Ny anankiray amin’ ny fanambarana mendrika indrindra natao ho an’ ny Fanavaozana ara-pivavahana hatramin’ izay dia ny Fanoherana natolotr’ ireo andriandahy Kristiana tany Alemaina tao amin’ ny Filankevitry ny fanjakana foibe tany Spira, tamin’ ny taona 1529. Ny herim-po, ny finoana sy ny toetra matotra nasehon’ ireo olon’ Andriamanitra ireo dia nahazoana fahafahana eo amin’ ny fanarahana izay lanin’ ny saina sy ny feon’ ny fieritreretana tamin’ ireo taona manaraka. Ny fanoherana nataon’ izy ireo no nahatonga ny anarana hoe «Protestanta» (mpanohitra), ny foto-kevitra voalaza ao no «tena votoatin’ ny fivavahana protestanta». — D’Aubigné, boky 13, toko 6. HM 201.1
Nandalo andro maizina feno fandrahonana ny Fanavaozana arapivavahana. Na dia teo aza ny didy navoaka tao Worms, izay nilaza an’ i Lotera ho tsy arovan’ ny lalàna intsony sy nandrara ny fampianarana na ny finoana ny foto-pinoany, dia nisy koa fandeferana ara-pivavahana nanjaka tokoa teo amin’ ny fanjakana. Ny fitondran’ Andriamanitra no nampandamoka ireo hery nanohitra ny fahama-rinana. Niezaka mafy i Charles fahadimy hanamontsana ny Fanavaozana ara-pivavahana, nefa matetika raha nanangana ny tanany hikapoka izy no voatery nampivily ny totohondriny. Impiry impiry no toa tsy azo ialana intsony ny fanafonganana tsy misy hatak’ andro an’ izay rehetra sahy nanohitra an’ i Roma, nefa tamin’ ny fotoana sarotra indrindra dia nanangasanga tery amin’ ny sisin-tany atsinanana ireo tafiky ny Tiorka, na ny mpanjakan’ i Frantsa, ary na dia ny papa mihitsy aza, izay nialona ny fahalehibeazan’ ny amperora nitombo hatrany ka nanangana ady taminy, koa noho izany, teo anivon’ ny ady sy ny fifanjevoan’ ny firenena, dia navela hihamatanjaka sy hiely hatrany ny Fanavaozana ara-pivavahana. HM 201.2
Tamin’ ny farany anefa, dia nampangina ny adiadiny ireo andriandahy mpanaraka ny papa, mba hahazoany mitambatra hamely ireo Mpanavao fivavahana. Ny Filan-kevitry ny fanjakana foibe tany Spira tamin’ ny taona 1526 dia nanome malalaka fahafahana ho an’ ny fanjakana tsirairay raha ny mikasika ny fivavahana mandra-pisian’ ny fivoriambe fiheveran-draharaha; nefa raha vantany vao afaka ny loza izay nahavoatery azy nilefitra toy izany, dia nampiantso ny filan-kevitry ny fanjakana foibe indray ny amperora hivory any Spira tamin’ ny taona 1529, ny antony dia ho fanamontsanana ny «herezia». Hotarihina an-kolaka. amin’ ny fomba mitory fihavanana raha azo atao, ireo andriandahy hiandany hanohitra ny Fanavaozana ara-pivavahana nefa raha tsy mahomby izany, dia nivonona hampiasa ny sabatra i Charles. HM 202.1
Dibo-kafaliana ireo papista. Marobe izy ireo no tonga tany Spira ary nasehony niharihary ny fahavononany hiady tamin’ ireo mpanavao fivavahana sy ny mpankasitraka azy. Hoy Melanchton : «Tonga fankahala sy toy ny fakofako teo imason’ izao tontolo izao izahay; hijery ny vahoakany mahantra anefa i Kristy ka hiaro azy». Ibid, boky 13, toko 5. Ireo andriandahy nanaraka ny filazantsara nanatrika ny filan-kevitry ny fanjakana foibe dia norarana tsy hitory ny filazantsara na dia any amin’ ny fonenany aza. Nangetaheta ny fahamarinana anefa ny vahoaka tao Spira, koa na dia izany aza ny fandrarana, dia an’ arivony ny olona nifanizina nandritra ny fanompoam-pivavahana tao amin’ ny fiangonan’ ny filohan’ i Saksonia. HM 202.2
Nanafaingana ny fifandonana izany. Nisy teny midina avy tamin’ ny amperora nanambara tamin’ ny Filan-kevitra fa satria nahatonga korontana be ny fanapahan-kevitra nanome fahafahana hanaraka ny feon’ ny fieritreretana dia mandidy ny amperora hanafoanana izany didy jadona izany. Niteraka fahatezerana sy hatairana tao amin’ ireo kristiana ara-pilazantsara io. Hoy ny anankiray: «Mby am-pelatanan’ i Kaiafa sy Pilato indray i Kristy». Nihahenjana ireo mpomba an’ i Roma. Nisy iray mpiandany tery saina tamin’ i Papa izay nilaza hoe: «Aleo ny Tiorka toy izay ny Loterana; ny Tiorka mantsy manaja ny andro fifadian-kanina fa ny Loterana mandika izany. Raha tsy maintsy mifidy amin’ ny Soratra Masin’ Andriamanitra sy ireo hevi-diso notanan’ ny fiangonana hatry ny fahagola isika, dia hotsipahintsika itsy voalohany». Hoy i Melanchton: «Isan’ andro vaky izao, eo an-kavoriana eo, dia mitora-bato vaovao aminay mpitana ny filazantsara i Faber». Ibid, boky 13, toko 5. HM 202.3
