Go to full page →

Ankizy Mizara Ny Enta-Mavesatra Ara-Panahy Sy Ara-Nofo FK 291

Afaka manao zavatra ny rehetra. Mba hanadiovana tena dia misy milaza: “mandany fotoana be ny asa aman-draharaha ao an-tokantrano e, ny fitaizana ny ankizy e.” Ry ray amandreny, ny zanakao dia tokony ho tanana an-kavananao, mampitombo ny herinao sy ny fahafahanao miasa ho an’ny Tompo izy Ny zanaka dia mambra zandriny indrindra ao amin’ny ankohonan’ny lanitra. Tokony hotarihina izy ireo hanolo-tena ho an’ny Tompo, izay tompony tamin’ny alalan’ny famoronana sy ny famonjena. FK 291.1

Ampianaro azy fa ny herim-batany sy ny saina ary ny fanahiny dia an’ Andriamanitra. Hofano hahay hanampy amin’ny fomba rehetra izy ireo, amin’ny alalan’ny tsy fitiavan-tena. Aza avela ho sakana izy. Tokony hizara izay mavesatra ara-panahy sy ara-nofo ny zanakao. Amin’ny fanampiany ny hafa dia hampitombo ny hafaliany sy ny fahafaha-manampiny izy - TFC, b. 7, t. 63. FK 291.2