Go to full page →

Ny Maha-Zava-Dehibe Ny Ezaka Mitohy FK 308

Vokatry ny fanehoana ny fahamarinana ao amin’ny fiangonandehibe, dia mifoha ny fanahin’ny fandalinana, ary tena zavadehibe indrindra ny fanarahana izany fahalianana izany amin’ny asa isambatan’olona. Ireo izay maniry handalina ny fahamarinana dia mila ampianarina hianatra amin-jotom-po ny tenin’Andriamanitra. Tsy maintsy misy olona manampy azy hametraka tsara ny fototra. Amin’io fotoanan’ny fitsikerana amin’ny fanandramany ara-pivavahana io, dia tena zavadehibe ny fahatongavan’ny mpiasa tarihin’ny fahendren’ny Baiboly hanampy azy, sy hanokatra ao an-tsainy ny tranonkarenan’ny tenin’Andriamanitra. - TFC, b. 9, t. 111. FK 308.2

Very ny fotoam-bolamena. Tsy narahina ny tari-dalana natao. Izay nety ho tsaratsara kokoa dia tsy nanaitra ny fahalianana; satria rehefa notoherina indray mandeha sy noresena ny faharesen-dahatra, dia tena sarotra ny hanery indray ny saina amin’ny fahamarinana. - TFC, b. 2, t. 118 . FK 308.3