Go to full page →

Ny Mozika, Hery ho amin’ny Tsara HAT 258

Manana hery lehibe avy amin’Andriamanitra ny mozika, nefa mbola lavitra ny handray tombontsoa avy amin’izany isika. Amin’ny kapobeny ny hira dia avy amin’ny hery manosika avy ao anaty na avy amin’ny trangan-javatra manokana. Matetika, hiraina amin’izay fomba itiavana azy ny hira hany ka tsy misy vokany tsara eo amin’ny mpihaino azy izany. Kanefa tokony ho tsara sy mampangorakoraka ary mitondra hery ny mozika. Aoka hanandratra hiram-piderana sy fisaorana ny feo. Araho feon-java-maneno izany raha azo atao mba ho feon-kira milamina sy mirindra no mankany an-danitra, ho fanatitra sitrak’Andriamanitra. -Testemonies for the Church, b. 4, t. 71. HAT 258.1