Tsy ho tafahoatra mihitsy ny fanentanako ireo mambran’fiangonantsika rehetra, dia ireo rehetra izay mpitory marina, ireo izay mino ny hafatry ny anjely fahatelo, ireo izay mihazona ny tongony amin’andro Sabata, araka izay voalaza ao amin’Isaià. Ny asa fanaovan-tsoa izay entanina ao amin’io toko io dia ilay asa izay takin’Andriamanitra hotanterahin’vahoakany amin’izao vanim-potoana izao. Izy mihitsy no nanendry izany asa izany. Tsy manana fisalasalana isika ny amin’toerana hiharan’hafatra na ny fotoana voatendry hahatanterahany, satria izao no voasoratra: “ Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary hianao dia hatao hoe mpanamboatra ny rava, mpamelon-dàlana honenana amin’tany” - Isa. 58:12. FK 197.1
Ny tsangambaton’Andriamanitra, dia ny Sabata - andro fahafito - izay famantarana ny asany tamin’namoronany izao tontolo izao, dia novan’ilay lehilahin’ota. Manana asa manokana ny vahoakan’Andriamanitra hanarina ny fahasimbana izay natao teo amin’lalàny; ary arakaraka ny hanakekezantsika ny farany no maha-maika ny asa. Ireo izay tia an’Andriamanitra rehetra dia haneho fa mitondra ny famantarany amin’alalan’fitandremana ny didiny. Izy ireo no mpamerina amin’laoniny ny lalana mankamin’toeram-ponenana (...) Ny tena asa fitoriana amin’alalan’fitsaboana marina dia mifamatotra tsy azo sarahina amin’fitandremana ny didin’Andriamanitra, izay manondro manokana ny Sabata satria io no tsangam-bato lehiben’famoronana nataon’Andriamanitra. Ny fitandremana izany dia mifamatotra amin’asa famerenana amin’laoniny ny endrik’Andriamanitra ao amin’olombelona. Io no anjara asa tokony hampandrosoin’vahoakan’Andriamanitra amin’izao vanim-potoana izao. Raha tanterahina an-tsakany sy an-davany io anjara asa io dia hitondra fitahiana mitobaka ho an’fiangonana. - TFC, b. 6, tt. 265,266. FK 197.2