Go to full page →

Fahaizana Manokana Ho An’ny Mpiasa FK 286

Misy olona havanana manokana hiasa ho an’ireo sokajy ambony kokoa. Tokony hitady fahendrena avy amin’Andriamanitra izy ireo, ahafantarany ny fomba hahatrarany ireny olona ireny, tsy hifandray kisendrasendra aminy fotsiny fa hamoha izay ilain’ny fanahy amin’ny alalan’ny ezaka manokana ataon’ny tena sy ny finoana velona, ka hitarika azy ho amin’ny fahalalana ny marina araka izay ao amin’i Jesosy. - TMF, t. 174. FK 286.2

Aoka izay rehetra miasa ho an’ny sokajin’ny olona ambony hitondra tena amin’ny tena voninahitra marina, ka hahatsiaro fa ny anjely no mpiara-dia aminy. Aoka ho feno amin’ny hoe: «Voasoratra hoe” ny tahiry sarobidin’ny sainy sy ny fony. - TMF, 176. FK 286.3

Mila finoana matanjaka izay miasa ho an’Andriamanitra eo amin’ny ezaka rehetra ataony ahatrarana ny antokon’olona ambony Mety manakana ny fisehoana ety ivelany, nefa misy fahazavana ao ambony ao amin’ny ora maizina indrindra. - VM, t. 212. FK 286.4

Miantso mpiasa mafana fo sy tsotra Andriamanitra, izay hitondra ny filazantsara amin’ny saranga ambony kokoa. - VM, 124. FK 286.5