Go to full page →

Ny Tanora Ao Amin’ny Asan’ny Fiangonana FK 40

Ilaina ao amin’fiangonantsika ny tanora manan-talenta, voalamina sy voaofana tsara. Hanao zavatra amin’heriny miavosa ny tanora. Raha toa ka tsy ho voatarika any amin’fantsona tokony halehany izany heriny izany dia hampiasain’tanora amin’fomba izay handratra ny ara-panahin’izy reo, ary ho hita fa hanimba ireo izay miaraka aminy - GW, t. 211 . FK 40.4

Rehefa manome ny fony ho an’Andriamanitra ny tanora, dia tsy mitsahatra eo ny andraikitsika. Tsy maintsy atao izay hahaliana azy amin’asan’Tompo, ary tarihina izy ireo hahita izay andrasany amin’izy ireo mba hanao zavatra ho fampandrosoana ny Asany. Tsy ampy ny haneho ny habetsak’ireo zavatra ilaina hatao, sy ny hampirisika ny tanora handray anjara. Tsy maintsy ampianarina ny fomba hiasana ho an’Tompo izy ireo. Tsy maintsy hofanina, fehezina, hanao fanazaran-tena amin’fomba tsara indrindra hahazoana fanahy ho an’i Kristy. Ampianaro amim-pitiavana tsy amin’faneriterana izy ireo hanandrana hanampy ny namany. Aoka ireo sampan’asa samihafa amin’ezaka misiônera halamina ara-potoana, izay mety handraisany anjara, ary aoka homena toro lalana sy fanampiana izy ireo, amin’izay dia handray fampianarana hiasa ho an’Andriamanitra izy. - GW, t. 210. FK 41.1