Go to full page →

Bebe Kokoa Noho Ny An’ny Raintsika No Takina Amintsika FK 124

Bebe kokoa ny fahazavana niposaka tamintsika noho ny tamin‘ny raintsika. Tsy afaka ny hoeken’Andriamanitra na omeny voninahitra isika amin’fanomezana amin’ny fanompoana, na amin‘ny fanaovana asa mitovy amin‘izay nataon‘ny razantsika. Mba hahatonga antsika hoekena sy hotahin‘Andriamanitra tahaka azy ireo dia tsy maintsy manahaka ny fahatokiany sy ny fahazotoany isika - manatsara ny fahazavantsika tahaka ny nanatsaràn‘izy ireo ny azy, ary hanao tahaka izay hataon‘izy ireo raha ho niaina tamin‘izao androntsika izao izy ireo. Tsy maintsy mandeha amin’ fahazavana izay miposaka amintsika isika, raha tsy izany dia hivadika ho haizina izany fahazavana izany. - TFC, b. 1, t. 262. FK 124.2