Efa nankatoavin’ ny lalàna ny fandeferana ara-pivavahana ka tapa-kevitra ireo fanjakana nanaiky ny filazantsara fa hanohitra ny fanitsakitsahana ny zony. Lotera, izay mbola voaongana tsy ho anisan’ ny olom-pirenena noho ny didy navoaka tao Worms, dia tsy navela hanatrika ny fivoriana tany Spira, nisolo toerana azy anefa ireo mpiara-miasa taminy niaraka tamin’ ireo andriandahy izay efa natsangan’ Andriamanitra hiaro ny asany tamin’-izao ady sarotra izao. 1 Frederika avy any Saxe izay lehilahy mendrika niaro an’ i Lotera teo aloha, dia efa nopaohin’ ny fahafatesana; ny Andriandahy John, izay rahalahiny sy mpandimby azy anefa dia efa nandray koa ny Fanavaozana ara-pivavahana tamim-pifaliana, ary na dia sakaizan’ ny fandriam-pahalemana aza izy, dia nampiseho hafanam-po lehibe sy fahasahiana tamin’ ny zavatra rehetra nikasika ny tombon-tsoan’ ny finoana. HM 203.1
Nangatahin’ ny pretra hilefitra avy hatrany tao ambany fahefan’ i Roma ireo fanjakana efa nanaiky ny Fanavaozana ara-pivavahana. Ireo mpanavao fivavahana kosa tetsy ankilany, dia nitaky ny fahafahana izay efa nomena azy teo aloha. Tsy azon’izy ireo nekena ny hifehezan’ i Roma indray ireo fanjakana izay efa nandray ny tenin’ Andriamanitra tamim-pifaliana fatratra tokoa. HM 203.2
Tamin’ ny farany mba ho marimaritra iraisana dia natolotra ny soso-kevitra fa ao amin’ ny toerana izay tsy mbola nahatafaorina ny Fanavaozana ara-pivavahana, dia hamafisina ho henjana indrindra ny Didy navoaka tao Worms, ary «amin’ ny toerana izay efa nialan’ ny olona tamin’ izany, ary izay tsy ahazoany manaraka izany ka tsy atahorana hiteraka fikomiana, dia fara-faharatsiny aoka tsy hampidirina fanavaozana hafa intsony, tsy tokony hotohintohinina izay hevitra misy fifanolanana, tsy tokony hosakanana ny fanaovana lamesa, ary tsy tokony hisy Katolika Romana havela hivadika ho Loterana».Ibid, boky 13, toko 5. Lany tao amin’ ny filan-kevitry ny fanjakana foibe io soso-kevitra io, ary afa-po tokoa ireo pretra sy ireo lohandohany niandany tamin’ ny papa. HM 203.3
Raha nampiharina io didy io, dia «samy tsy ho azo atao na ny manitatra ny Fanavaozana ara-pivavahana eo amin’ ny toerana tsy mbola nahafantatra izany, na ny nampijoro izany amin’ ny fototra mafy. . . eo amin’ ny toerana efa nisy azy rahateo».Ibid, boky 13, toko 5. Ho voasakana ny fahafahana miteny. . . Tsy ho misy fiovampinoana azo nekena. Ary nasaina nilefitra avy hatrany tamin’ ireo fameperana sy fandrarana ny sakaizan’ ny Fanavaozana ara-piva-vahana. Toa efa ho levona ny fanantenan’ izao tontolo izao. «Tsy maintsy hamerina indray ireo fanao tafahoatra teo aloha ny fanorenana indray ny ambaratongam-pahefan’ i Roma»,«ary hanararaotra ny toe-javatra ka mora foana ny «hanatanterahana ny fandravana ilay asa efa voahozongozona mafy tamin’ ny fandraisana antendrony sy ny fisaraham-bazana» —Ibid, boky 13, toko 5. HM 203.4
Raha nivory hifampila hevitra ny antoko miandany tamin’ ny filazantsara dia nifampijery tamim-pahakiviana tanteraka izy ireo. Nifampanontany izy hoe: «Inona no hatao?» zava-dehibe loatra momba izao tontolo izao no voatohintohina eto. «Hilefitra ve ireo filohan’ ny Fanavaozana ara-pivavahana ka hanaiky ny didy? Tamin’ izao tolona goavana izao, izay tena tsy omby tratra marina tokoa, dia zavatra kely foana tamin’ ny adi-hevitra nifanaovan’ ireto mpanavao fivavahana dia ampy ho nampivily azy ho amin’ ny lalandiso! Maro ny fialan-tsiny azony natao sy hevitra ara-drariny mety ho hitany hanamarinany ny fileferany! Nomena antoka fa mahazo manatanteraka malalaka ny fivavahany ireo andriandahy Loterana. Nampiharina koa tamin’ ny olony rehetra izay efa nanaiky ny fanavaozana ara-pinoana, talohan’ ny nivoahan’ io fepetra io, izany tombon-tsoa izany. Tsy tokony hahafa-po azy ve izany? Betsaka manao ahoana ny loza mety ho voasorok’ izany. Loza tsy fantatra sy fifandonana hanao ahoana no hosetrain’ izy iteo ho vokatry ny fandavana: Iza no mahalala izay fotoana mety azo hararaotina amin’ ny ho avy? Aoka horaisintsika ny fihavanana; aoka horaisintsika ny sampan’ oliva atolotr’ i Roma ka hikombona ny ferin’ i Alemaina». Ny fonjan-kevitra toy izany dia nety ho azon’ ireo Mpanavao fivavahana nanamarinana ny fanekeny hizotra amin’ ny lalana izay tsy isalasalana fa hahatonga faharavana vetivety amin’ ny zavatra niezahany. HM 204.1
