Hoy ilay lehilahy hendry: «Ary tsarovy ny Mpanao anao, amin'ny andro fahatanoranao». Nefa na dia iray minitra aza, dia aza mihevitra akory fa ny fivavahana dia hahatonga anao halahelo endrika, manjombona ary hanakana ny lalanao ho amin’ny fahombiazana. Tsy hanafoana na hampahalemy na dia iray akory amin’ny herin-tsainao ny fivavahan’i Kristy. Tsy hanakana anao hifaly amin’ny tena hasambarana izany; tsy natao hampihena ny fahaliananao amin’ny fiainana izany, na hahatonga anao tsy hiraika amin’ny fitakian’ny namana sy ny fiarahamonina. Tsy mampitafy gony ny fiainana izany; ary tsy aseho amin’ny sento lalina sy taraina koa. Tsia, tsia; ireo izay manao an’Andriamanitra ho voalohany sy farany ary izay tsara indrindra amin’ny zavatra rehetra no olona sambatra indrindra eto an-tany. Tsy foana eo amin’ny tarehin’izy ireo ny tsiky sy ny famirapiratan’ny masoandro. Tsy mahatonga izay nandray azy ho henjana, masiaka, mitsamboamboatra, ary tsy mahay manaja ny fivavahana izany; mifanohitra amin’izany, manandratra izy, manome hasina, manatsara ny zavatra tiany, manamasina ny fahaizany mandanjalanja ary manomana ho amin’ny fiarahamonina amin’ny anjely sy ho amin’ny fonenana omanin’i Jesôsy. HAT 25.1
Aoka tsy hohadinoina mihitsy fa loharanon’ny fifaliana i Jesôsy. Tsy mifaly amin’ny fahantran’ny olombelona Izy, fa tiany ny mahita azy ireo sambatra. Manana loharanom-pifaliana betsaka azony anovozana ny Kristianina, ary afaka ny mamantatra tsy mety diso izay fifaliana marina sy araka ny lalàna izy; afaka mifaly amin’ireo fialam-boly izay tsy manimba saina na mandemy ny fanahy izay, tsy handiso fanantenana na hamela fangidiana amin’ny farany ka hanimba ny fitokisany ny tenany sy hanakana ny antom-pilana azy any aoriana. Raha mandray an’i Jesôsy hiaraka aminy izy ireo, ary mihazona ny fanahiny hivavaka, dia ho voaaro tokoa izy (...) HAT 25.2