Natoro ahy ny fotoana izay hiafaran’ilay hafatry ny anjely fahatelo. Nitoetra tamin’ny vahoakany ny herin’Andriamanitra. Nahavita ny asany izy ireo ary efa voaomana ho amin’ny ora fisedrana manoloana azy ireo. Nandray ny ranonorana farany izy ireo ho famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo, ary novelomina indray ny fijoroana vavolombelona velona. Namako eran-tany ilay fampitandremana lehibe farany, ary namporisika sy naharomotra ny mponin’ny tany izay tsy te-handray ny hafatra izany. HM58 73.1
Hitako ireo anjely nihazakazaka tetsy sy teroa tany an-danitra. Nisy anjely iray niverina avy tety an-tany niaraka tamin’ny tandroka fasiana ranomainty fanoratana teo anilany, ary nanao tatitra tamin’I Jesosy izy fa vita ny asany, fa efa voaisa sy vita tombo-kase ireo olo-masina. Rehefa afaka izany dia mahita an’I Jesosy aho izay nanao raharahany teo anoloan’ny fiara izay misy ny didi folo, ary dia naipy ho amin’ ny tany ilay loviany fandoroana ditin-kazo manitra Izy. Nanandratra ny tanany ho ambony Izy ary tamin’ny feo avo no nilazany hoe: “Vita”. Nanaisotra ny satroboninahiny ny miaramilan’anjely rehetra raha nanao fanambarana lehibe i Jesosy nanao hoe: “Izay manao ny tsy marina, aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy, ary izay maloto, dia aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa aoka mbola hanao ny marina ihany izy ; ary izay masina , aoka mbola hihamasina ihany izy.” HM58 73.2
Hitako fa efa voatapaka ny anjaran’ny tsirairay na ho amin’ ny fiainana na ho amin’ny fahafatesana. Nanaisotra ny fahotan’ny vahoakany I Jesosy. Nandray ny fanjakany Izy, ary ny fanavotana izay natao dia nataony ho an’ny olon’ny fanjakany. Nandritra ny fotoana izay nanaovan’I Jesosy ny raharahany tao amin’ny fitoerana Masina, no nisian’ny fitsarana ho an’ireo marina efa maty ary manarak’izay ireo marina mbola velona.Voaforona ny olon’ny fanjakany. Vita ny fanambadian’ny Zanak’ondry. Ary ny fanjakana, ary ny fahalebiazan’ny fanjakana eny ambanin’ny lanitra rehetra, dia nomena an’i Jesosy, sy ireo mpandova ny famonjena, ary hanjaka tahaka ny Mpanjaka, sy Tompon’ny tompo I Jesosy. HM58 73.3
Ary raha nivoaka ny efitra Masina Indrindra I Jesosy, dia nahare feon-dakolosy izay teo amin’ny lambany aho, ary raha niala tao Izy dia nisy rahona maizina nanarona ny mponina teto ambonin’ny tany.Tsy nisy mpanelanelana intsony izay manelanelana ny olombelona meloka sy Andriamanitra notsiratsiraina. Nandritra ny fotoana ela izay nijoroan’I Jesosy teo anelanelan’Andriamanitra sy ny olona dia misy fihazonana teo amin’ny vahoaka, fa rehefa niala teo anelanelan’ny olona sy ny Ray kosa I Jesosy dia nesorina izay fitazonana izay ary dia teo ambany fitondran’i Satana tanteraka ireo olona tsy mibebaka. Tsy azo natao ny nandatsaka ireo loza raha mbola natao ny raharahany tao amin’ny Fitoerana masina Indrindra I Jesosy; fa satria efa vita ny asany tao, ary nifarana ny fanelanelanana izay nataony, dia tsy misy zavatra hahasakana ny fahatezeran’Andriamanitra intsony; izany dia hahatratra ireo mpanota izay nanao tsinontsinona ny famonjena ary namazivazy ny fananarana. Ireo olon-masina amin’izay fotoana mahatahotra izany aorian’ny fiafaran’ny fanelanelanana izay nataon’I Jesosy dia hivelona eo imason’Andriamanitra Masina, tsy misy mpanelanelana. Efa tapaka ny anjaran’ny tsirairay, voaisa ny ravaka rehetra. Nijanona nandritry ny fotoana fohy tao an-daniny ivelan’ny Fitoerana Masina tany an-danitra I Jesosy, ary ny fahotana rehetra izay nibebahana tamin’ny fotoana naha-tao amin’ny Efitra Masina Indrindra Azy, dia naverina teo amin’ilay mpamorona ny ota dia ny Devoly. Tsy maintsy hiaritra ny fampijaliana noho ireo ota izy. HM58 73.4
Rehefa afaka izany dia nahita an’I Jesosy aho nanaisotra ny lamba maha-mpisorona Azy, ary nitafy ny fitafian’ny maha-Mpanjaka lehibe indrindra Azy, teo ambonin’ny lohany dia dia misy satroboninahitra maro, satroboninahitra iray nifanitsaka ao anatin’ny anakiray hafa koa, sady nohodidinin’ny miaramila ny lanitra Izy raha niala ny lanitra. Nilatsaka teo amin’ny mponin’ny tany ny loza. HM58 73.5