«Soa ihany fa nojereny ny foto-kevitra nijoroan’ io fandaminana io, ka dia niroso tamim-pinoana izy. Inona izany foto-kevitra izany? Ny zo nananan’ i Roma hanerena ny feon’ ny fieri treretana sy hanakana ny fanadihadiana izany malalaka. Nefa, moa ve tsy manana fahafahana malalaka ara-pivavahana izy ireo sy ireo vahoakany Protestanta? Eny, satria tombon-tsoa manokana voalaza ao amin’ ny fandaminana izany, fa tsy zo. Ho an’ izay rehetra tsy tafiditra ao amin’ io fandaminana io, dia fanjakana no fototra iorenan’ ny fahefana; fa ny fieritreretana dia voailakilaka; i Roma no mpitsara tsy mety diso, koa tsy maintsy hankatoavina. Ny fankatoavana io fandaminana io dia fanekena tsotra izao fa tokony ho voafetra ho ao amin’ ny faritr’ i Saxe izay nandray ny fanavaozana ara-pivavahana ihany ny fahafahana ara-pivavahana; fa ho an’ ny firenena kristianasisa rehetra dia heloka bevava ny fanadihadiana sy ny fanekena ny finoana nohavaozina, ary tsy maintsy hihatra amin’ny tranomaizina sy ny fandoroana velona. Azony hekena ary ve ny hametra ny toerana hisian’ ny fahafahana ara-pivavahana? ny hanambara ampahibemaso fa tapitra tsy hisy intsony ny olona hanaiky ny Reformasiona? ary tsy misy tany iray dia intsony azony hidirana? ary na iza na iza hanjakan’ i Roma amin’ izao fotoana izao, dia haharitra mandrakizay ny fahefany? Ho azon’ ireo Mpanavao fivavahana ve ny hilaza ny tenany fa tsy manan-tsiny amin’ ny ran’ ireo an-jatony sy an’ arivony izay hamoy ny ainy ao amin’ ireo tany ambany fahefan’ i Roma, noho io fandaminana io? Ho famadihana ny filazantsara sy ny fahafahan’ ireo fanjakana kristiana, amin’ izao ora sarotra izao izany». — Wylie, boky 9, toko 15. Aleony «manao sorona ny zavatra rehetra, eny na dia ny fanjakany, ny satroboninahiny, sy ny ainy aza»— D’Aubigné, boky 13, toko 5. HM 204.2
«Aoka ho tsipahintsika io lalàna io», hoy ireo andriandahy. «Rehefa mikasika ny feon’ ny fieritreretana dia tsy ny maro an’ isa no mahery». Izao no navalin’ ireo solontena: «Ny lalàna tamin’ ny taona 1526 no nahazoantsika ny fiadanana izay iainan’ ny fanjakana; raha foanantsika izany dia ho feno korontana sy hisara-bazana i Alemaina. Tsy afaka manao zavatra hafa noho ny miaro ny fahafahana ara-pivavahana ny Filan-kevitry ny fanjakana foibe mandra-pivorin’ ny Konsily».Ibid, boky 13, toko 5. Adidin’ ny fanjakana ny miaro ny fahafahana manaraka ny feon’ ny fieritreretana ary io no mametra ny fahefany raha ny mikasika ny fivavahana. Ny fitondram-panjakana rehetra izay mitady hifehy na hanamafy ny fitsipika ara-pivavahana amin’ ny alalan’ ny fahefana sivily dia manao sorona ilay foto-kevitra tokana izay nahatonga ireo Kristiana ara-pilazantsara ho nitolona tamin’ ny fomba mendrika indrindra. HM 205.1
Nanapa-kevitra ireo mpiandany tamin’ ny papa fa handrodana izay nantsoina hoe: «fiziriziriana sahisahy». Nataony aloha izay hampisara-bazana an’ ireo Mpanohana ny Fanavaozana ara-pivavahana sy izay hampatahotra an’ izay rehetra tsy sahy niseho mazava ho mpankasitraka izany. Tamin’ ny farany dia nampiantsoina teo anatrehan’ ny filan-kevitra ireo solontenan’ ny tanàna nahaleo tena ary nasaina nilaza izy ireo na hanaiky ny voalaza ao amin’ ny soso-kevitra na tsia. Nangataka fotoana hieritreretana izy ireo, kanefa tsy nahazo. «Rehefa tonga teo amin’ ny fisedrana izy ireo dia saiky antsasany no niandany tamin’ ireo Mpanavao fivavahana. Ireo izay nandà toy izany ny hanao sorona ny fahafahana sy ny zon’ ny tsirairay hanana ny heviny, dia nahafantatra tsara fa io fanapahan-kevitra io dia hahatonga faninitsiniana sy fanamelohana ary fanenjehana ho azy amin’ ny ho avy». Hoy ilay solontená iray : «Izay iray alehany : na handà ny tenin’ Andriamanitra isika, na — hodorana velona». Ibid, boky 13, toko 5. HM 205.2
Hitan’ ny mpanjaka Ferdinand izay nisolo tena ny amperora teo amin’ ny Filan-kevitry ny fanjakana foibe, fa hiteraka fisarahambazana lehibe io didy io raha tsy voatarika an-kolaka ireo andriandahy hanaiky sy hanohana azy. Noho izany dia nampiasa ny fahaizany mandresy lahatra izy, fantany tsara mantsy fa vao mainka hahatonga ny olona toy ireny hihenjana amin’ ny fanapahan-keviny ny fampiasan-kery. Niangavy ireo andriandahy izy hanaiky ilay lalàna, áry nanome toky azy fa hankasitraka azy ireo tokoa ny amperora. Nanaiky fahefana ambony noho ny an’ ireo mpanapaka eto an-tany anefa ireo olo-mahatoky ireo, ka namaly tamim-pahatoniana hoe: «Hankatò ny amperora izahay amin ny zavatra rehetra izay mety hitandroana ny filaminana sy ny voninahitr’ Andriamanitra». Ibid, boky 3, toko 5. HM 206.1
