Go to full page →

Fahalemena Ara-Panahy FK 53

Fahazavana nitombo hatrany no nanazava ny vahoakan’ Andriamanitra, kanefa maro no nanao an-tsirambina tamin’fanarahana izany fahazavana izany, ary noho izany antony izany no mahatonga azy eo amin’toeran’fahalemena ara-panahy lehibe tokoa. Tsy noho ny tsy fahampian’fahalalana no mahatonga ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny ho very. Tsy hohelohina noho ny tsy fahafantarany ny lalàna sy ny fahamarinana ary ny fiainana izy ireo. Nahatratra ny fahalalany ny fahamarinana, ny fahazavana nanazava ny fanahy izay natao an-tsirambina na nolavina no hanameloka azy ireo. Tsy ho voaheloka ireo izay tsy mbola nandray ny fahazavana ka nandà azy. Inona no mbola azo atao ho an’tanimboalobok’Andriamanitra noho ireo izay efa vita? Fahazavana, fahazavana sarobidy no namirapiratra teo amin’vahoakan’Andriamanitra; kanefa tsy hamonjy azy ireo izany raha tsy manaiky ny hovonjena amin’alalan’izany izy ireo, miaina izany amin’fahafenoany, ary mampita izany amin’hafa mbola ao amin’fahamaizinana. - TFC, b. 2, t. 123. FK 53.1