Go to full page →

Manampy ao an-Tokantrano HAT 185

Ny ankizy sy ny tanora dia tokony handray ho fahafinaretana amin’ny fanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’ny fanehoana fahalianana tsy amim-pitiavan-tena ao an-tokantrano. Raha mitondra amim-pifaliana ny anjara entany izy dia mandray fanofanana izay hahatonga azy ireo ho sahaza ny omena toeram-pitokisana sy mahasoa. Isan-taona dia tokony hanao fandrosoana mafy izy ireo, miandalana kanefa azo antoka amin’ny fialana amin’ny fitavozavozana eo amin’ny fahazazana mankany amin’ny traikefan’ny lehilahy sy vehivavy lehibe. Amin’ny fanatanterahana amim-pahatokiana ireo adidy tsotra ao an-tokantrano no hametrahan’ny zazalahy sy zazavavy ny fototra ho amin’ny fahatsarana ara-tsaina, sy ara-pitondran-tena, ary ara-panahy. HAT 185.2