitra azy. Na dia fanahy iiay ihany aza no very dia loza mavesa-danja lavitra noho ny tombon-tsoa sy ny haren’ izao tontolo izao ; raha nibanjina an’ i Jerosalema anefa i Kristy, dia loza hanjo tanàna iray manontolo, firenena iray manontolo, no teo anatrehany io tanàna io, io firenena io, izay efa nofidin’ Andriamanitra, ho hareny sarobidy manokana. HM 21.1

Efa nitomany ny fihemoran’ Isiraely sy ny faharavana mahatsiravina namaliana ny fahotany ny mpaminany. Nirin’ i Jeremia ny hahatonga ny masony ho «loharanon-dranomaso. mba hitomaniany andro aman’ alina ny nandripahana ny zanakavavin’ ny vahoakany» satria nentina ho babo ny «andian’ ondrin’ i Jehovali»18Jer. 9 : 1: 13 : 17. Koa manao ahoana ary ny alahelon’ Ilay afaka mijery amin’ ny maso mahatsinjo ny ho avy, tsy ny taona maro fotsiny, fa ny andro rehetra nifandimby ! Nibanjina ilay anjely mpandringana izay nanandratra ny sabany hamely ilay tanàna nataon’ i Jehovah ho fonenana efa ela tokoa Izy. Avy eny amin’ ny tehezan’ ny tendrombohitra Oliva, dia ilay toerana izay nalain’ i Titosy sy ny miaramilany an-keriny indrindra ka honenany indray atý aoriana, avy eny no nibanjinany ny lohasaha sy nitazanany ireo kianja sy vavahady masina, ary vonton-dranomaso ny masony nahita sary nampahatahotra, dia ireo manda voahodidin’ ny tafika vahiny. Reny ny likatrokatroky ny tafika mamindra handeha hiady. Manako ao an-tsofiny ny feon’ ny reny sy ny zaza mitomany mofo ao amin’ ny tanàna natao fahirano. Hitany ilay trano masina sy tsara tarehy, ireo lapa sy ireo tilikambon’ ny tanàna azon’ ny lelafo, ary tsy nisy afa-tsy antontan-javatra mihalevona anaty otrik’ afo sisa tavela. HM 21.2

Nitaza-maso ny andro nifandimby Izy ka nahita ny vahoakan’ ny lanckena miparitaka amin’ ny tany rehetra tahaka ny sisan-javatra simba tavela eny amoron-dranomasina mangina. Ny famaliana mandalo efa hianjady amin’ ny zanak’ i Jerosalema dia tsy nahitany afa-tsy ny indray mitete voalohany avy amin’ ny kapoaky ny fahatezerana izay tsy maintsy hosotroiny hatrany amin’ ny faikany amin’ ny fitsarana farany. Miseho amin’ ireto teny mitaraina ireto ny fangorahan’ Andriamanitra sady manina no tia : «Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban’ ny akoho ny zanany ao ambanin’ ny elany, fa tsy nety ianareo !» 19Mat. 23 : 37 Indrisy ry firenena nomena tombon-tsoa noho ny hafa rehetra, raha mba nahafantatra ny andro namangiana anao ianao, sy izay momba ny fiadananao ! Nampihemotra ny fotoana iavian’ ny anjely mpitondra fitsarana aho, efa niantso anao hibebaka aho, nefa tsy nisy vokany izany. Tsy mpanompo, tsy iraka ary tsy mpaminany tsotra no nolavinao sy notsipahinao, fa Ilay Masin’ Isiraely, dia Ilay Mpanavotra anao. Raha rava ianao, dia ianao ihany no tompon’ andraikitra. «Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo hanananareo fiainana» 20 Jao. 5 : 40. HM 21.3

Tandindon’ izao tontolo izao nohamafisin’ ny tsy finoana sy ny fikomiana izay mihazakazaka hiatrika ny fitsarana famalian’ Andriamanitra no hitan’ i Kristy teo amin’ i Jerosalema. Ny fahorian’ ny taranaka lavo, nitambesatra teo amin’ ny fanahy, dia nampivoaka avy teo amin’ ny molony io antso mangidy loatra io. Hitany ny vokatry ny fahotana voasoritra eo amin’ ny fahoriana, eo amin’ ny ranomaso sy ny ran’ ny olombelona ; voahetsiky ny fangorahana tsy misy fetra ho an’ ny tra-pahoriana sy ny mijaly eto an-tany ny fony ; maniry mafy ny hanamaivana azy rehetra Izy. Nefa na dia ny tanany aza dia tsy afaka hampiverina ny fisamontan’ ny fahorian’ ny olombelona ; vitsy no hitady ny hany loharano ahitana fanampiana. Vonona ny hanolotra ny fanahiny ho amin’ ny fahafatesana Izy, mba hitondra famonjena mety ho azon’ izy ireo ; nefa vitsy no manatona Azy mba hahazoana fiainana. HM 22.1

Indro fa latsa-dranomaso Ilay andrianan’ ny lanitra. Indro Ilay Zanak’ Andriamanitra tsy manam-petra sahiran-tsaina, miondrika feno tebiteby ! Nampitolagaga ny lanitra manontolo ny nahita izany. Manambara ny tena toetry ny fahotana izany ; mampiseho ny mahaasa mafy manao ahoana, eny, na dia ho an’ ny hery tsy hita fetra aza ny mamonjy ny meloka ho afaka amin’ ny vokatry ny fandikana ny lalàn’ Andriamanitra. Raha mibanjina ny taranaka farany i Jesosy, dia nahita an’ izao tontolo izao voalentika ao amin’ ny fitaka mitovy amin’ izay nahatonga ny fandravana an’ i Jerosalema. Ny fahotana lehibe nataon’ ny Jiosy dia ny ny andavany an’ i Kristy ; ny fahotana nataon’ izao tontolo izao kristiana dia ny fandavany ny lalàn’ Andriamanitra, izay fototry ny fanjakany any an-danitra sy eto an-tany. Hamavoina sy atao toy ny tsy misy ireo foto-kevitr’ i Jehovah. An-tapitrisany ny olona voafatotry ny fahotana, andevon’ ny fahotana, tandindomin’ ny fahafatesana faharoa hihatra aminy, no nandà tsy hihaino ny tenin’ ny fahamarinana tamin’ ny andro namangiana azy. Fahajambana mahatsiravina ! Hadalana muhagaga ! HM 22.2