Tamin’ ny farany dia nolazain’ ny mpanjaka teo anatrehan’ ny Filan-kevitra tamin’ ny filohan’ i Saxe sy ireo sakaizany fa havoaka ho didy avy amin’ ny amperora «ilay lalàna, ka ny hany sisa azony atao dia ny milefitra amin’ ny hevitry ny besinimaro». Rehefa avy niteny izany izy, dia nivoaka ny efitrano fivoriana ka tsy nomeny fotoana hahazoany mifanakalo hevitra na namaliana akory ireo Mpanavao fivavahana. «Tsy nisy vokany ny nandefasany solontena niangavy ny mpanjaka hiverina». Izao no navaliny ny fanamarihana nataon’ ireo: «Zavatra efa vita, ny amin’ ny fileferan’ ny rehetra sisa andrasana».Ibid, boky 13, toko 5. — HM 206.2
Natoky marina ireo niandany tamin’ ny amperora fa hifikitra amin’ ny Soratra Masina amin’ ny maha-ambony azy noho ny fampianarana sy ny baikon’ olombelona ireo andriandahy kristiana; ary fantany koa fa na aiza na aiza anekena io foto-kevitra io, dia ampoizina hianjera ny fahefana papaly. Nefa, tahaka ireo an’ arivony hatramin’ izay ka hatramin’ izao, izay tsy mijery afa-tsy «ny hita» dia nireharehany ny hoe matanjaka ny antokon’ ny amperora sy ny an’ ny papa, fa tsy nanan-kery kosa ny an’ ireo Mpanavao fivavahana. Raha niankina tamin’ ny fanampian’ ny olombelona fotsiny ireo Mpanavao fivavahana dia ho tsy nanan-kery araka izay niheveran’ ireo mpiandany tamin’ ny papa azy ireo izy. Nefa na dia vitsy an’ isa aza izy ireo, ary na dia tsy nifanaraka tamin’ i Roma aza, dia nanana ny heriny izy. Tsy ny didin’ ny filan-kevitry ny fanjakana foibe no nataony ho ambony indrindra fa ny tenin’ Andriamanitra, ary tsy nekeny ny amperora Charles fa «Jesosy Kristy, Mpanjakan’ ny mpanjaka sy Tompon’ ny tompo» Ibid, boky 13, toko 6. HM 206.3
Satria nandà tsy hanaja ny hevitra notanan’ izy ireo araka ny feon’ ny fieritreretany i Ferdinand, dia nanapa-kevitra ireo andri-andahy fa tsy hiraharaha ny tsy maha-eo azy, ka hitondra ny fanoherany eo anatrehan’ ny filan-kevi-pirenena tsy nisy hatak’ andro. Noho izany dia nanao fanambarana niezinezina izy izay nentina teo amin’ ny Filan-kevitry ny fanjakana foibe. «Toherinay amin’ ny alalan’ ireto taratasy ireto, eo anatrehan’ Andriamanitra, Hay hany Mpamorona, Mpiaro, Mpanavotra sy Mpamonjy anay , ary hitsara anay indray andro any, ary koa eo anatrehan’ ny olona sy ny zavaboahary rehetra, dia izahay sy ny vahoakanay, ny hanaiky na hanaraka io lalàna aroso io, na amin’ ny fomba manao ahoana na amin’ ny fomba manao ahoana izay zavatra rehetra ao ka manohitra an’ Andriamanitra, ny teniny masina, ny fieritreretanay madio, ny famonjena ny fanahinay». HM 207.1
«Sanatria raha hanaiky io lalàna io izahay! Hoantitranterinay ve fa rehefa miantso olona iray hahalala Azy ny Tsitoha, dia tsy hahazo handray akory ny fahalalana an’ Andriamanitra io olona io!» Tsy misy foto-pinoana azo antoka afa-tsy izay mifanaraka amin’ ny tenin’ Andriamanitra. . . Raran’ i Jehovah ny fampianarana ny fotopinoana hafa. . . Tokony hazavain’ ny toko sy andininy hafa sy mazava kokoa ny Soratra Masina. . . ilain’ ny kristiana amin’ ny lafin-javatra rehetra io boky Masina io, mora azo izay lazainy ary natao hampisava ny haizina. Vonona izahay, noho ny fahasoavan’ Andriamanitra, hifikitra amin’ ny fitoriana ny tenin’ Andriamanitra madio ary tsy hitory afa-tsy io araka izay voarakitra ao amin’ ny Baiboly dia ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, ary tsy hanampy na inona na inona izay nifanohitra amin’ izany. Io teny io ihany no fahamarinana, io no fitsipika azo antoka momba ny fotopinoana sy ny fiainana rehetra, ka tsy handiso na hamitaka antsika na oviana na oviana. Izay miorina eo amin’ io fototra io dia afaka hijoro hanohitra ny herin’ ny helo rehetra, fa ny zava-poana rehetra hatsangan’ ny olombelona hoenti-manohitra izany kosa dia hirodana eo anatrehan’ Andriamanitra. HM 207.2
»Noho io antony io dia tsipahinay ny zioga atambesatra an-keriny aminay. Miaraka amin’ izany dia manantena izahay fa ho fihetsiky ny andriandahy kristiana tia an’ Andriamanitra ambonin’ ny zavatra rehetra no hasehon’ ny amperora andriamanjaka aminay; ary ambaranay etoana fa vonona ny hanolotra azy sy ho anareo koa, tompokolahy isany hajaina indrindra, ny fitiavana sy ny fankatoavana izay adidinay araka ny rariny sy ny hitsiny izahay».Ibid, boky 13, toko 6. HM 208.1
