Go to full page →

Toko 24 - Fahaizana Manokana Ho Amin’ Ny Fanompoana Kristianina Mahomby FK 313

Hery FK 313

Tsy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny tsy fananana herim-po sy tanjaka. Rehefa tsapantsika fa miasa ho an’Andriamanitra isika, dia hanana fahatsapana ambony kokoa mihoatra noho izay nananantsika taloha ny amin’ny fahamasinan’ny fanompoam-panahy. Hitondra fiainana sy fahamalinana ary hery maharitra eo amin’ny fanamaivanana ny andraikitra tsirairay izany fahatsapana izany. - TFC, b. 9, t. 150. FK 313.1

Mitaky hery lehibe kokoa sy fahamasinana lalindalina kokoa ny fotoana. Manahirana ny tenako izany lafin-javatra izany ka mitaraina amin’Andriamanitra aho hoe: “mitsangàna ka mandefasa iraka feno fahatsapana ny andraikiny, iraka izay efa nanombo ny fanompoana ny tenany, izay fototry ny ota rehetra.” - TFC, b. 9, t. 27. FK 313.2

(...) Mila hery ny asa nankinina tamin’ny mpianatra; lalina sy nahery vaika mantsy ny fisamontan’ny ratsy nanohitra azy. - VM, t. 29. FK 313.3