Roa andro talohan’ ny Paska, rehefa avy namotsipotsitra ny fihatsarambelatsihin’ ireo mpifehy Jiosy Jesosy, dia nivoaka farany niala avy tao amin’ ny tempoly Izy, ary -nitokana indray niaraka tamin’ ny mpianany teny amin’ ny tendrombohitra Oliva, ka niaranipctraka tamin’ izy ireo teo amin’ ny kisilasila rakotr’ ahitra nahatazanany ny tanàna. Talanjona indray Izy nibanjina ny mandan’ ny tanàna, ny tilikambony, sy ny lapany. Nigagany indray ny tempoly marevaka sady mamirapiratra, diadema kanto indrindra, satroboninahitr’ ilay tendrombohitra masina. HM 23.1

An’ arivo taona talohan’ izao dia efa nanandratra ny tombontsoa manokana nomen’ Andriamanitra an’ Isiraely tamin’ ny nanaovany ny tranony masina ho fonenany ny mpanao Salamo ka nanao hoe : «Naoriny ao Salema ny trano-lay, ary any Ziona ny fonenany»21. «Nifidy ny firenena Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany. Dia nanao ny fitoerany masina ho tahaka ny havoana Izy»21 Sal:76:2;Sal;78:68,69. Tamin’ ny fotoana nanambinana indrindra an’ Isiraely teo amin’ ny tantarany no nananganana ilay tempoly voalohany. Marobe ireo tahirin-java-tsarobidy nangonin’ i Davida mpanjaka ho an’ izany, ary ny tolo-tsaina avy tamin’ Andriamanitra no nanoro ny drafitra nentina nanorina azy.22Tant.28:12,19 Solomona, ilay mpanjaka hendry indrindra teo amin’ Isiraely no namita ny asa. Io tempoly io no trano be voninahitra indrindra tamin’ izao tontolo izao. Na dia izany aza dia izao no nambaran’ i Jehovah tamin’ ny alalan’ ny mpaminany Hagay mikasika ilay tempoly faharoa : «ny voninahitr’ ity trano ity any am-parany, dia ho lehibe noho ny tany aloha». «Ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra. ka ho avy izay irin’ ny firenena rehetra, ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro»23Hagay.2:9,7. HM 23.2

Rehefa noravan’ i Nebokadnezara ny tempoly dia vahoaka babo nandritra ny fiainany ary niverina eo amin’ ny tany foana saiky tsy misy mponina no nanorina izany indray, tokony ho dimanjato taona talohan» ny nahaterahan’ i Kristy. Nisy Zokiolona efa nahita ny voninahitry ny tempolin’ i Solomona tamin’ izy ireo, nitomany tamin’ ny nanorenana ilay trano vaovao fa tsy maintsy ho latsa-danja noho ny voalohany izany. Voatantaran’ ny mpaminany mazava ny fihetseham-po -nanjaka tamin’ izany : «Iza no mbola sisa aminareo, izay nahita ity trano ity tamin’ ny voninahiny taloha ? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy izao ? Moa tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo ity ?»24Hagay.2:37;Ezra.3:12 Dia nomena ny teny fikasana milaza fa ny voninahitr’ ity trano faharoa dia lehibe noho ny an’ ilay voalohany. HM 23.3

Nefa tsy nitovy tamin’ ilay voalohany ny tempoly faharoa raha ny hakantony, ary tsy nohamasinin’ ireo antoka hita maso nanambara ny fanatrehan’ Andriamanitra izay nameno ny tempoly voalohany izy. Tsy nisy fisehoan’ ny hery ambonin’ ny herin’ olombelona nanamarika ny fitokanana azy. Tsy nisy rahom-boninahitra hita nameno ny fitoerana masina vao naorina. Tsy nisy afo nidina avy any an-danitra nandany ny fanatitra teo ambonin’ ny alitara. Tsy nitoetra teo anelanelan’ ny kerobima teo amin’ ny fitoerana masina indrindra intsony ny shekinah ; tsy hita tao intsony ny fiara, ny rako-panavotana sy ny vato fisaky ny vavolombelona. Tsy nisy feo avy any an-danitra nampahafantatra ny sitrapon’ i Jehovah tamin’ ny mpisorona izay nanontany izany. HM 24.1

Nandritra ny taonjato maro dia niezaka ny Jiosy haneho fa tanteraka ny teny fikasan’ Andriamanitra nolazain’ i Hagay, nefa tsy nisy vokany izany ; ny avonavona sy ny tsy finoana no nahajamba ny sainy tsy hahita ny tena dikan’ ny tenin’ ny mpaminany. Tsy ny rahona mampiseho ny voninahitr’ i Jehovah no naheni-kaja ny tempoly faharoa, fa ny fanatrehana velon’ Ilay nitoeran’ ny fahafenoan’ Andriamanitra hita vatana dia Andriamanitra mihitsy naseho tao amin’ ny nofo. Ilay «Irin’ ny firenena rehetra» dia efa tonga tokoa tao amin’ ny tempoly fony nampianatra sy nanasitrana tao amin’ ny kianja masina Ilay lehilahy avy any Nazareta. Ny fanatrehan’ i Kristy, ary io ihany, no nampihoatra ny voninahitry ny tempoly faharoa tamin’ ilay voalohany. Nefa nalain’ Isiraely taminy ny Fanomezana natolotry ny lanitra ho azy. Rehefa niala tao ka nivoaka ny vavahady volamena ilay Mpampianatra feno fanetrentena, dia niala mandrakizay tamin’ ny tempoly ny voninahitra. Efa tanteraka sahady ny tenin’ ny Mpamonjy nanao hoe : «Indro avela ho lao ho anareo ny tranonareo» 25Mat.23:38. HM 24.2

Sady taitra no gaga ny mpiandry raharaha raha nandre ny fanambarana mialoha nataon’ i Kristy momba ny handravana ny tempoly, ary naniry ny hahalala bebe kokoa ny tena dikan’ ny teniny izy ireo. Ny vola aman-karena, ny asa mafy, sy ny fahaizana eo amin’ ny mari-trano dia tsy notsitsiana mandritra ny efapolo taona mahery mba hampitombo ny hatsaran-tarehiny. HM 25.1

Natobak’ i Heroda lehibe tao ny haren’ ny Romana sy ny tahirin’ ny Jiosy ary na dia ny amperoran’ izao tontolo izao aza dia nandravaka ilay tempoly tamin’ ny fanomezany. Nisy vatosoa fotsy makadiry izay nikoizana ny halehibeny, nentina avy tany Roma ho amin’ izany no anisan’ ny nandrafetana-azy ; ary ireo no nampifantohan’ ny mpianatra ny sain’ ny Tompo ka nilazany hoe : «Mpampianatra o, akory re ireto vato sy rafitra ireto ?» 26Mar.13:1. HM 25.2

Ireo teny ireo dia nanaovan’ i Jesosy valinteny miezinezina sy manaitra toy izao : «Lazaiko atninareo marina tokoa : Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana»27Mat.24:2;3. HM 25.3

