Naseho ahy fa miandry fiovana hiseho ny vahoakan’ Andriamanitra, fahefana hanery ny hisamborana azy ireo. Kanefa ho diso fanantenana izy ireo satria fahadisoana izany. Tsy maintsy manao zavatra izy ireo; tsy maintsy mandray antanana ny asa izy ireo, ary hitaraina amin-kafanam-po amin’ Andriamanitra ny hananana fahalalana marina ny amin’tenan’izy ireo. Ny toe-javatra mahafinaritra naseho teo anoloako dia ampy hanentana antsika hifoha, hampirisika antsika hitondra ny fahamarinana ao am-pon‘izay rehetra te hihaino. Tsy ho ela intsony dia masaka ho amin’fijinjana ny tany - TFC, b. 1, t. 261 . FK 58.3
Etsy ankilany, misy ireo izay tsy manararaotra amimpahendrena ny fotoana mety ankehitriny, fa mitomoe-poana miandry fotoana manokana hisian’famelombelomana arapanahy izay hampitombo be dia be ny fahazoany manazava ny hafa. Manao antsirambina ny andraikiny sy ny tombontsoany ankehitriny izy, ka mamela ny fahazavany hihamatroka; manantena izy fa hisy fotoana izay tsy hanaovany fiezahana, nefa hahatonga azy ho fitaovana handray fitahiana manokana izay hanova azy sy hahavonona azy amin’fanompoana. - VM, t. 49 . FK 59.1