Go to full page →

Fijoroana Ho Vavolombelona Momba Ny Fanandramana Ataon’Ny Tena Manokana FK 298

Amin’ny maha-mpanaraka an’i Kristy antsika dia tokony hataontsika izay hahatonga ny tenintsika ho fifampianarana sy fifampaherezana eo amin’ny fiainana kristianina. Mihoatra lavitra noho ny ataontsika dia tokony hilaza ireo toko sarobidy eo amin’ny fanandramana azontsika teo amin’ny fiainantsika isika. - HF, t. 293 . FK 298.2

Mila ny fanandramana vaovao sy velona avy amin’ireo mambra izay manana fahazarana mifandray amin’Andriamanitra ny fiangonana. Ny fijoroana ho vavolombelona sy vavaka mahamonamonaina sy mialin’andro izay tsy maneho an’i Kristy ao aminy dia tsy mitondra fanampiana ho an’ny olona. Raha izay rehetra milaza ny tenany ho zanak’Andriamanitra no nofenoina finoana sy fahazavana ary fiainana, dia ho fijoroana ho vavolombelona mahagaga no natolotra ireo tonga handre ny fahamarinana! Ka ho fanahy marobe no mety ho azo ho an’i Kristy! - TFC, b. 6, t. 64 . FK 298.3

Ny fanehoantsika ny toetra mahatoky eo amin’Andriamanitra dia fomba nofidin’ny lanitra hoenti-manambara an’i Kristy amin’izao tontolo izao. Tokony hampahalala ny fahasoavany isika tahaka ny nampahafantarana an’izany tamin’ny alalan’ny olona masina fahiny; nefa izay tena hisy vokany indrindra dia ny fijoroantsika ho vavolombelona ny amin’ny fanandramana nataontsika manokana. Vavolombelona ho an’Andriamanitra isika rehefa mampiseho eo amintsika ny fiasan’ny hery izay an’Andriamanitra. Ny olona tsirairay dia samy manana fiainana miavaka amin’ny an’ny hafa. Irin’Andriamanitra ny hisandratan’ny fiderantsika Azy izay miavaka amin’ny mahaizy antsika tsirairay Ireo fampahalalana sarobidy mba ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, rehefa ampian’ny fiainana tahaka ny an’i Kristy, dia manankery tsy azo toherina, miasa ho famonjena ny fanahy. - TMF, t. 70. FK 298.4