Go to full page →

Toko 27 - Valisoan’ny Fanompoana FK 372

Tsy Azo Tombanana FK 372

Tsy zava-poana tsy akory ny manompo an’Andriamanitra. Misy ny valisoa tsy hay tombanana ho an’ireo izay nanokana ny fiainany ho amin’ny fanompoana Azy. — TFC, b. 4, t. 107. FK 372.1

(...) Ary ny fahafoizan-tena rehetra izay atao amin’ny asa fanompoana Azy dia hisy valisoa araka ny “herin’ny fahasoavany”. — IFM, t. 250 . FK 372.2

(...) Ary ny valisoantsika noho ny niasantsika niaraka tamin’i Kristy teto amin’ity izao tontolo izao ity dia ny hery lehibe kokoa sy ny tombontsoa midadasika kokoa hiasa miaraka aminy any amin’izao tontolo izao ho avy. — HF, t. 315 . FK 372.3