Go to full page →

Fizarana 11 - Fiainam-Pianakaviana HAT 283

Manomboka ao an-tokantrano ny famerenana indray ho amin’ny laoniny sy ny fanandratana ny olombelona. Fototry ny zavatra rehetra ny asan’ny ray aman-dreny. Fianakaviana no mahatonga ny fiaraha-monina, ary ny toetr’izany dia araka izay anaovan’ny loham-pianakaviana azy. Avy ao amin’ny fo no «ihavian'ny aina» -Ohab. 4:23; ary ny fon’ny fiaraha-monina sy ny fiangonana ary ny firenena dia ny ankohonana. — Tanamasoandron'ny Fahasalamana, t. 283. HAT 283.1