Nampiasaina (...) tamin’izany ny zava-maneno noho ny fikasana masina hampisandratra ny fieritreretana ho amin’ny zavatra mendri-kaja sy madio ary hampifoha ao an-tsaina ny fihetseham-po feno fitiavana sy fankasitrahana an’Andriamanitra. Akory ny fahasamihafana hita teo amin’io fomba fanao taloha io sy ny fomba fanao matetika ankehitriny amin’ny fahaizan-java-maneno! Firifiry akory ny olona mampiasa io fanomezam-pahasoavana io, tsy hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra fa entina kosa handokafan-tena! Mitarika ny olona tsy manam-pahendrena hikambana amin’ny olon’izao tontolo izao hankany amin’ny toeram-pilalaovana izay voararan’Andriamanitra tsy halehan’ny zanany ny fitiavana zava-maneno. Koa io fanomezam-pahasoavana io, izay tokony hitera-bokatsoa raha ampiasaina tsara, dia niova ho anankiray amin’ny fitaomana mahery hanalavirana ny fibanjinana ny zavatra mandrakizay. HAT 255.4
Anisan’ny fanompoam-pivavahana atolotra an’Andriamanitra any amin’ny kianjan’ny lanitra ny hira. Noho izany, dia tokony hiezaka isika hanatratra araka izay azo atao ny hira rodobe ataon’ny anjely, rehefa manao hira fiderana. Ny fanolokoloana ny feo dia lafiny lehibe eo amin’ny fanabeazana ka tsy tokony hatao an-tsirambina. - PM, tt. 629-630. HAT 256.1