Go to full page →

Fanofanana ao an-Tokantrano HAT 288

Ny tanora sy ny ankizy ankehitriny no mametra izay ho toetry ny fiarahamonina amin’ny hoavy, ary izay ho toetr’ireo tanora sy ankizy ireo dia miankina amin’ny tokantrano. Ny tsy fisian’ny fitaizana tsara ao an-tokantrano no manoritra anjara lehibe amin’ny aretina sy ny fahantrana ary ny heloka bevava izay manozona ny olombelona. Raha madio sy marina ny fiainana ao an-tokantrano, raha voaomana hiatrika ny andraikitra eo amin’ny fiainana sy ny loza entiny ny zaza izay novolavolaina tao, dia fanovana manao ahoana re no ho hita eto amin’izao tontolo izao! — Tanamasoandron'ny Fahasalamana, t. 285. HAT 288.2