Nampiraisin’ ny mpianatra tamin’ ny handravana an’ i Jerosalema ireo toe-javatra amin’ ny fiavian’ i Kristy manokana ho amin’ ny voninahitra eto an-tany handray ny seza fiandrianan’ ny fanjakana manerana an’ izao tontolo izao, hanafay ny Jiosy tsy mibebaka ary hanafaka ny firenena amin’ ny zioga Romana. Nolazain’ ny Tompo fa ho avy fanindroany Izy. Noho izany, rehefa nilaza ny fitsarana hianjady amin’ i Jerosalema Izy, dia nitodika ho amin’ izany fiaviana izany ny sain’ izy ireo, ary raha nanodidina ny Mpamonjy izy rehetra teo amin’ ny tendrombohitra Oliva, dia nanontany hoe : «Lazao aminay izay andro hahatongavan’ izany, ary izay ho famantarana ny fiavianao sy ny fahataperan’ izao tontolo izao»27Mat.24:2;3. HM 25.4

Famindrampo no nanafenana ny ho avy tamin’ ny mpianatra. Raha azony mazava tsara tamin’ izany fotoana izany ny tena dikan’ ireto zavatra roa mampahatahotra ireto dia ny fahorian’ ny Mpanavotra sy ny fahafatesany, ary ny fandravana ny tanàna sy ny tempoiy, dia ho resin’ ny tahotra izy ireo. Nasehon’ i Kristy teo anatrehany ny soritr’ ireo toe-javatra hasongadina alohan’ ny faran’ ny andro. Tsy azony tsara ny teniny tamin’ izay, fa ny dikan’ izany dia hovelarina rehefa ilain’ ny vahoakany ny torohevitra omena eto. Roa sosona ny dikan’ ny faminaniana nolazainy : sady manambara mialoha ny fandravana an’ i Jerosalema izany, no maneho koa ny zavatra mampihorohoro amin’ ilay andro lehibe farany. HM 25.5

Nolazain’ i Jesosy tamin’ ireo mpianatra nihaino Azy koa ireo fitsarana izay hianjady amin’ Isiraely nihemotra ary indrindra ny valifaty hihatra aminy noho ny nandavany ny Mesia sy ny nanomboany Azy tamin’ ny hazo fijaliana. Hisy famantarana tsy mampisalasala hialoha ny fara-tampon’ ilay toe-javatra mampahatahotra. Ho avy tampoka sy haingana ilay ora mahatsiravina. Nampitandrina ny mpanaraka Azy ny Mpamonjy nanao hoe : «Koa raha hitanareo mitsangana ao amin’ izay fitoerana masina ny fahavetavetan’ ny fandravana», izay nampilazaina an’ i Daniela mpaminany (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra»28Mat.24:15,16;Lio.21:20,21 Rehefa tafajoro eo amin’ ny tany masina izay mirefy zato metatra vitsivitsy ivelan’ ny mandan’ ny tanàna ny fanevan’ ny fanompoan-tsampin’ i Roma, dia ny fandosirana no hahitan’ ireo mpanaraka an’ i Kristy fiarovana. Rehefa hita ny famantarana ny loza mananontanona, dia tsy mahazo mitaredretra ireo izay tokony handositra. Tsy maintsy hankatoavina avy hatrany ny baiko fandosirana manerana ny tanin’ i Jodia, sy ao Jerosalema. Izay sendra eny an-tafontranony dia tsy tokony hidina ao an-tranony, na dia haka ny hareny sarobidy indrindra aza. Ireo izay miasa any an-tsaha na any amin’ ny tanimboaloboka dia tsy tokony handany andro hiverina haka ny fitafiana ivelany napetraka raha mbola miasa amin’ ny hafanan’ ny andro izy. Tsy tokony hisalasala na dia fotoana fohy aza izy, sao ringana miaraka amin’ ny zava-drehetra. HM 26.1

Tamin’ ny fotoana fohy nanjakan’ i Heroda, dia tsy nohatsaraina betsaka fotsiny ny hakanton’ i Jerosalema, fa natsangana koa ny tilikambo sy ny manda mafy, ka miampy ny toerana nisy azy rahateo izay efa nahamafy azy, dia nanjary toa tsy azo tafihina izy. Natao hoe mpampitahotra sy simba saina toa an’ i Noa izay sahy nilaza mialoha ampahibemaso ny faharavany tamin’ izay fotoana izay. Nefa i Kristy efa nilaza hoe : «Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona»29Mat.24:35. Noho ny fahotana nataony, dia nanameloka an’ i Jerosalema ny fahatezerana, ary nahatonga ny loza hanjo azy ho tsy maintsy hihatra noho ny ditrany sy ny tsy finoany. HM 26.2

Izao no efa nolazain’ i Jehovah tamin’ ny alalan’ ny mpaminany Mika : «Masina ianareo, mihainoa izao, ry loholon’ ny taranak’ i Jakoba, sy ny mpanapaka ny taranak’ Isiraely, dia ianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana sy mamadika ny hitsiny rehetra, dia izay manangana an’ i Ziona amin’ ny fandatsahan-dra sy Jerosalema amin’ ny faharatsiana. Ny mpifehiny mitsara hahazoany kolikoly, ary ny mpisorony mampianatra hahazoany karama, ary ny mpaminany manao fankatovana hahazoany vola; nefa Jehovah mbola iankinany ihany hoe : «Tsy ato amintsika va Jehovah ? Tsy hisy loza hanjo antsika»30Mika.3:9-11. HM 26.3

Ireo teny ireo dia milaza marina tsara ny faharatsiana sy ny fanamarinan-tenan’ ny mponin’ i Jerosalema. Mihambo ho manaraka akaiky ireo foto-kevitry ny lalàn’ Andriamanitra izy, nefa dia mandika ny foto-keviny rehetra. Nankahalainy i Kristy satria nampiharihary ny faharatsiany ny fahadiovany sy ny fahamasinany, ary Izy no nampangainy ho niavian’ ny fahasahiranana rehetra nihatra tamin’ izy ireo noho ny vokatry ny fahotany. HM 27.1

Na dia fantany aza fa tsy nanam-pahotana Izy, dia nambarany fa ilaina ny fahafatesany mba hiarovana azy ireo amin’ ny mahafirenena azy. «Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, hoy ireo mpitarika Jiosy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra, ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika»31Jao.11:48. Raha natao fanatitra i Kristy dia mbola nety ho firenena matanjaka sy miray indray izy. Toy izany no fisainany, koa niray hevitra tamin’ ny fanapahan-kevitry ny mpisoronabeny izy, fa tsara kokoa ho an’ ny olona iray ny ho faty, toy izay ny firenena manontolo no ho levona. HM 27.2

