Tsy hanan-kalahatra manoloana ny tara-masoandron’ny fahamarinana ireo fitiavan-tena teo amin’ny fandrobana ny ampahafolony, ny fanomezam-pahasoavana sy ny talenta rehetra nomena antsika ary ny fanatitra avy amin’i Jehôvah amin’ny fotoana hitsarana ny tsirairay avy amintsika, araka izay nataontsika. Raha toa mantsy ka tsy tara loatra amin’izay fotoana izay dia ho maro ny hiverin-dalana ary hanorina toetra tsara indray! Kanefa dia tsy hisy azony hatao intsony amin’izay ny hanova indray izay voasoratra ny amin’ny toetrany izay nandroba ny Tompo isan-kerinandro, isam-bolana, eny, isan-taona aza. Tsy ho azony hialana intsony ny anjara ratsin’izy ireo. HAT 268.2
Mahafaty ny fitiavan-tena, dia izay fiodinana ny voady masina nataon’ny olombelona tamin’Andriamanitra ary koa fandavana an-kitsirano amin’ny maha-mpitantana mahatoky izay mitondra ny fanamelohana sy fanozonana, araka izay efa nolazain’i Jehôvah. Misaraka amin’Andriamanitra ny fanahin’izy ireo izay hita taratra eo amin’ny fomba fiteny sy ny ohatra asehon’izy ireo fa manimbazimba ny lalàna masin’Andriamanitra izy ireo; izany no antony tsy androtsahan’ny lanitra ny fitahiana amin’izy ireo. HAT 268.3