Go to full page →

Toko 6 - Tokony Hanao Asa Misiônera Ny Mpianatra Mandritra Ny Fiofanany FK 90

Tanjon’Fanabeazana FK 90

Fitaizana hanao asa misionera no tena fanabeazana marina. Ny zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra tsirairay dia antsoina ho tonga misionera; antsoina hanompo an‘Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika isika; ary ny zavatra tokony hokendren‘ny fanabeazana antsika dia ny hanomana antsika amin‘io asa fanompoana io. - TFM, t. 325 . FK 90.1

Ny hampahatanjaka ny tanora hanohitra ny fakam-panahin’fahavalo no nanorenana ireo sekoly izay mety hiofanan’izy ireo ho mahasoa sy ilaina eo amin‘ity fiainana ity sy ho amin‘ny fanompoana an’Andriamanitra mandritra ny mandrakizay. - CTFC, t. 495 . FK 90.2

Izay miezaka ny hahazo fahalalana mba hahafahany miasa ho an‘ny tsy mahalala sy ny very, no manao ny anjarany amin‘ny fanatanterahana ny fikasan-dehiben’Andriamanitra ho an‘ny taranak‘olombelona. Ny fanatanterahana asa fanompoana tsy ombam-pitiavan-tena ho fitahiana ho an‘ny hafa no mahatratra ny idealy ambony ho amin‘ny fanabeazana kristianina. - CTFC, t. 545. FK 90.3

Miantso ny tanora lahy sy vavy matanjaka, manolo-tena sy mandà tena Andriamanitra handroso hatrany ho lohalaharana, izay rehefa nandany fotoana fohy tany an-tsekoly dia handeha hiomana ny hanome ny hafatra ho an‘ity izao tontolo izao ity. - CTFC, t. 549 . FK 90.4