Tamin’ izany fomba izany no «nananganana an’ i Ziona amin’ ny fandatsahan-dra sy Jerosalema amin’ ny faharatsiana»32Mika.3:10,12. Namono ny Mpamonjy izay nanameloka ny fahotany izy. Na dia izany aza dia fatratra indrindra ny fanamarinan-tenany ka nihevi-tena ho vahoaka ankasitrahan’ Andriamanitra izy, ary nanantena ny Tompony hanafaka azy amin’ ny fahavalony. «Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona, noho ny nataonareo, hoy ny mpaminany manohy, ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala»32Mika.3:10,12. HM 27.3

Efa ho efapolo taona mihitsy no nilazan’ i Kristy ny loza hanjo an’ i Jerosalema, nefa dia nahemotry ny Tompo ny fitsarana hihatra amin’ ny tanàna sy ny firenena. Nahagaga ny faharipon’ Andria-manitra tamin’ ireo nanda ny filazantsarany sy ireo namono ny Zanany. Mampiseho ny fifandraisan’ Andriamanitra amin’ ny firenena Jiosy ilay fanoharana momba ny hazo tsy mamoa. Efa lasa ny baiko nanao hoe : «Kapao io ; nahoana io no manimba ny tany ?»33Lio.13:7 nefa mbola niaro azy fotoana fohy ny famindrampon’ Andriamanitra. Mbola betsaka teo amin’ ny Jiosy no tsy nahalala ny toetra amampanahin’ i Kristy sy ny asany. Ny zanaka koa dia tsy mbola nanana fotoana mety handraisany ny fahazavana izay nohamavoin’ ny ray aman-dreniny. Tamin’ ny alalan’ ny fitoriana nataon’ ny apostoly sy ireo mpiara-miasa taminy no nampamirapiratan’ Andriamanitra fahazavana teo aminy, navela ho hitany ny fomba nahatanteraka ny faminaniana, tsy teo amin’ ny nahaterahan’ i Kristy sy ny fiainany ihany, fa teo amin’ ny fahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ ny maty koa. Tsy nohelohina noho ny heloky ny ray aman-dreny ny zanaka ; nefa kosa rehefa nanana fahalalana momba ny fahazavana rehetra nomena ny ray aman-dreny ny zanaka ka nanda ny fahazavana fanampiny nomena azy, dia nanjary mpiray amin’ ny fahotan’ ny ray aman-dreniny izy ireo, ka nahafeno ny fatran’ ny faharatsiany. HM 27.4

Vao mainka nanamafy ny ditran’ ny Jiosy sy ny tsy fetezany hibebaka ny famindrampon’ Andriamanitra tamin’ i Jerosalema. Nolaviny ny famindrampo farany natolotra azy tamin’ ny fankahalany ny mpianatr’ i Jesosy sy ny habibiana nasehony taminy. Tamin’ izay dia nalain’ Andriamanitra taminy ny fiarovany azy, ary notsoahiny ny heriny manakana an’ i Satana sy ny anjeliny, koa navela teo ambanin’ ny fifehezan’ ny mpitarika efa nofidiny ny firenena. Nanamavo ny fahasoavan’ i Kristy izay nety ho nahatonga azy ho afaka hifehy ireo fironany ratsy ny Jiosy kanefa tonga mpandresy azy ireo ankehitriny izany. Nofohazin’ i Satana ireo fironan’ ny fanahy mahery vaika sy ambany indrindra. Tsy nisaina ny olona ; tsy nanana fieritreretana intsony izy ka ny fihetseham-po sy ny fahatezerana jamba no nifehy azy. Nanjary tahaka an’ i Satana izy teo amin’ ny habibiany. Tao amin’ ny fianakaviana sy tao amin’ ny firenena, tao amin’ ny saranga ambony indrindra tahaka ny tao amin’ ny saranga ambany indrindra, dia nahitana fiahiahiana, fitsiriritana, fankahalana, adi-lahy, fikomiana, vonoan’ olona. Tsy nisy toerana azo antoka na taiza na taiza. Nifamadika ny mpihavana sy ny mpisakaiza. Namono ny zanany ny ray aman-dreny, ary ny zanaka namono ny ray aman-dreniny. Tsy nanan-kery hifehy ny tenany intsony ireo mpifehy ny vahoaka. Nahatonga azy ho lozabe ny fironany tsy voafehy. Nanaiky vavolombelona mandainga ny Jiosy mba hoenti-manameloka ny Zanak’ Andriamanitra tsy manan-tsiny. Ankehitriny dia nahatonga ny ainy tsy ho azo antoka ny fiampangana tsy marina. Tamin’ ny asa nataony dia ela no nilazany hoe : «Atsaharo ny Iray Masin’ Isiraely tsy ho eo anoloany intsony»34Isa.30:11. Tanteraka ankehitriny ny faniriany. Tsy manelingelina azy intsony ny faha- tahorana an’ Andriamanitra. Satana no filohan’ ny firenena ary teo ambanin’ ny fanapahany ny fahefana ambony indrindra ara-panjakana sy ara-pivavahana. HM 28.1

lndraindray ireo mpitarika ao amin’ ny antoko mpanohitra dia mifanaraka mba handroba sy hampijaly ireo olona fadiranovana azony, rehefa izany dia izy ireo indray no mifamely sy mifamono tsy misy famindrampo. Tsy nahatana ny habibiana mahatsiravina na dia ny fahamasinan’ ny tempoly aza. Teo anoloan’ ny alitara no nandavoana ny mpivavaka, ka voaloton’ ny fatin’ ny olona novonoina ny fitoerana masina. Tao amin’ ny fahajambany sy ny fireharehany miteny ratsy an’ Andriamanitra dia nilaza ampahibemaso ireo niavian’ izany asan-devoly izany fa tsy natahorany ny haharava an’ i Jerosalema, satria tanànan’ Andriamanitra izany. Mba hampitoetra ny fahefany bebe kokoa dia nanolikoiy mpaminany sandoka izy hanambara fa na dia manao fahirano ny tempoly aza ny legiona Romana, dia tokony hiandry fanafahana avy amin’ Andriamanitra ny vahoaka. Tamin’ ny farany dia nifikitra tamin’ ny finoana ny vahoaka marobe fa hisalovana ny Tsitoha ka handresy ireo fahavalony. Nefa efa nanamavo ny fiarovan’ Andriamanitra Isiraely, ary tsy nanam-piarovana izy ankehitriny. Ry Jerosalema mahantra ! rotiky ny ady an-trano, menan’ ny ran’ ny zanany novonoin’ ny tanan’ izy samy izy ny arabe, ary tamin’ izany fotoana izany ny tafika vahiny nandrodana ny manda mafiny ka namono ny mpiadiny. HM 29.1