Latsaka lalina tao am-pon’ ireo nanatrika ny Filan-kevitra izany. Zendana sy nanahy mafy ny ankabeazan’ ny olona nahita ny fahasahian’ ireto mpanohitra. Tazany toa novesaran-draho-mainty sady tsy azo antoka ny ho avy. Toa tsy ho azo sorohina ny fisarahambazana, ny adilahy sy ny ra mandriaka. Fa ireo Mpanavao fivavahana kosa, izay nahatoky ny fahamarinan’ ny adiny, ary niantehitra tamin’ ny sandrin’ Ilay Mahery indrindra dia «feno herim-po tsy azo nohozongozonina». HM 208.2
Ireo foto-kevitra voarakitr’ io Fanoherana malaza io. . . no tena votoatin’ ny fivavahana Protestanta. Io fanoherana io mantsy dia mampifanatrika fahadisoan-kevitra roa loha ataon’ ny olona mikasika ny finoana: ny voalohany dia ny fitsabahan’ ny fahefana arapanjakana ary ny faharoa dia ny fahefana tsy an-drariny raisin’ ny fiangonana. Ho solon’ ireo fahadisoan-kevitra roa ireo ny fivavahana Protestanta dia mametraka ny fahefan’ ny tenin’ Andriamanitra ambonin’ ny mpanapaka ary ny fahefan’ ny tenin’ Andriamanitra ambonin’ ny fiangonana hita maso. Ny amin’ ny voalohany, dia mitsipaka ny fahefam-panjakana izy raha ny momba ny zavatra mikasika an’ Andriamanitra ary miara-milaza amin’ ny mpaminany sy ny apostoly hoe: «Andriamanitra no tokony hekena noho ny olona». Manandratra ny satroboninahitr’ i Jesosy Kristy eo anatrehan’ i Charles fahadimy izany. Nefa mihoatra noho izany: mametraka ny foto-kevitra milaza fa tokony hilefitra amin’ ny fanambaran’ Andriamanitra ny fampianaran’ olombelona rehetra». —Ibid, boky 13, toko 6. Ankoatr’ izany dia noantitranterin’ ireo mpanohitra ny zony hilaza malalaka ny fahamarinana tena naharesy lahatra azy. Tsy hino sy hankatò fotsiny izy, fa hampianatra koa izay asehon’ ny tenin’ Andriamanitra, ary nolaviny ny ananan’ ny pretra na mpanapaka zo hitsivalana amin’ izany. Vavolombelona miezinezina mitsipaka ny tsy fahalalana eo amin’ ny ara-pivavahana izany sy ny zon’ ny olona rehetra hanompo an’ Andriamanitra araka ny baikon’ ny feon’ ny fieritreretany. HM 208.3
Vita ny fanambarana. Voarakitra ao amin’ ny fitadidian’ ny olona an’ arivony izany ary voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lanitra ary tsy misy na inona na inona azon’ iza na iza atao hikosehana izany avy ao. Ny tany alemà rehetra izay nanaiky ny filazantsara dia nandray io Fanoherana io ho fanambaran’ ny finoany. Hatraiza hatraiza dia nobanjinin’ ny olona ho toy ny fanantenany andro vaovao sy tsara kokoa io fanambarana io. Hoy ny andriandahy iray tamin’ ireo Protestanta tany Spira: «Enga anie Andriamanitra Tsitoha izay nanome fahasoavana ho anareo hanekenareo ny finoanareo amin-kery. amin-kahalalahana ary tsy amin-tahotra, hiaro anareo hitoetra amin’ izany fijoroana izany ho mandrakizay».Ibid, boky 13, toko 16. HM 209.1
Raha nanaiky ny handefitra ny Reformasiona rehefa nahita fahombiazana kely, mba hankasitrahan’ izao tontolo izao azy, dia tsy ho nahatoky teo imason’ Andriamanitra sy teo imason’ ny tenany izy, ka izy ihany no ho nahatonga ny faharavany. Misy lesona ho an’ ireo taona mifandimby rehetra ny fanandramana nataon’ ireo Mpanavao fivavahana mendrika tokoa ireo. Tsy niova ny fomba fiasan’ i Satana hanoherany an’ Andriamanitra sy ny teniny, mbola ho toy ny fanoherany ny Soratra Masina ho mpitarika ny fiainana tamin’ ny taonjato fahenina ambin’ ny folo ihany no fanoherany ankehitriny. Amin’ izao androntsika izao dia misy fialana lavitra amin’ ny fotopinoana sy ny foto-kevitr’ ireo Mpanavao fivavahana ka ilaina ny miverina amin’ ny foto-kevitra lehibe ijoroan’ ny Fivavahana Protestanta dia ny Baiboly, ary ny Baiboly ihany no fitsipika mifehy ny finoana sy ny adidy. Mbola mampiasa ny fiasana rehetra izay azony fehezina i Satana mba hanapotehina ny fahefana arapivavahana. Ilay fahefana nanenjika ny kristiana notsipahin’ ireo «mpanohitra» tany Spira dia mahazo hery vaovao ankehitriny ka miezaka ny hamerina indray ny fahefana fara-tampony efa veriny. Ny firaketana tsy azo hozongozonina amin’ ny tenin’ Andriamanitra, toy izay hita tamin’ ny fotoan-tsarotra teo amin’ ny fiangonan’ ny Reformasiona ihany no hany fanantenana ho an’ ny fanavaozana ankehitriny. HM 209.2
Nisy famantarana nanambara loza ho an’ ny Protestanta tamin’ izay; nisy koa anefa famantarana izay nampiseho fa nitsotra hiaro ny olona mahatoky ny sandrin’ Andriamanitra. Tokony ho tamin’ izay fotoana izay no nahadodona an’ i Mélanehton nitondra ny sakaizany, Simon Grynéus namakivaky ny araben’ i Spira ho any amin’ ny reniranon’ i Rhin, ka nanereny azy hiampita haingana. Gaga i Grynéus raha nahita izao fandodonana izao. «Nisy lahiantitra nanana endrika nitory fa manan-java-dehibe sy navesa-danja holazaina, izay tsy fantatro akory hoy Mélanehton niseho tamiko ka nanao hoe: rehefa afaka fotoana fohy dia haniraka polisy i Ferdinand hisambotra an’ i Grynéus». HM 209.3
