Go to full page →

Toko 66 — Ny Fahamendrehan’ny Asa HAT 186

Ny fikasan’Andriamanitra dia ny hanamaivanana amin’ny alalan’ny asa ny faharatsiana nentin’ny tsy fankatoavan’ny olona teto amin’izao tontolo izao. Amin’ny alalan’ny asa no hahatonga ny fakam-panahin’i Satana tsy hisy vokany ary hampitsahatra ny fisafoaky ny fakam-panahy. Ary na dia atrehina amim-pitebitebena sy hasasarana ary fahoriana aza dia mbola loharanom-pahasambarana sy fivelarana ary fiarovana amin’ny fakam-panahy ny asa. Ny fifehezan-tena takin’izany no manakana amin’ny fampanaranam-po ny tena, mampivelatra ny faharetana sy fahazotoana miasa, ny fahadiovana sy ny tsy fiovaovana. Amin’izany ny asa dia manjary anisan’ny drafitra lehiben’Andriamanitra amin’ny fanasitranana antsika avy amin’ny fahalavoana. HAT 186.2