Tanteraka ara-bakiteny avokoa ny fanambarana rehetra nataon’ i Kristy mialoha mikasika ny fandravana an’ i Jerosalema. Nanaovan’ ny Jiosy fanandramana ny fahamarinan’ ny teny fananarana hoe : «Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo»35Mat.7:2. HM 29.2

Niseho ny famantarana sy ny fahagagana nanambara mialoha ny loza sy ny antambo.Tamin’ ny sasak’ alina dia nisy fahazavana tsy fantatra namirapiratra teo ambonin’ ny tempoly sy ny alitara. Rehefa hilentika ny masoandro dia nisy sarin’ ny kalesy sy sarin’ ny miaramila mitangorona hiady teny amin’ ny rahona. Ireo mpisorona nanao fanompoam-pivavahana tao amin’ ny fitoerana masina ny alina dia tora-kovitra nandre feo tsy fanta-piaviana; nihorohoro ny tany. ary nisy feo marobe re niantso hoe : «Andeha isika hiala teto». Ilay vavahady atsinanana izay mavesatra loatra ka mila tsy ho voahidin ny roapolo lahy, ary narovan’ ny tsivalam-by makadiry nilentika lalina tao anaty rarivato mafy, dia nivoha tamin’ ny sasak alina ; tsy hita anefa izay nanao izany.36Milman«Tantaran’ny jiosy»,Boky faha-xIII. HM 29.3

Nandritra ny fito taona dia nisy lehilahy iray nivezivezy teo amin’ ny araben’ i Jerosalema nanambara ny fahoriana izay hianjady amin’ ny tanàna. Andro aman’ alina izy dia nihirahira ireto tononkira hafahafa36Milman«Tantaran’ny jiosy»,Boky faha-xIII ireto manao hoe : «Misy feo avy any atsinanana ! misy feo avy any andrefana ! misy feo avy amin’ ny vazan-tany efatra ! misy feo mamely an’ i Jerosalema sy mamely ny tempoly ! misy feo mamely ny mpampakatra sy ny ampakarina ! misy feo mamely ny vahoaka manontolo !» Tsy nangina ny antsoantso fanairana nataony raha tsy novonoina tao anatin’ ny fahirano nambarany mialoha izy. HM 30.1

Tsy nisy na dia iray aza ny kristiana maty mandritra ny nandravana an’ i Jerosalema. Efa nomen’ i Kristy ny mpianatra ny hafatra fanairana, ary izay rehetra nino ny teniny dia niandry ny famantarana nampanantenaina : «Ary raha mahita an’ i Jerosalema voahodidin’ ny miaramila ianareo, hoy Jesosy, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. Ary izay any Jodia amin’ izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra ; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany»37Lio.21:20,21. HM 30.2

Rehefa nohodidin’ ny miaramila Romana notarihin’ i Sestiosy ny tanàna, dia nilaozana tamin’ ny fomba tsy nampoizina ny fahirano nataony, nefa toa nahazoany nanafika avy hatrany no fijery ny zavatra rehetra. Efa saiky hilavo lefona ny natao fahirano, satria namoifo tsy ho afaka hanohitra, nefa dia nalain’ ilay mpitari-tafika Romana ny miaramila ary tsy hita izay anton’ izany na dia kely aza. Ny fitondran’ Andriamanitra be famindrampo anefa no nandamina ny toe-javatra hahasoa ny vahoakany. Nomena ny famantarana nampanantenaina ireo kristiana efa niandry, ary tamin’ izay dia nisy fotoana nety nandosirana natolotra izay rehetra ta-hanao izany ka hankatò ny hafatra nomen’ ny Mpamonjy. Tsara indrindra ny nandaharana ny toe-javatra ka na ny Jiosy na ny Romana dia tsy nanakana ny fandosiran’ ny kristiana. Rehefa niala i Sestiosy, dia nivoaka an’ i Jerosalema ny Jiosy ka nanenjika ny tafika nihemotra ; ary raha mbola rafitra niady tsara ny roa tonta dia afaka nivoaka ny tanàna ny kristiana. Tamin’ izay fotoana izay dia nadio tsy nisy fahavalo izay nety niezaka ny hanakana azy koa, ny tany manodidina. Tamin’ ny fotoan’ ny fahirano dia tafavory tao Jerosalema ny Jiosy mba hankalaza ny fetin’ ny Tabernakely, ary noho izany, ny kristiana eran’ ny tany rehetra dia afaka nandositra tsy nisy nanabataba. Tsy nangatak’ andro izy fa nandositra nankany amin’ ny toerana azo antoka, dia ny tanànan’ i Pela, tany Perea ankoatran’ i Jordana. HM 30.3

Ireo miaramila Jiosy izay nanenjika an’ i Sestiosy sy ny tafiny, dia namely mafy ny hazany tamin’ ny hatezerana mivaivay ka saiky nandevona azy tanteraka. Sahirana mafy ny Romana vao afaka niala. Saiky tsy nisy fahavoazana ny Jiosy, ka niverina tamim-pandresena tao Jerosalema nitondra babo. Tsy nitondra afa-tsy zava-doza ho azy anefa io toa fandresena io. Nahatonga toe-tsaina nanohitra ny Romana an-ditra izany, izay vetivety dia nahatonga loza tsy hay lazaina tamin’ ilay tanàna voaheloka. HM 31.1

Nahatsiravina ny antambo nianjady tamin’ i Jerosalema rehefa namerina ny fahirano i Titosy. Tamin’ ny fotoan’ ny Paska no notafihiny ny tanàna ; an-tapitrisa ny Jiosy tao anatin’ ny manda tamin’ izay. Ny tahirin-kanina izay narovany fatratra, dia nety ho ampy ny mponina an-taona maro, nefa efa nosimban’ ireo antoko mpanohitra talohan’ izao noho ny fialonana sy ny valifaty, ary ankehitriny dia nanao fanandramana ny amin’ ny zava-doza rehetra ateraky ny tsy fisian-kanina izy. Namidy talenta iray ny vary iray famarana. Mafy loatra ny fahoriana noho ny hanoanana ka notsakotsakoin’ ny olona ny hoditra amin’ ny fehin-kibony sy ny kapany ary ny fonon’ ny sabany. Betsaka ny olona nangalatra nitsimpona zava-maniry ho azy teny ivelan’ ny mandan’ ny tanàna amin’ ny alina, na dia maro aza no tratra ka novonoina tamin’ ny fampijaliana mahatsiravina, ary matetika ireo izay tafaverina soa amantsara no nangalarina izay notsimponiny tamin’ ny nisedrany lozabe toy izany. Nampiharin’ ireo manam-pahefana ny fampijaliana tsy zakan’ ny olombelona indrindra mba hakany an-keriny amin’ ny vahoaka tratry ny tsy fisian-kanina ny hanina kely farany mety nafeniny. Ary matetika no olona tsara sakafo izay naniry fotsiny ny hanangona tahiry amin’ ny ho avy no manao ireny habibiana ireny. HM 31.2

