Go to full page →

Toko 109 — Fotoam-Pivavahana ao an-Tokantrano HAT 285

Tsy maintsy misy fotoam-pivavahana ao an-tokantrano. Tsy misy dikany ny fijoroana ho vavolombelona ataontsika any am-piangonana raha toa ka tsy mifanaraka amin’izany ny teny lazain tsika ao an-tokantrano. Rehefa tsy misy halemem-panahy sy tsy misy hatsaram-panahy ary tsy misy fitiavana ao an-tokantrano dia tsy misy vidiny akory ny fivavahana atao. Rehefa tsy manao fotoam-pivavahana masina, manan-danja, manokana ny tokantrano, vokany: tsy hisy hery ihany koa ny fotoam-pivavahana atao any am-piangonana. HAT 285.2