Go to full page →

Manana Ireo Toetra Masina Sy Manokana FK 342

Azon’Andriamanitra ampiasaina ny olona tsirairay, araka ny fahafahany mametraka ny Fanahiny ao amin’ilay tempoly fanahy. Ny asa hany ekeny dia ny asa mampiseho ny endriny. Hitondra ny toetra tsy azo fafana avy amin’ny foto-keviny tsy mety maty ny mpanara-dia Azy, ho toetra manokana mampiavaka azy eto amin’izao tontolo izao. - TFC, b. 7, t. 144. FK 342.1

(...) Ny anaran’i Kristy no teny ifamantarany eny amimpiambenana, io no marika famantarana mampiavaka azy, io no fatorana mampiray azy, io no manome fahefana izay apihariny, sy loharano iavian’ny fahombiazany. Tsy azo ekena ao amin’ny fanjakany ny zavatra rehetra izay tsy mitondra ny anarany sy ny andinindininy momba Azy. - VM, t. 27 . FK 342.2