An’ arivony no matin’ ny mosary sy ny areti-mandringana. Toa maty ny fitiavana voa-janahary. Ny lahy nangalatra ny an’ ny vavy ary ny vavy nangalatra ny an’ ny lahy. Rombahin’ ny ankizy eny am-bavan’ ny ray aman-dreny antitra ny sakafo. Nahazo valiny ilay fanontanian’ ny mpaminany manao hoe : «Mety manadino ny zanany minono ve ny vehivavy ?» 38Isa.49:15;39 tao anatin’ ny mandan’ ilay tanàna voaheloka. «Ny tànan’ ny vehivavy malemy fanahy aza dia nahandro ny zanany ; eny, izany no nohaniny tamin’ ny fandringanana ny oloko zanakavavy»39Fitom.4:10. Tanteraka indray ilay faminaniana fananarana nomena efajato taona talohan’ izao : «Ny vehivavy malemilemy sy mihantahanta eo aminao, izay tsy mbola nanandrana nandia tany noho ny fihantahantany sy ny fahalemeny, dia ho ratsy fijery ny vadiny andefimandry sy ny zanani-lahy ary ny zanani-vavy, . . . sy ny zanany vao teraka, fa hihinana izany mangingina izy noho ny tsy fisian-javatra amin’ ny fahirano sy ny fanerena, izay haneran’ ny fahavalonao anao eny amin’ ny tanànanao»40Deat.28:56.57. HM 31.3

Niezaka nampatahotra ny Jiosy ireo mpitarika Romana, mba hampilefitra azy ; ny gadra nanohitra dia nokapohiny sy nampijaliany ary nomboiny tamin’ ny hazo fijaliana teo anoloan’ ny mandan’ ny tanàna. HM 32.1

An-jatony no novonoina toy izany isan’ andro, ary mbola nitohy ihany io asa mahatsiravina io tany amin’ ny lohasahan’ i Josafata sy ny tany Kalvary, mandrapaha-tsy hisian’ ny toerana handehanana eny anelanelany noho ny habetsahan’ ny hazo fijaliana najoro. Tamin’ ny fomba mahatsiravina loatra no namaliana ilay teny mampahatahotra natao teo amin’ ny fitsaran’ i Pilato nanao hoe : «Aoka ny rany ho aminay mbamin’ ny zanakay» 41Mat.27:25. HM 32.2

Nirin’ i Titosy ny hamarana izany zavatra mahatsiravina izany. ary amin’ izay dia ho niaro an’ i Jerosalema tsy hiharan-doza amin’ ny fahafenoan’ ny kapoakany miandry azy izy. Tsiravina izy nahita ny faty manao antonta tao amin’ ny lohasaha. Toa azon-javatra izy nijery ny hakanton’ ny tempoly avy eny amin’ ny tampon’ ny tendrombohitra Oliva ka nibaiko ny tsy hikasihana na dia vato iray aza. Talohan’ ny nanandramany hanafika io manda mafy io, dia nanao antso mafana tamin’ ny mpitarika Jiosy izy tsy hanery azy handoto io fitoerana masina io amin’ ny ra. Raha manatona izy ireo ka hiady amin’ ny toeran-kafa dia tsy hisy miaramila Romana hanevateva ny fahamasinan’ ny tempoly. Josefosy mihitsy no nanao kabary sy antso niangavy azy ireo hilefitra ka hamonjy ny tenany, ny tanànany, sy ny toeram-pivavahany. Nefa ozona mafaitra no namaliana ny teniny. Zanatsipika no natoraka teny aminy raha nitalaho taminy izy, dia izy ilay olona nanelanelana farany ho azy. Nolavin’ ny Jiosy ny fiangavian’ ny Zanak’ Andriamanitra, ary ankehitriny vao mainka nahatonga azy hanohitra hatramin’ ny farany ny fananarana sy ny fiangaviana. Tsy nisy vokany ny fiangavian’ i Titosy hamonjy ny tempoly ; nisy Anankiray lehibe noho izy efa nilaza fa tsy hisy vato hifanongoa eo. HM 32.3

Ny fikirizana tsy amim-piheverana nataon’ ny mpitarika Jiosy, sy ny vonoan’ olona mahatsiravina tao anatin’ ny tanàna natao fahirano, dia naharikoriko sy nampisafoaka ny Romana, ka tamin’ ny farany dia nanapa-kevitra i Titosy fa hotafihiny ny tempoly mba hahazoany azy. Nihevitra izy anefa, raha azo atao ny hiaro ny tempoly tsy ho rava. Nefa tsy noraharahaina ny baikony. Rehefa nandeha niala sasatra tao amin’ ny lainy izy ny alina. dia nirongatra avy tao amin’ ny tempoly ny Jiosy ka nanafika ny miaramila tany ivelany. Teo amin’ ny fifanjevoana, dia nisy fanilo natsipin’ ny miaramila iray tao amin’ ny hirika iray teo amin’ ny vavahady, ary avy hatrany dia nidedadeda ny efitrano rakotra sedera teo akaikin’ ny tempoly masina. Nirohotra nankeo amin’ io toerana io i Titosy sy ny mpitari-tafiny ary ny legionany, ka nibaiko ny miaramilany hamono ny afo. Tsy nohenoina ny teniny. Nisafoaka ny miaramila ka nanipy fanilo mirehitra tao amin’ io efitra nifanila tamin’ ny tempoly io ary naripany tamin’ ny sabatra ny olona marobe nialoka tao. Niboiboika tahaka ny rano ny ra teny amin’ ny tohatry ny tempoly. An’ arivorivony ny Jiosy maty. Re mafy noho ny tabataban’ ny ady ny feo miantsoantso hoe : «Ikaboda» .! izany hoe lasa ny voninahitra, no heviny. HM 32.4

«Hitan’ i Titosy fa tsy azo atao ny hisakana ny fahaviniran’ ny miaramilany; niditra niaraka tamin’ ny manam-boninahitra izy, ka nitazana ny tao anatin’ ilay trano masina. Nahazendana azy ny voninahiny ; ary raha mbola tsy tafiditra tao amin’ ny fitoerana masina ny afo, dia nanao ezaka farany izy hamonjena izany, ka nivoaka indray, nangataka ny miaramilany hampijanona ny ady. Ny kapiteny Liberalis dia niezaka ny hanery ny miaramila hankatò ka nitondra ny tehina fibaikoany ; nefa na dia ny fanatrehan’ ilay jeneraly lehibe aza dia tsy naha-menamaso ny romana hampijanona ny haromotany tsy hamely ny Jiosy fa vao mainka nitarika famporisihana mahatsiravina ho amin’ ny ady, ary ho amin’ ny fitiavankandroba tsy mety afa-po. Hitan’ ny miaramila fa namirapiratry ny volamena avokoa ny manodidina azy, izay nanjelanjelatra tarafin’ ny fahazavana be avy amin’ ny afo ka noheveriny fa misy harena tsy hita lany napetraka tao amin’ ny tempoly. Nisy miaramila iray izay tsy nisy nahita, nanipy fanilo nirehitra teo anelanelan’ ny savilin’ ny varavarana; avy hatrany dia nirehitra ny trano manontolo. Jambenan’ ny setroka sy ny afo ireo manam-boninahitra ka voatery nihemotra sy nandao ilay trano mendri-kaja ary namela azy ho may. HM 33.1