Tamin’ iny andro iny dia tafintohina tamin’ ny toritenin’ i Faber, mpampianatra ngezalahy lohandohany tamin’ izay niandany tamin’ ny papa i Grynéus; ary tamin’ ny farany dia nokianiny izy io satria niaro «hevi-diso maharikoriko». Nafenin’ i Faber ny hatezerany, nefa avy hatrany dia nankany amin’ ny mpanjaka izy, izay nahazoany baiko hoenti-mamely ilay mpampianatra manelingelina avy any Heidelberg. Tsy nampisalasala an’ i Mélanehton ny namonjen’ Andriamanitra ny sakaizany tamin’ ny nandefasany ny anankiray tamin’ ireo anjeliny masina hampandre azy mialoha. HM 210.1
«Tsy nihetsika teo amin’ i Rhin izy fa niandry mandra-pahitany fa voavonjin’ ny renirano tsy ho azon’ ireo mpanenjika azy i Grynéus. «Afaka ihany», hoy i Mélanchton nihoraka, raha nahatazana azy terý am-pita izy, «afaka ihany tamin’ ny vahohon’ ireo olon-doza liana handatsaka ny ran’ ny tsy manan-tsiny». Rehefa niverina tany an-tranony i Mélanchton dia nilaza izy fa nisy miaramila nitady an’ i Grynéus ka nanao savahao ny tranony hatrany ambony indrindra ka hatrany ambany indrindra. Ibid, boky 13, toko 6. HM 210.2
Tsy maintsy havoitra bebe kokoa eo anatrehan’ ny manampahefana eto an-tany ny Reformasiona. Nandà tsy hihaino ireo andriandahy nanaraka ny filazantsara ny mpanjaka Ferdinand; nefa dia nomena fotoana izy izay azony nohararaotina hanehoana ny momba ny azy teo anatrehan’ ny amperora sy ireo olo-manan-kaja eo amin’ ny fiangonana sy ny fanjakana. Mba hampitonena ny fifandonana izay nampikorontana ny fanjakana, dia niantso ny filan-kevitry ny fanjakana foibe hivory tany Aogsborga i Charles Fahadimy ny taona manaraka ny Fanoherana tany Spira ary nambarany fa ny tenany mihitsy no mikasa hitarika izany. Nantsoina hanatrika izany ireo filohan’ ny Protestanta. HM 210.3
Notandindomin-doza makadiry ny Reformasiona; kanefa ireo mpiaro azy dia mbola nanankina ny adiny tamin’ Andriamanitra ihany ka nivoady fa hijoro ho mahatoky amin’ ny filazantsara izy. Nampirisihin’ ireo nrpanolo-tsaina azy tsy hiseho eo amin’ ny Filan- kevitra ny filohan’ i Saxe. Matoa miantso ny andriana ho tonga ny amperora, hoy ireo, dia ny mba hamandrihany azy». «Moa tsy fanaovana vy very ny zavatra rehetra ve izany hirindrina ao anatin’ ny mandan’ ny tanàna iray miaraka amin’ ny fahavalo mahery indrindra ?» Ny sasany kosa nilaza tamim-pahamendrehana hoe : «Aoka hahery fo fotsiny ny andriana isany dia ho voavonjy ny asan’ Andriamanitra». «Mahatoky Andriamanitra, hoy Lotera ; tsy hahafoy antsika Izy».Ibid, boky 14, toko 6. HM 210.4
Niainga ho any Aogosborga ny filohan’ i Saxe sy ireo mpiaradia taminy. Samy nahalala ny loza nitatao taminy avokoa, ka nalahelo endrika sy nangorohoro tao am-pony teny an-dalana. Nampahery ny finoan’ izy ireo efa nitambotsotra anefa i Lotera izay nanatitra azy hatrany Cobourg, tamin’ ny fanaovany hira hoe: « He manda fikirizana Andriamanitsika». Nisava ny tebiteby maro ny amin’ ny ho avy, ary nihamaivana ny fo mavesatra, teo am-pandrenesana feon-kira nampientanentana. HM 211.1
Nanapa-kevitra ireo andriana niandany tamin’ i Reformasiona fa hitondra taratasy fanambarana ny heviny atao tsara rafitra, miaraka amin’ ny porofo avy amin’ ny Soratra Masina, hasehony eo anatrehan’ ny Filan-kevitry ny fanjakana foibe. Nankinina tamin’ i Lotera, Mélanehton sy ireo mpiara-miasa taminy ny fanomanana izany. Neken’ ny Protestanta ho famelabelarana ny finoany io Fanekempinoana io ka nivory izy ireo hanisy sonia an’ io tahirin-kevitra mavesa-danja io. Fotoam-pisedrana sy mahavelon’ eritreritra izany. Niezaka ireo Mpanavao fivavahana mba tsy hafangaro amin’ ny raharaha politika ny momba azy ; tsapany fa tsy hanan-kery afa-tsy izay miasa mangina avy amin’ ny tenin’ Andriamanitra ny Reformasiona. Raha nanatona hanao sonia ilay Fanekem-pinoana ny andriana isany, dia nitsivalana i Mélanchton nanao hoe: «Anjaran’ ny mpampianatra momba ny foto-pinoana sy ny mpitandrina ny mampiseho itony; aoka hotehirizintsika ho amin’ ny zavatra hafa ny fahefan’ ny eto an-tany. «Sanatria», hoy i John, filohan’ i Saxe tsy havahanao