Ny fampianaran’ny olona mihevitra fa tsy azontsika olombelona atao ny hahalala izay tena marina, dia mety hanazimbazimba, na hihomehy amim-panesoana, na handà izay takian’ny Lalàn’Andriamanitra. Mety hanimba ny ankamaroan’ny olona sy hifehy ny vitsy an’isa ny toe-tsaina ananan’izao tontolo izao. Mety hila fiezahana be sy fahafoizana mitohy ny Asan’Andriamanitra. Tsy ho latsaka noho izany koa anefa fa amin’ny farany ny fahamarinana dia tsy maintsy handresy amin’ny fomba mamirapiratra. - MM, t. 152. FK 231.2
Rehefa hamita ny Asany eto an-tany ny Tompo, dia hasandratra indray ny Lalàn’Andriamanitra. Ny fivahana diso dia hanenika eran-tany; hitombo ny tsy fahamarinana, hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro, tsy hisy mpahalala ilay hazo fijaliana tany Kalvary, ary handrakotra ny vohon’ny tany tahaka ny lambam-paty ny haizina; mety hirohotra amin-kery hanohitra ny fahamarinana ny fihetseham-bahoaka; mety hioko handevona ny vahoakan Andriamanitra ireo teti-dratsy mpiverimberina, ary amin’ny fotoana fara tampon’ny loza no hanandratan’Andriamanitr’i Elia ny olona ho fiasana izay tsy ho azo ampanginina ny feony. FK 231.3
Ao amin’ny tanàn-dehibe mifanizina, ao amin’ny toerana izay nitenenan-dratsy indrindra ny Tsitoha, no hampandrenesana ny fananarana mafy. Hiampanga amim-pahasahiana ny firaisan’ny Fiangonana amin’izao tontolo izao ny olona nirahin’Andriamanitra. Hiangavy ny lehilahy sy ny vehivavy hiala amin’ny fitandremana ny andro fitsaharana naorin’olombelona izy ireo ka hitandrina ny tena Sabata marina. - MM, tt. 152, 153. FK 231.4