Go to full page →

Toetoetra Manokana Ananan’ny Fivoriambe Eo An-Katoky Ny Andro Farany FK 277

Efa naseho ahy fa tokony hampitombo fahalianana sy fahombiazana ny fivoriambentsika. Koa satria mihamanakaiky bebe kokoa ny farany isika, dia hitako fa ho vitsy kokoa ny fitoriana mandritra ireo fivoriana ireo, ary hitombo misimisy kokoa kosa ny fampianarana Baiboly Hisy tarika madinika miaraka amin’ny Baiboly eny an-tanany manerana ny tany, ary tarika hafa koa mitondra fampianarana ny Soratra Masina amin’ny fomba malalaka sy ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra. - TFC, b. 6, t. 87. FK 277.1