aho». Vonon-kanao ny marina aho, ary tsy miraharaha ny satroboninahitro. Maniry aho hanaiky ny Tompo. Tsy sarobidy eo anatrehako tahaka ny hazo fijalian’ i Jesosy Kristy ny satro-piandrianako sy ny volom-biby fotsy maha-filoham-panjakana ahy. «Rehefa niteny izany izy, dia nosoratany ny anarany. Hoy koa ity andriana iray hafa raha nandray ny penina izy: «Raha mitaky izany ny voninahitr’ i Jesosy Kristy Tompo, dia vonona aho. . . hahafoy ny fananako sy ny aiko». Aleoko tsy manana olom-pehezina sy fanja- kana, aleoko mandao ny tanindrazako tsy mitondra afa-tsy tehina» hoy izy nanohy ny teniny, «toy izay handray fampianarana hafa noho izay voarakitra ato amin’ ity Fanekem-pinoana ity». Ibid, boky 14, toko 6. Toy izany ny finoana sy ny fahasahian’ ireo olon’ Andria-manitra ireo. HM 211.2
Tonga ny fotoana voatendry hisehoana eo anatrehan’ ny amperora. Nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany, nohodidinin’ ireo filoham-panjakana sy andriandahy, raha nandray ireo mpanavao fivavahana i Charles fahadimy. Novakiana ilay Fanekem-pinoana. Nabaribary teo amin’ io fivoriana miezinezina io ny fahamarinan’ ny filazantsara ary voatondro ireo hevi-dison’ ny fahefana papaly. Rariny raha nolazaina fa «io no andro anankiray amin’ ny lehibe indrindra tamin’ ny Reformasiona, sy andro be voninahitra indrindra eo amin’ ny tantaran’ ny fivavahana kristiana sy eo amin’ ny tantaran’ ny olombelona». Ibid, boky 14, toko 7. HM 212.1
Vao taona vitsy lasa izay no nitsanganan’ ilay pretran’ i Wittenberg samy irery teo anatrehan’ ny filan-kevi-pirenena tany Worms. Mijoro eo amin’ ny toerany izao ireo andriandahy ambony sy mahery indrindra eo amin’ ny fanjakana. Norarana tsy hiseho tany Aogsborga i Lotera, fa manatrika amin’ ny alalan’ ny teniny sy ny fivavahana kosa izy. «Diboky ny hafaliana aho, hoy izy, nanoratra, satria velon’ aina hatramin’ izao ora izao, izay nanandratana an i Kristy ampahibemaso tamin’ ny alalan’ ny olona ambony toy izao nanaiky Azy, sy teo anatrehan’ ny fivoriana be voninahitra toy izao» Ibid. boky 14, toko 7. Tanteraka tamin’ izany ny tenin’ ny Soratra Masina manao hoe : «Hilaza ny teny vavolombelonao eo anatrehan’ ireo mpanjaka aho» 1 Sal. 119 : 46. HM 212.2
Tamin’ ny andron’ i Paoly dia nentina toy izany koa teo anatrehan’ ny andriana sy ny olo-manan-kaja tao amin’ ny tanànan’ ny amperora ny filazantsara izay nahavoafonja azy. Dia toy izany koa ankehitriny, izay voararan’ ny amperora tsy hotorina teny ambony polipitra no nambara avy tao amin’ ny lapa, izay noheverin’ ny maro fa tsy tokony hohenoina, eny na dia ny mpanompo aza, dia nahaliana sy nahatalanjona ny tompo sy ny andriana teo amin’ ny fanjakana. Mpanjaka sy olona ambony no mpihaino, andriandahy misatroboninahitra no mpitoriteny, ary ny fahamarinan’ Andriamanitra mendrik’ andriana no notoriana. «Hatramin’ ny andron’ ny apostoly, hoy ny mpanoratra iray: dia tsy mbola nisy asa lehibe na fiaikem-pinoana be voninahitra toy izany». D’Aubigné, boky 14, toko 7. HM 212.3
«Marina izay rehetra nolazain’ i Lotera; tsy azonay lavina izany», hoy ny nambaran’ ny eveka papista iray. «Hainao ve ny hitsipaka ny fanekem-pinoana nataon’ ny filohan’ i Saxe sy ireo namany tamin’ ny alalan’ ny fonjan-kevitra voalanjalanja tsara?» hoy ny anankiray nanontany an’ i Eck, mpampianatra ngezalahy: «Raha amin’ ny alalan’ ny asa soratry ny apostoly sy ny mpaminany dia «tsia»! hoy ny valin-teniny; fa raha amin’ ny alalan’ ny asa soratr’ ireo mpanoratra tranainy ao amin’ ny Eglizy sy amin’ ny alalan’ izay navoakan’ ny fiheveran-draharaha dia «eny». «Azoko tsara» hoy ilay nanontany. «Araka ny filazanao, ny Loterana dia ao anatin’ ny Soratra Masina, fa isika etý ivelany» — Ibid, boky 14, toko 8. HM 213.1
Nisy ireo andriandahin’ i Alemaina no azo ka nanaraka ny finoana nohavaozina. Ny tenan’ ny amperora mihitsy aza no nanambara fa tsy hafa ireo andalan-kevitra nasehon’ ny Protestanta fa fahamarinana. Nadika tamin’ ny fiteny maro ilay fanekem-pinoana ary naely eran’ i Eoropa, ka an-tapitrisany ny taranaka nandimby no nandray izany ho fanambarana ny finoany. HM 213.2