Niampanga sady nanozona an’Andriamanitra ny sasany. Ny hafa indray nihazakazaka teo amin’ireo vahoak’Andriamanitra, ka nitalaho taminy mba hampianarina izay tokony hataony mba hahafahany mandositra ny fitsaran’Andriamanitra kanefa tsy manana na inona na inona ho azy ireo ny olona masina. Efa nirotsaka ny ranomaso farany ho an’ny mpanota, efa natolotra ny vavaka fitarainana farany, efa nentina ny enta-mavesatra farany. Tsy hifandahatra amin’izy ireo intsony ny feo mamin’ny famindram-po. Efa nomena ny fampitandremana farany. Tamin’ny fotoana niombonan ireo olo-masina sy ny lanitra manontolo tamin’ny famonjena azy ireo, dia tsy miraraha ny momban’ny tenany mihitsy ny izy ireo. Napetraka teo anoloany ny fiainana sy ny fahafatesana. Maro no maniry ny fiainana kanefa tsy mba nanao ezaka na dia kely aza mba hahazoana izany.Tsy nifidy ny fiainana izy ireo ary ankehitriny dia tsy misy rà mahonitra intsony mba hanadio ny fahotany. Tsy misy Mpamonjy be indrafo intsony hifona ho azy ireo sy milaza hoe “mamindra fo, mamindra fo amin’ny mpanota mbola misy fotoana vitsy” . Niray tamin’I Jesosy ny lanitra manontolo, rehefa nandre ireo teny: “Vita! Tapitra! Tanteraka ny planin’ny famonjena. Kanefa vitsy monja no mifidy sy hanaiky ilay drafitra. Ary ny nony maty ny ilay feo nalefaka ny famindram-po dia tahotra sy horohoro no nahazo azy ireo. Tamin’ny fahasamihafana mahatahotra no nandrenesa ny teny ” Tara loatra! Tara loatra !” HM58 73.6
Ireo izay tsy nanome lanja ny Tenin’Andriamanitra dia nihazakazaka tetsy sy teroa. Nivembena hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina izy ireo ary hatrany amin’ny avaratra ka hatrany atsimo hatrany atsinanana ka hatrany andrefana mba hitady ny tenin’ ny Tompo. Hoy ny anjely tamiko:“tsy hahita izany izy ireo” Misy mosary amin’ny tany tsy fanirian-kanina anefa na hetahetan-drano fa faniriana handre ny tenin’ny Tompo. Inona no tsy homeny ankehitriny mba hahazoana teny fankasitrahana iray avy amin’Andriamanitra? Nefa indrisy efa diso aoriana loatra tsy maintsy hijalin’ny hanoanana sy hangetaheta ihany izy ireo. Isan’andro, isan’andro dia tsy nitsahatra ny nanao tsinontsinona ny famonjena izy ireo, ary nanome lanja ny fahafinaretan’ny tany sy ny haren’ny tany ambonimbony kokoa noho ny teny fikasana sy ny haren’ny lanitra. Nanda an’ I Jesosy sy nanao tsinontsinona ny olo-masina izy ireo. Ireo maloto dia hijanona haloto mandrakizay. HM58 74.1
Romotran’ny hatezerana ny ankabeazan’ ny ratsy fanahy raha nijaly noho ireo vokatry ny loza. Sendra feno fahoriana mampatahotra no niseho tamin’izay. Niampanga tamim-pangidiana ny zanany ny ray aman-dreny, ary ny zanaka miampanga ny ray aman-dreniny, ny rahalahy ny anabaviny ary ny rahavavy ny anadahiny. Antsom-pitomaniana mafy no re teny amin’ny kihon-dalana rehetra manao hoe: Ianao no nanakana ahy tsy handray ny fahamarinana izay afaka mamonjy ahy amin’ity ora mahatsiravina ity. Nitodika tamin’ireo mpitondra fivavahana (mpitandrina) tamin’ny faniniana mangidy izy ireo ary niampanga azy ireo tamin’ny filazana taminy hoe: “Tsy nampitandrina anay an’izany rehetra izany ianareo. Nilaza taminay ianareo fa ny mponina eto ambonin’ny tany rehetra no tsy maintsy hiova fo ary niantso: “Fiadanana fiadanana” ianareo mba hampitony ny tahotra rehetra izay mifoha. Tsy nilaza taminay mikasika ity ora ity ianareo ary ireo izay nampitandrina anay ny amin’izany dia nolazainareo fa mpikiribiby amin’ny hevi-diso sy olon-dratsy izay hanary anay. Nefa hitako fa tsy afa-mandositra ny fahatezeran’Andriamanitra ireo mpitondra fivavahana ireo. Ny fahoriany dia ho avo folo heny nohon’ny an’ireo vahoakany. HM58 74.2
Jereo Ezekiela 9:2-11; Daniela 7: 27; Hosea 6:8; Amosa 8:11-13 ; Apokalypsy toko 16;17:14 HM58 74.3