Rehefa afaka izany, dia nahita anjely maro be tokoa aho mitondra satro-boninahitra be voninahitra avy tao amin’ilay tanàna; satro-boninahitra ho an’ny tsirairay amin’ireo olo-masina ary voasoratra tao aminy ny anaran’ny tsirairay ary satria nangatahan’i Jesosy ireo satroboninahitra dia natolotry ny anjely azy izany ary Jesosy dia maha te ho tia, ka nametraka ny satroboninahitra tamin’ny lohan’ireo olo-masina tamin’ny tànany havanana. Ary tamin’ny fomba mitovy amin’izany ihany no nitondran’ny anjely lokanga ka natolotr’i Jesosy ihany koa ho an’ireo olo-masina. Ny anjely mpibaiko no nanome ny feo voalohany, rehefa avy eo, ny feo tsirairay avy dia nandrenesana fisaoram-pifaliana. Ary ny tsirairay dia samy mahay mitendry ny tadindokangany avokoa, ka nampanakoako teny amin’ny habakabaka eny ny feon-java-maneno faran’izay tsara indrindra. HM58 77.1
Androtr’izay iahy dia nahita an’I Jesosy nitondra ilay vondron’ny olom-boavidy teo amin’ny vavahadin’ilay tanana aho. Notanany ilay vavahady ary nahondiny ny savily manjelajelatra ary nandidy ny firenena izay nitandrina ny fahamarinana Izy mba hiditra ao anatiny. Ny zavatra rehetra izao tao anatin’ilay tanana dia mahafinaritra ny maso avokoa .Ny harena sy ny voninahitra dia hitan’izy ireo hatraiza hatraiza. Nony avy eo dia nijery an’ireo olom-boavidy masina i Jesosy mamirapiratry ny voninahitra ny endrik’izy ireo. Ary raha nampifantoka ny masony be fitiavana tamin’ireo Izy dia nilaza tamin’ny feony milanto ny manan-karena hoe: “Mijery ny asan’ny fanahiko aho ka dia afa-po. Hiravo amin’ity haren’ny voninahitra ity mandrakizay ianareo. Tapitra ny ahiahinareo. Ary tsy hisy fahafatesana intsony sady tsy hisy alahelo na fitarainana na fanantainana.” Hitako andian’ny voavotra miankohoka sy nanipy ny satroboninahitra mamirapiratra teo an-tongotr’i Jesosy ary avy eo rehefa nampitsangana azy ireo tamin’ny tanany mahafinaritra izy dia nitendry ny lokanga volamenany izy ireo ka naneno ny lanitra manontolo tamin’ny mozika sy ny hira ho fanomezam-boninahitra ny Zanak’ondry. HM58 77.2
Rehefa afaka izany dia nahita an’I Jesosy mitondra ny vahoaka voavotra ho amin’ilay hazon’aina aho ary dia nampandre indray ny feony maha-te-ho-tia izay ambony indrindra nohon’ny mozika rehetra izay nandona ny sofin’olombelona manao hoe: “Ny ravina amin’ity hazo ity hoy Izy dia ho fanasitranana ny firenena maro. HM58 77.3
Hano avokoa ny rehetra amin’izany.” Teo ambonin’ny hazon’aina no nisy voankazo farany izay mahafinaritra indrindra, afaka mioty malalaka amin’izany ny olona masina. Nisy seza fiandrianana farany be voninahitra indrindra tao amin’ilay tanana ary nisy ony ny ranon’aina manganohano tahaka ny vato krystaly nivoaka avy tao amin’ny seza fiandrianana. Ary teny an-daniny roa amin’ny ony misy ny hazon’ aina. Teo amoron’ ny ony dia nisy hazo mahafinaritra izay nitondra voany izay tsara atao sakafo. HM58 77.4
Kely aina loatra ny fitenin’ny olombelona ka tsy afaka mamariparitra ny lanitra. Raha naseho teo anatrehako izany toe-javatra izany dia talanjona indrindra aho, ka nentina niala ilay voninahitra tsy misy toa azy, ny famirapiratany tsy ho voalaza. Napetrako ny peniko dia nihiaka aho hoe: ” O, fitiavana manao ahoana re!, fitiavana mahagaga manao ahoana re! Ny fiteny manandratra farany izay tsara indrindra dia tsy afaka mamariparitra akory ny voninahitry ny lanitra; na ny halalin’ny fitiavana tsy manampetran’ny Mpamonjy. HM58 77.5
Jereo Isaia 53: 11 ; Apokalypsy 21:4 ; 22 :1-2 HM58 77.6