«Nahatsiravina ny Romana izany ary nanao ahoana ho an’ ny Jiosy ! Nidedadeda tahaka ny volkano ny tampon’ ny havoana manontolo izay teo ambonin’ ny tanàna. Nifandimby nirodana ireo trano, nidaraboka mahatsiravina, ary natelin’ ny hantsana mangitsokitsoka mirehitr’ afo. Tahaka ny ravin-taratasy mirehitra ny tafo sedera ; namirapiratra tahaka ny fantsika mena ireo tilikambo natao ankosotra volamena, namoaka andriafo sy setroka lehibe ireo tilikambo teo am-bavahady. Nazava avokoa ireo havoana manodidina ; ary hita ny olona nitsitokotoko eny amin’ ny maizimaizina nanara-maso ny fandroson’ ny faharavana, feno tebiteby izaitsizy. Ny manda sy ny toerana avo tao amin’ ny tanàna ambony dia nahitana endrik’ olona mitangorona, tao ny hatsatra noho ny hakiviana mihatra aman’ aina, tao ny niketrona noho ny hatezerana tsy afaka mamaly faty. Ny antsoantson’ ny miaramila Romana nivezivezy, sy ny fidradradradran’ ny mpikomy izay maty tao anaty afo, dia nifangaro tamin’ ny tabataban’ ny ady sy ny feon’ ny rairaindrihana miantonta tahaka ny varatra. Naverin’ ny tendrombohitra ny akon’ izany, ka nentiny koa ny kiakiakan’ ny olona any amin’ ny toerana avo ; manaraka ny manda rehetra dia manakoako ny fidradradradrana sy ny fitarainana : ny olona miala aina noho ny hanoanana dia nanangona ny heriny sisa hanao feo mitory tebiteby sy fahakiviana. HM 33.2

Ny vonoan’ olona tao an-tanàna anefa dia nahatsiravina noho izay hita teny ivelany. Ny lehilahy sy ny vehivavy, ny antitra sy ny tanora, ny mpikomy sy ny mpisorona, ireo izay miady sy ireo izay mitalaho famindrampo, dia samy nokapaina ho faty tsy nisy avakavaka. Nihoatra ny isan’ ny mpamono ny isan’ ny novonoina. Voatery nananika tongotra aman-tanana ny antontan’ ny olona maty ny miaramila mba hanatanteraka ny asa fandringanana nataony» 42Milman«Tantaran’ny jiosy»,Boky faha-XVI . HM 34.1

Rehefa rava ny tempoly, dia vetivety dia teo am-pelatanan’ ny Romana ny tanàna manontolo. Nialan’ ireo mpitarika Jiosy ireo tilikambony tsy azo tafihina, ka nandeha i Titosy nijery azy ireo samirery. Gaga izy raha nijery ka loa-bolana fa Andriamanitra no nanolotra azy ireo teo am-pelatanany, satria tsy nisy fitaovana, na mahery toy inona aza, afaka nanohitra ireo fiadiana mahatalanjona ireo. Na ny tanàna na ny tempoly dia samy nofongorana hatrany amin’ ny fotony, ary ny tany nisy ny tempoly masina dia «nasaina toy ny tanimboly» 43Jer. 26 : 18. Mihoatra ny iray tapitrisa ny olona maty tamin’ ny fahirano sy ny vonoan’ olona nanaraka izany ; nentina ho babo ny sisa tsy maty, namidy ho andevo, notaritarihina tany Roma hanasohaso ny fandresen’ ny mpanafika, natsipy ho an’ ny bibi-dia tao amin’ ny toeran-danonana, na naparitaka eran’ ny tany toy ny mpirenireny tsy manan-tokantrano. HM 34.2

Ny Jiosy ihany no nanefy ny gadrany. Nahafeno ny kapoakan’ ny valifaty ho an’ ny tenany izy. Ny fandravana azy farany amin’ ny maha-firenena azy, sy ny fahoriana rehetra nanaraka izany, izy niparitaka, dia tsy inona fa fijinjana izay nafafin’ ny tanany ihany. Hoy ny mpaminany : «Izao no maharingana anao ry Isiraely ò, » «fa lavon-keloka ianao»44Hosea.13:9;14:1. Matetika ny fahoriany no aseho ho toy ny famaizana mianjady aminy, ary didy mivantana avy amin’ Andriamanitra. Toy izany no tadiavin’ ilay mpamitaka lehibe hanafenany ny asan’ ny tenany. Ny ditran’ ny Jiosy sy ny fandavany ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny famindrarnpony no nahatonga ny fiarovan’ Andriamanitra ho nesorina taminy ary navela hanjaka taminy araka ny sitrapony i Satana. Ireo habibiana mahatsiravina natao nandritra ny nandravana an’ i Jerosalema dia fanehoana ny herin’ i Satana mamaly taty amin’ ireo izay milefitra hofeheziny. HM 35.1

Tsy fantatsika ny fahasoavana raisintsika amin’ i Kristy amin’ ny fiadanana sy ny fiarovana iriariavantsika. Ny herin’ Andriamanitra manohitra no miaro ny olombelona tsy ho lasa tanteraka eo ambanin’ ny fifehezan’ i Satana. Manana antony lehibe isaorana an’ Andriamanitra ny tsy mankatò sy ny tsy mahalala mankasitraka noho ny famindrarnpony sy ny faharetam-pony hanakana ny fahefana masiaka sy fetsy ananan’ ilay ratsy. Nefa rehefa mihoatra ny faharipon’ Andriamanitra ny olona dia esorina io fisakanana io. Tsy mpanatanteraka ny didim-pitsarana noho ny fandikan-dalàna Andriamanitra eo anoloan’ ny mpanota; fa avelany samirery kosa ireo mpandà ny famindrarnpony hijinja izay nafafiny. Ny tara-pahazavana rehetra nolavina, ny fananarana rehetra natao tsinontsinona na tsy nohenoina, ny fironana rehetra nokolokoloina, ny fandikana ny lalàn’ Andriamanitra rehetra dia voa afafy, izay tsy maintsy hamoa. Ny Fanahin’ Andriamanitra izay toherina hatrany dia alaina amin’ ny mpanota amin’ ny farany, ary amin’ izay dia tsy misy hery tavela hifehy ny fironana ratsy ao amin’ ny fanahy, ary tsy misy fiarovana amin’ ny hafetsena sy ny fandrafian’ i Satana. Fananarana miezinezina sy mahatahotra ho an’ izay rehetra manao vazivazy ny fahasoavan’ Andriamanitra ny nandravana an’ i Jerosalema, ary manohitra ny antsom-pitiavana feno famindrampon’ Andriamanitra. Tsy mbola nisy vavolombelona mazava toy izany na oviana na oviana ny amin’ ny fankahalan’ Andriamanitra ny fahotana, sy ny amin’ ny famaizana azo antoka hianjady amin’ ny mpanota. HM 35.2

