Go to full page →

Faharetana FK 323

Ny maha-mpiara-miasa amin’i Jesôsy, dia tokony hanananao ny faharetana amin’ireo iasanao, ka tsy maneso ny fahatsoran’ny asa fa mijery ny vokatra voatahy. Rehefa tsy mifanara-tsaina aminao izay iasanao, dia miteny anakam-po ianao hoe: “Avelao izy ho any; tsy mendrika hovonjena izy.” Hanao ahoana raha toy izany no nataon’i Kristy tamin’ny mpanota mahantra? Maty hamonjy ny mpanota mahantra izy, ary raha miasa amin’ny fanahy toy izany ianao sy amin’ny amin’ny fomba voalaza araka ny ohatr’Ilay Arahinao, ka mamela ny vokatra eo amin’Andriamanitra, dia tsy azonao atao velively ny mandrefy ny tontalin’ny tsara efa vitanao. - TFC, b. 4, t. 132. FK 323.2

Miasà amin’ny tsy fitadiavana ny ho an’ny tena fa amim-pitiavana sy amim-paharetana amin’ireo rehetra asaina ifandraisanao. Aza maneho tsy faharetana. Aza miloa-bava akory na dia teny iray mitory fahasiahana aza. Avelao ho ao am-ponao ny fitiavan’i Kristy dia ho eo amin’ny molotrao ny lalàn’ny fahalemempanahy. - TFC, b. 9, t. 41. FK 323.3