Go to full page →

Fiaraha-Miasa Amin’Andriamanitra FK 190

Tsapan‘i Kristy ny fahorian‘ny mijaly rehetra. Rehefa nandrotika ny tenan‘ny olombelona ny fanahy ratsy, dia tsapan‘i Kristy ny ozona. Rehefa mandoro ny fikorianan‘ny fiainana ny tazo, dia tsapany ny ady mihatra aman‘aina. Koa vonona ny hanasitrana ny marary Izy izao, tahaka ny Izy fony teto an-tany ara-batana. Ny mpanompon‘i Kristy no solon-tenany, fantsona hiasany. Iriny ny hampiasa ny heriny manasitrana amin’alalan‘ireo. - IFM, t. 882. FK 190.2

(...) Amin‘ny alalan‘ny mpanompony, dia nomanin’ Andriamanitra ny handrenesan‘ny marary ny feony ary koa, ny tsy manana sy ireo itoeran‘ny fanahy ratsy. Tiany ny ho tonga mpampahery amin’alalan’olombelona fiasany, izay tsy manam-paharoa eto amin‘izao tontolao izao. - TMF, t. 75. FK 190.3

I Kristy dia mira-miasa amin’ireo izay manatontosa asa fitoriana amin’alalan‘ny fitsaboana. - TFC, b. 7, t. 51. FK 190.4

(...) Niasa tamin’alalan’ireo ny Tompo. Na taiza na taiza nalehany, dia sitrana ny marary ary notorina tamin’mahantra ny filazantasra hampanan-karena azy. - VM, t. 95. FK 190.5

Efa tsy eto amin’izao tontolo izao ara-nofo intsony i Kristy mba hitety ireo tanàn-dehibentsika, ireo tanànantsika hanasitrana ireo marary; fa naniraka antsika Izy mba hanohy ilay asa fitoriana amin’alalan’fitsaboana izay natombony. - TFC, b. 9, t. 168. FK 190.6