Go to full page →

Fitiavan-Tena Mampidi-Doza HAT 272

Ankalazaina ho andro nahaterahan’ny Mpamonjin’izao tontolo izao ny vanin’andron’ny Noely, kanefa andaniana vola tsy toko tsy forohana hanaovana fihinanam-be sy fandaniam-poana mba ho fahafinaretan’ny nofo fotsiny ihany. Lasa fahazarana eo amin’ny tena izany ka ny fahafaham-pon’ny tenda no omena toerana ambony lavitra noho ny ilain’ny vatana sy ny saina ary ny fanahy. Ny avonavona sy ny lamaody ary ny rendrarendra no andaniana fananana; izany rehetra izany dia mahatonga ny fahaverezana izay tsy ankasitrahan’Andriamanitra velively. Fanandratan-tena toy inona re no tadiavina mihoatra ny tokony ho fanandratana ny Tsitoha! Atao sorona ny fahasalamana, afafy eny amin’ny rivotra ny vola, maro ireo mamery ny fiainany sy ny fanahiny. HAT 272.1

Tokony hanome voninahitra ny Mpahary amin’ny alalan’ny fihinanana sakafo maivana, tsy mandany harena ireo zanany ary na ny kely na ny lehibe dia tokony samy hanolotra fanatitra amin’ireo fananana nankinina taminy, hanapariahana ny fahazavan’ny fahamarinana amin’ireo izay mbola ao anatin’ny haizina sy ny tahotra. Azo atao ny hampifaly ny fon’ireo mpitondra tena sy ny kamboty amin’ireo fanomezana sy fampaharezana azy ireo. HAT 272.2