Go to full page →

Ohatra Tsara FK 99

Tsapan‘ny apostoly (Paoly) fa lasa lavitra ny mahatompon’andraikitra azy ny amin’fahasalamana arapanahin‘ireo niova fo nandritra ny asany. Ny faniriany ho azy dia ny hitomboany amin‘ny fahalalana ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, izay nirahiny. Teo amin’Asany dia matetika izy no nihaona tamin’ny antokon’olona vitsy, lehilahy sy vehivavy izay tia an’i Jesosy, ka niara-niondrika nivavaka taminy, nangataka an’Andriamanitra hampianatra azy ny fomba ihazonana ny fifandraisana velona Aminy. Mazana no nila hevitra taminy izy hanontany ny fomba fizaràna tsara indrindra ny fahazavan’ny fahamarinana eo amin’ny filazantsara amin’ny hafa. Ary matetika koa izy, rehefa tafasaraka tamin’ireo niasany toy izany, no nitalaho tamin’Andriamanitra mba hiarovany azy ireo amin’ratsy sy hanampiany azy ho tonga misionary mafana fo sy mazoto. - VM, t. 229. FK 99.1