Ny faminaniana nataon’ ny Mpamonjy momba ny fitsarana nianjady tamin’ i Jerosalema dia hisy fahatanterahany hafa, izay aloka manjavozavon’ izany fotsiny ny fahoriana mahatsiravina tao Jerosalema. Ny anjara ratsin’ ilay tanàna voafidy dia mety ahitantsika ny loza hanjo an’ izao tontolo izao izay nandà ny famindrampon’ Andriamanitra sy nanitsakitsaka ny lalàny. Manjombona ny sary mampiseho ny fahorian’ ny olombelona izay natrehin’ ny tany nandritra ireo taonjato lava be nanjakan’ ny vonoan’ olona. Ny fibanjinana ny vokatry ny fandavana ny fahefan’ ny lanitra dia mankarary fo ary mampikorontana ny saina. Nefa misy toe-javatra maizina kokoa aseho ao amin’ ny fanambarana mikasika ny ho avy. Ny tantara mirakitra ny lasa, — ireo korontana lava nifampitohitohy, ireo ady, ireo fikomiana, «ny kiraron’. izay mitratrevatreva fandeha eo amin’ ny fihorakorahan’ ny ady sy ny fitafiana mihosin-dra»45Isa. 9 : 4 dia tsy toy inona akory raha hampitahaina amin’ ny andro fahatezeran’ i Jehovah, andro izay nandavan’ ny fanahy tsy hiaro ny mpanota intsony, ka hamelany tanteraka ny mpanota ao amin’ ny firehetan’ ny filany ary ny fahatezeran’ ny olombelona sy ny devoly. Hobanjin’ izao tontolo izao ny vokatry ny fitondran’ i Satana izay tsy mbola fahitany hatrizay hatrizay. HM 36.1

Nefa amin’ io andro io, tahaka ny tamin’ ny nandravana an’ i Jerosalema, dia hafahana ny vahoakan’ Andriamanitra, «izay rehetra hita voasoratra ho anisan’ ny velona». Efa nilaza i Kristy fa ho avy fanindroany Izy, hanangona ireo izay nahatoky Azy. «Ary amin’ izany andro izany dia hiseho eo amin’ ny lanitra ny famantarana ny Zanak’ olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, ary hahita ny .Zanak’ olona, avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ ny rahon’ ny lanitra Izy. Ary amin’ ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangoniny ireo olom-boafidy avy amin’ ny vazan-tany efatra hatramin’ ny faravodilanitra rehetra» 46Mat. 24 : 30. 31. Amin’ izay ireo izay tsy nankatò ny filazantsara dia holevon’ ny fofon’ ain’ ny vavany, ka hofoanany amin’ ny fisehoan’ ny fiaviany.472 Tes. 2 : 8 Tahaka an’ Isiraely, dia hamongotra ny tenany ny ratsy fanahy ; ny fahadisoany ihany no mahalavo azy. Tamin’ ny fíainam-pahotana, dia nametraka ny tenany tamin’ ny toerana tsy mifandrindra amin’ Andriamanitra izy, nanjary simban’ ny ratsy indrindra ny tenany, ka tahaka ny afo mandevona ho azy ny fisehoan’ ny voninahitr’ Andriamanitra. HM 36.2

Aoka hitandrina ny olona tsy hanao antsirambina ny lesona ho azy ao amin’ ny tenin’ i Kristy. Tahaka ny nanafarany ny mpianany momba ny fandravana an’ i Jerosalema, ka nanomezany mariky ny fandravana azy efa manakaiky mba hahazoany mandositra, toy izany koa no nanafatrafarany an’ izao tontolo izao momba ny andro hisian’ ny fandravana farany, ka nanomezana famantarana ny fahakekezan’ izany, mba hahazoan’ izay rehetra ta-handositra ny fahatezerana ho avy hanao izany. Hoy Jesosy : «Ary hisy famantarana eo amin’ ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etý ambonin’ ny tany dia hisy fahorian’ ny firenena» 48Lio. 21 : 25 ; Marka 13 : 24-26 ; Apok.6 : 12, 17. HM 36.3

Ireo izay mibanjina ireo famantarana mpialoha lalana ny amin’ ny fiaviany dia mahalala fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy. «Koa miambena ianareo» 49Mat. 24 : 32 hoy ny teny fananarany. Ireo izay mitandrina ny hafatrafatra dia tsy havela ao amin’ ny haizina, ka ho tonga aminy tampoka izany andro izany. Fa ho an’ ireo izay tsy miambina kosa, «dia ho avy tahaka ny mpangalatra amin’ ny alina ny andron’ ny Tompo» 50Mar. 13 : 35. HM 37.1

Tsy vonona hino ny hafatra amin’ izao fotoana izao tahaka ny Jiosy tsy vonona handray ny fananarana mikasika an’ i Jerosalama izao tontolo izao. Na rahoviana na rahoviana no ahatongavan’ ny andron’ Andriamanitra dia tsy ho vonona ny ratsy fanahy. Rehefa mitohy misosa amin’ ny fizotrany andavanandro ny fiainana; rehefa variana amin’ ny fahafinaretana amin’ ny asa aman-draharaha, amin’ ny varotra, amin’ ny fitadiavam-bola; rehefa manandratra ny fandrosoana ataon’ izao tontolo izao sy ny fahazavana eo aminy ireo mpitondra fivavahana, ary voarotsirotsin’ ny antoka sandoka ny olona, amin’ izay, tahaka ny mpangalatra amin’ ny misasak’ alina tonga hangalatra amin’ ny trano tsy voambina, dia ho tampoka toy izany koa no hiavian’ ny fandravana amin’ ireo izay manao an-tsirambina sy amin’ ny ratsy fanahy, «ka tsy ho afa-mandositra izy»51Tes. 5 : 2-5. HM 37.2