Go to full page →

Manambatra Ireo Herin’ny Kristianina FK 17

Ry ranadahy sy rahavavy ao amin‘ny finoana, moa tonga ao amponareo ve izao fanontaniana izao «moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?” raha milaza ny tenanareo ho zanak’Andriamanitra ianareo dia mpitandrina ny rahalahinareo. Raisin’Andriamanitra ho tompon’ andraikitra ny fiangonana amin‘ireo fanahy, izay tokony ho fitaovampamonjena azy ireo izy. - HS, t. 291. FK 17.1

Nomen‘ny Mpamonjy ny ainy sarobidy mba hanorenana fiangonana afaka hanompo ny mijaly sy ny ory ary ny alaimpanahy. Mety hahantra ny antokon‘ny mpino iray, mety tsy ho nahita fianarana sy tsy fantan-daza; nefa rehefa ao amin’i Kristy izy dia afaka manao asa any an-tokantrano, ao amin’mpiara-monina, ary na dia any an-tany lavitra aza, izay hitondra vokatra ho tafapaka hatrany amin’mandrakizay. - TMF, t. 62. FK 17.2

Na dia osa sy marefo aza ny fijery azy, dia eo amin’fiangonana irery ihany no ametrahan’Andriamanitra, amin’fomba manokana, ny fijeriny farany indrindra. Izy no sehatra isehoan’fahasoavany, toerana tiany hanehoana ny heriny izay manova ny fo. - VM, t. 13. FK 17.3

Tsy maintsy misy manatanteraka ny iraka nampanaovin’i Kristy; tsy maintsy misy mamita ny asa izay natombony hatao eto ambonin‘ny tany; ary ny fiangonana no nomena izany tombontsoa izany. Satria ho amin‘izany fikendrena izany no nandaminana azy. Koa nahoana àry ny mambran’fiangonana no tsy manaiky izany andraikitra izany? - TFC, b. 6, t. 295. FK 17.4

Miantso ny fiangonana Andriamanitra mba handray ny adidy notendrena hataony, mihazona ny fanevan’tena fanavaozana manna eo amin’tany misy azy, avelao ny mpiasa nahazo fiofanana sy manana fanandramana handeha faingana ho any amin’tany vao. - TFC, b. 6, t. 292. FK 18.1

Tena misionera marina ireo mpino tao Tesalonika (...) Nisy fo azo tamin’fahamarinana naseho, ary nisy fanahy maro nanampy ny isan’mpino. - VM, t. 224. FK 18.2

Tamin’nandraisana ny Roa ambin’folo lahy no nanaovana ny dingana voalohany teo amin’fandaminana ny fiangonana izay hiandraikitra ny asan’i Kristy eto an-tany aorian’fiakarany ho any an-danitra. - VM, t. 18. FK 18.3

Kianja ho an’fiainana masina, feno fanomezana samihafa sy voahosotry ny Fanahy Masina ny fiangonan’Andriamanitra. Tokony hahita ny fahasambarany eo amin’fahasambaran’ izay ampiany sy karakarainy amim-pitiavana ny mambra. FK 18.4

Mahagaga ny asa notendren’Andriamanitra hotanterahina amin’alalan’fiangonany, mba homem-boninahitra ny anarany. - VM, t. 14. FK 18.5

Naseho mazava tsara ao amin’tenin’Andriamanitra ny asantsika. Ny Kristianina dia tokony hitambatra amin’Kristianina hafa, ny fiangonana amin’fiangonana, ny fitaovana olombelona hiara-miasa amin’Andriamanitra, ary ireo mpiasa tsirairay ireo hilefitra eo ambany fifehezan’Fanahy Masina, ary hakambana ny rehetra ho amin’fanomezana ho an’izao tontolo izao ny vaovao mahafalin’fahasoavan’Andriamanitra. - GCB, 28 Feb 1893, t. 421. FK 18.6

Natao hiara-miasa ny fiangonantsika amin’asa tany eo amin’ara-panahy, miaraka amin’fanantenana ny hijinja rehefa afaka kelikely (...). Mafy ny tany kanefa tsy maintsy hevoina ny tombamboraka, tsy maintsy afafy ny voan’fahamarinana. Aza miato, ry mpampianatra malalan’Andriamanitra, aza misalasala raha toa ka hitondra ny vokatra antenaina ny asa mafy natao. - TFC, b. 6, t. 420. FK 19.1

Ny fiangonana no fitaovana notendren’Andriamanitra hilaza ny famonjena amin’olona. Nalamina ho amin’fanompoana izy, ary ny hitondra ny filazantsara ho an’izao tontolo izao no asa nanirahana azy. Hatramin’voalohany dia drafitra nataon’Andriamanitra ny hampitaratra amin’izao tontolo izao ny fahafenoany sy ny fahampiany. Tokony haneho mihanhary ny voninahiny ny mambra ao amin’fiangonana, dia izay nantsoiny hiala tamin’maizina ho amin’fahazavana mahagaga. - VM, t. 11. FK 19.2

Aoka tsy hisy fiangonana hihevitra fa kely loatra mba hampiasa hery miasa mangina na hanao fanompoana ao amin’asa lehibe ho an’izao fotoana izao. Mandehana miasa, ry ranadahy sy rahavavy. Tsy ny lasy fivoriana lehibe na ny fivoriambe sy ny fihaonambe irery ihany no hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra manokana; ny ezaka amim-panetren-tena indrindra tsy armim-pitiavan-tena dia hosatrohim-boninahitra amin’fitahiany, ary handray ny valisoany lehibe. Ataovy izay azonao atao, ary Andriamanitra hampitombo ny fahafahanao manao. - RH, 13 Mar. 1888. FK 19.3