Go to full page →

Toko 15 - Fanangonam-Bokatra Amin’ny Fotoam-Pijinjana FK 235

Olana Mahavery Hevitra FK 235

Efa an-taonany maro teo anoloantsika ilay fanontaniana mahavery hevitra manao hoe: Amin’ny fomba ahoana no hahazoantsika ny vola sahaza ho fanohanana ireo asa izay naroson’ny Tompo eo anoloantsika? Vakintsika ny baiko mazavan’ny filazantsara; ary hita ho tena ilaina maika tokoa ny fanatanterahana ny iraka, na eo amin’ny saha anatiny na eo amin’ny saha ivelany. Samy mampirisika antsika avokoa ireo fanambarana avy any ambony mba hanatanteraka haingana ilay asa miandry antsika. — TFC, b. 9, t. 114. FK 235.1