Go to full page →

Fampielezam-Boky HAT 194

Miantso ny tanorantsika ny Tompo mba ho mpampiely boky sy mpitory ny filazantsara, hanao fitetezan-trano any amin’ny toerana izay tsy mbola nandre ny fahamarinana. Miteny amin’ireo tanorantsika Izy manao hoe: «Ka tsy tompon'ny tenanareo hianareo; fa olom-boavidy hianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo sy ny fanahinareo izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra.” Hahazo fitahiana mahagaga ireo izay mandeha miasa eo ambany fitarihan’Andriamanitra. - TFC, b. 8, t. 229. HAT 194.2

Iray amin’ireo fomba fiasa tsara indrindra izay mety hahazoan’ny tanora ny fiofanana sahaza ho amin’ny asa fanompoana ny fidirana ao amin’ny sahan’ny fampielezam-boky. Aoka izy ireo handeha ho any amin’ny vohitra sy tanàna hampiely ireo boky izay mirakitra ny fahamarinana amin’izao fotoana izao. Amin’izany asa izany no ahitany tombontsoa azo hararaotina hilazana ny teny fiainana, ary ny voan’ny fahamarinana izay afafy dia hitsiry ary hitondra vokatra. Amin’ny alalan’ny fifaneraserana amin’ny olona sy ny fanehoana amin’izy ireo ny bokintsika no hahazoan’izy ireo fanandramana izay tsy ho azony amin’ny alalan’ny fitorian-teny (...). HAT 194.3

Ireo izay maniry ny fotoana azo hararaotina ho amin’ny tena asa fanompoana, ary hanolo-tena tsy misy fepetra amin’Andriamanitra dia hahita ao amin’ny asa fampielezam-boky ny tombontsoa azo hararaotina hiresahana zavatra maro mikasika ny fiainana tsy mety maty amin’ny hoavy. - Gospel Worker, t. 96. HAT 195.1