Niovaova ary nifanaraka tamin’mpihaino Azy ireo hafatry ny famindrampo nentiny. Hainy ny «nanao teny hampahatanjaka’ izay reraka» (Isa. 50:4); fahasoavana no nitosaka avy teo amin’molony mba hahazoany manolotra amin’olona ny haren-tsarobidin’fahamarinana amin’fomba mahasarika indrindra. Nanana fahaizana niresaka tamin’ireo olona nanana hevitra nibahana tao am-pony Izy ary gaga ireo noho ny fanazavana nataony izay nahasarika ny sainy. Nahatratra hatrany amin’fo Izy tamin’alalan’sary an’eritreritra. Ny zavatra teo amin’fiainana andavanandro no nakany ohatra hoenti-manazava ny lesony; ary na dia tsotra aza ireny, dia nisy heviny lalina mahagaga. Ny vorona eny amin‘ny habakabaka, ny lilia eny an-tsaha, ny voa, ny mpiandry ondry sy ny ondry, - ireny zavatra ireny no nanazavan‘i Kristy ny fahamarinana mandrakizay; ary taty aoriana, isaky ny sendra mahita ireny zavatra ireny eo amin‘ny zavaboary ny mpihaino Azy, dia mahatsiaro ny teniny, ary namerina hatrany tao an-tsainy ny lesona nataony tamin’zavatra nentiny nanazava izany - IFM, tt. 257,258. FK 176.2
Niezaka ny hizara fahalalana an’ Andriamanitra Mpamorona sy fahalalana ny Zanany, Mpamonjin‘ny taranak‘olombelona tamin’ireo mpanompo sampy ireo ny apostoly. Notarihiny aloha ny sainy ho amin’asa mahagaga nataon’Andriamanitra - ny masoandro, ny volana sy ny kintana, ny filaharana kanto hita eo amin’fifandimbiasan‘ny fizaran-taona, ireo tendrombohitra rakotry ny ranomandry, ny hazo mijoalajoala sy ireo zavaboary mahatalanjona isan-karazany hafa, izay maneho fahaizana tsy takatry ny sain’olombelona. Tamin’alalan’ireo asan‘ny Tsitoha ireo no nitarihan’apostoly ny sain’jentilisa hibanjina Ilay Lehibe mifehy an’izao tontolo izao. - VM, tt. 159,160. FK 177.1