Go to full page →

Toko 2 - Fanantenana Ny Amin’ny Fandresena Ny Ratsy IFL 14

Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany, izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony” - Gen. 3:15. Tsy voajanahary io fifandrafiana io. Rehefa nandika ny didin’Andriamanitra ny olona, dia nanjary ratsy ny toetra fototra maha-izy azy, nifanaraka tamin’i Satana. Manao fara hery mba hiara-dia ny anjely lavo sy ireo ratsy fanahy. Raha tsy nisalovana Andriamanitra, dia ho niray hina hiady tamin’ny Lanitra i Satana sy ny olombelona ary ho niara-nioko hanohitra an’Andriamanitra ny fianakavian’ny olombelona manontolo. IFL 14.1

Rehefa ren’i Satana fa hisy fifandrafiana aminy sy amin’ny vehivavy, ary amin’ny taranany sy amin’ny taranaky ny vehivavy, dia fantany fa misy fomba hahazoan’ny olona manohitra ny heriny. IFL 14.2