Tsy maintsy miatrika ireo sakana rehetra eo amin’ny lalana isika ary mandresy azy ireny tsirairay. Raha tafita amin’ny fahasarotana voalohany isika, dia hahery kokoa hiatrika ny manaraka, ary amin’ny alalan’ny ezaka tsirairay avy dia ho afaka ny handroso kokoa. Amin’ny fibanjinana an’i Jesôsy, dia ho mpandresy isika. Ny fampifantohana ny maso amin’ny olana sy ny fiforetana vokatry ny ady mafy hampanjaka ny marina no hahatonga antsika ho malemy sy tsy hanam-pinoana. HAT 32.2
Amin’ny fanarahana ireo dingana tsirairay dia ho tratra ny havoana ambony indrindra, ary ho tonga eny an-tendron’ny havoana amin’ny farany. Aza mivalaketraka manoloana ny haben’ny asa tokony hatao mandritra ny androm-piainanao, fa tsy takina hanao izany indray miaraka ianao. Ampiasao hanaovana ny asa voatendry hatao isan’andro ny herinao, hararaoty ny fahafaha-manao sarobidy tsirairay, ankasitraho ny fanampiana omen’Andriamanitra, dia miakara amin’ny zanatohatra tsirairay, amin’ny tohatry ny fandrosoana. Tadidio fa tokony hiaina ianao, miaina ny andro tsirairay ary koa nomen’Andriamanitra andro iray ianao, ary ny boky fitadidian’ny lanitra dia haneho ny fomba nanararaotanao ny tombontsoa sy ny fahafaha-manao nomena anao. Enga anie ka hanatsara ny andro tsirairay omen’Andriamanitra ianao ka amin’ny farany dia handre ny Tompo hilaza hoe: «Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky.” -YI, 5 Jan. 1893. HAT 32.3