Iray amin’ ny foto-kevitra notanan’ i Lotera mafy indrindra dia ny tsy tokony hisian’ ny herim-panjakana hanohana ny Reformasiona, ary ny fampiasana fitaovam-piadiana hoenti-miaro izany. Naharavo azy ny naneken’ ireo andriandahy ampahibemaso ny Filazantsara ; nefa kosa rehefa nanolo-kevitra hiray izy ireo mba hiarovana izany, dia nambarany fa «Andriamanitra irery ihany no tokony hiaro ny foto-pinoan’ ny Filazantsara . . . Arakaraka ny maha-kely ny fitsabahan’ ny olona ao amin’ ny asa, no ahazoan’ Andriamanitra miasa amin’ ny fomba manan-kery kokoa hiarovana azy. Ny fitandremana ara-politika rehefa naroso, araka ny fijeriny azy,dia samy avy amin’ ny tahotra tsy mahamendrika sy ny tsy fahatokiana zary fahotana avokoa». —D’Aubigné, navoaka tany Londra, boky 10, toko 14. HM 213.3
Rehefa nivondrona ny fahavalo mahery handrodana ny finoana nohavaozina, ka toa nisy sabatra an’ arivony voatsoaka hamelezana izany, dia izao no nosoratan’ i Lotera: «Mampiseho ny haromotany i Satana, mioko ireo mpitondra fiangonana ambony tsy manana toepanahy araka an’ Andriamanitra; ary manandindona antsika ny ady. Ampirisiho ny vahoaka hitolona amin-kerim-po eo anoloan’ ny seza fiandrianan’ ny Tompo, amin’ ny alalan’ ny finoana sy ny fivavahana, mba hahavoatery ireo fahavalontsika resin’ ny Fanahin’ Andriamanitra, hanaiky ny fandriam-pahalemana. Ny zava-dehibe indrindra ilaintsika, ny tena anton-dahasantsika, dia ny fivavahana. Aoka ho fantatry ny vahoaka fa miatrika ny lelan-tsabatra sy ny faharomotan’ i Satana izy izao, koa aoka izy hivavaka». — D’Aubigne, boky 10, toko 14. HM 213.4
Tatý aoriana, raha niteny momba ny fivondronana nokasain’ ireo andriandahy mpomba ny Reformasiona i Lotera dia nambarany fa ny hany fiadiana ampiasaina amin’ io ady io dia tokony ho «ny sabatry ny fanahy» ihany: Hoy izy raha nanoratra tamin’ ny mpanjakan’ i Saxe: «Tsy azontsika atao araka ny feon’ ny fieritreretana, ny mankasitraka ny fivondronana kasainareo. Aleo maty im-polo toy izay hahita ra indray mitete hilatsaka noho ny filazantsaratsika. Ny anjarantsika dia ny ho toy ny zanak’ ondry entina hovonoina. Tsy maintsy entina ny hazo fijalian’ i Kristy. Aoka tsy hatahotra andriamanjaka ianao. Be kokoa ny ho vitantsika amin’ ny alalan’ ny fivavahana noho izay ho vitan’ ireo fahavalontsika rehetra amin’ ny fireharehany. Izao ihany: aoka tsy ho voapentin’ ny ran’ ny rahalahinao ny tavanao. Raha didin’ ny amperora hiseho eo amin’ ny fitsarana isika, dia vonona ny hanao izany. Tsy azonao atao ny miaro ny finoanay: ny tsirairay no tokony hino ary izy no hizaka izay loza mety hiseho».Ibid, boky 14, toko 1. HM 214.1
Avy tao amin’ ny toeram-pivavahana mangina no niavian’ ny hery izay nanozongozona an’ izao tontolo izao tamin’ ny andron’ ny Reformasiona lehibe. Tamin’ ireny toerana ireny no nametrahan’ ireo mpanompon’ i Jehovah ny tongony tambonin’ ny vatolampin’ ny teny fikasany. Nandritra ny tolona tany Aogosborga, dia «tsy nisy andro izay tsy nanokanan’ i Lotera ora telo fara-fahakeliny hivavahana, ary ora voafantina indrindra tamin’ izay tsara hianarana indrindra izany». Tao amin’ ny efitranony manokana no nandrenesana azy namboraka ny fanahiny teo anatrehan’ Andriamanitra tamin’ ny teny «feno fanajana, fahatahorana sy fanantenana, toy ny fanaon’ ny olona miresaka amin’ ny sakaizany». «Fantatro fa Rainay sy Andriamanitray Ianao, ka hampiely ny mpanenjika ny zanakao satria miara-tandindomin-doza aminay Ianao. Asanao daholo izany rehetra izany, ary Ianao irery no nanery anay handray an-tanana izao. Noho izany, Ray ò, arovy izahay!» Ibid, boky 14, toko 6. HM 214.2
Raha torovana noho ny tebiteby sy ny tahotra nitambesatra taminy i Mélanehton dia nanoratany hoe: «Ny fahasoavana sy ny fiadanana ao amin’ i Kristy — ao amin’ i Kristy, hoy aho, fa tsy ao amin’ izao tontolo izao ho aminao. Amena. Halako mainty ireo ahiahy tafahoatra mandany anao. Raha tsy marina izao ady izao, dia ialao; raha marina kosa, nahoana isika no mampandainga ireo teny fikasana nataon’ Ilay mibaiko antsika handry tsy amintahotra?. . . Tsy handao ny asan’ny marina sy ny fahamarinana Kristy. Velona Izy, manjaka Izy; koa inona ary no tokony hatahorantsika?»Ibid, boky 14, toko 6. HM 214.3
Nihaino ny fitalahoan’ ny mpanompony Andriamanitra. Nomeny fahasoavana sy herim-po ireo andriandahy sy ministra hitana ny fahamarinana ka hanohitra ireo mpanjakan’ ny haizina eto amin’ ity izao tontolo izao ity. Hoy Jehovah: «Indro, mametraka fehizoro ao Ziona aho, dia vato voafidy sady tsara, ary izay mino azy tsy ho menatra»2. Nanorina teo ambonin’ i Kristy ireo Mpanavao fivavahana Protestanta, ka tsy afaka nanohitra azy ny vavahadin’ ny helo. HM 215.1