Go to full page →

Malina Sy Mitsinjo Ny Hoavy FK 336

Raha nangataka ny fanampian’Andriamanitra i Nehemia dia tsy nanakombona ny tanany tamin’ny fahatsapana fa tsy misy anjarany na andraikiny ny fanatanterahana ny tanjony hanarina an’i Jerosalema. Tamim-pahamalinana sy tamimpahaizana mitsinjo ny hoavy no nandrosoany tamin’ny fanaovana ny fandaminana rehetra nilaina hahazoana antoka ny fahombiazan’ny asa. Nisy fahazoana antoka avokoa ny fihetsika tsirairay. - SW, 15 Mar. 1904. FK 336.1

Tokony ho ohatra ho an’ny olon’Andriamanitra rehetra io ohatr’io lehilahy masina io (Nehemia), ka tsy hoe hivavaka amim-pinoana fotsiny izy fa hiasa amin-jotom-po sy amimpahatokiana. Fahasahiranana maro no efa natrehintsika, impiry no efa nisakana ny asan’ilay Mpiahy ho antsika isika, satria heverina ho tsy dia misy ifandraisany firy amin’ny fivavahana ny fahamalinana sy ny fahaizana mitsinjo ny hoavy ary ny fikaliana! Fahadisoana lehibe izany. Anjarantsika ny mamboly sy mitaiza ny hery tsirairay hahatonga antsika ho mpiasa mahomby ho an’Andriamantra. Ny fiheverana malina sy drafitra matipaika dia zava-dehibe eo amin’ny fahombiazan’ny fahamasinan’ ny asa ankehitriny, toy ny tamin’ny andron’i Nehemia. - SW, 15 Mar. 1904 . FK 336.2