Go to full page →

Mila Mpamboly Mahay Ny Famindrana Ny ZananKazo FK 259

Manomàna mpiasa handeha ho any amin’ny lalambe sy ny sisim-boly. Mila mpamboly mahay izay hamindra ny hazo any amin’ny toerana samihafa isika, ka hanome izay ilainy amin’ny fitomboany. Andraikitra mahasoa manoloana ny vahoakan’Andriamanitra ny mandeha any amin’ny faritra lavidavitra. Aoka hisy tarika hanomboka hiasa amin’ny tany lava volo vaovao, hametraka ivon-toerana vaovao hitaomana fanahy isak’izay misy hirika. Avondròny ny mpiasa manana hafanam-po misiônera marina, ary avelao izy ireo handroso handefa ny tara-pahazavana sy fahalalana amin’izay lavitra sy akaiky azy. - TFC, b. 9, t. 118. FK 259.3

Mambra maro ao amin’ny fiangonan-dehibe misy antsika anefa no tsy manao na inona na inona. Afaka mahavita asa tsara izy ireo, raha toa ka hiparitaka any amin’ny toerana tsy mbola nidiran’ny fahamarinana mihitsy, fa tsy hitangorona amin’ny toerana iray fotsiny Tsy misandrahaka ny hazo izay nambolena mifanetiety kely. Natsatoky ny mpamboly amin’ny toerana malalaka izy mba hahafahany mitombo tsara, fa tsy hanjary botry sy farofy. Mifanentana tsara amin’ny fiangonandehibentsika ihany koa io fitsipika io. Miala aina ara-panahy noho ny tsy fanaovana io asa io ny mambra maro. Tonga farofy sy tsy mahomby izy ireo. Hahazo toerana hahatonga azy hatanjaka sy feno hery izy rehefa afindra. - TFC, b. 8, t. 244. FK 259.4