Go to full page →

Fizarana Fahavalo - Ny Fanompoam-Pivavahana HAT 215

Ny Fanahin’Andriamanitra Izay Loharanon’ny fanabeazana dia ao amin’ny Teniny. Misy fahazavana vaovao sy sarobidy, izay mamirapiratra avy amin’ny takila tsirairay. Ao no aseho ny fahamarinana, ary ny teny sy ny fehezan-teny dia mamirapiratra sy mifanaraka amin’ny fotoana rehetra, tahaka ny feon’Andriamanitra miteny amin’ny fanahy. HAT 215.1

Tian’ny Fanahy Masina ny miteny amin’ny tanora; tiany ny haneho amin’ireo ny harena sy ny hakanton’ny Tenin’Andriamanitra. Ny teny fikasana nolazain’Ilay Mpampianatra lehibe dia hamabo ny fahatsapany sy hamelombelona ny fanahiny amin’ny hery ara-panahy azo avy amin’Andriamanitra. Hitombo ao amin’ny saina mahavokatra ny fifankazarana amin’ny zavatra mikasika an’Andriamanitra, izay tahaka ny fefy fiarovana amin’ny fakam-panahy. — Henoinareo Ny Fanoharana tt. 126. HAT 215.2