Go to full page →

Toko 117 — Ireo Singa Fanorenan-Toetra HAT 300

Tena zava-dehibe ho an’ny tanora sy ny ankizy ny mitandrina ny teny lazainy sy ny asa ataony; satria na izy manome taratra ny masoandro na manaloka haizina amin’ny alalan’ny fitondran-tenany tsy eo amin’ny tontolon’ny fianakaviana ihany fa eo amin’ny sehatry ny fiarahamonina ihany koa. Mba hisehoan’ny tanora ho mailaka sy mandinika tsara kanefa koa mba hifadiany izay rehetra ratsy, dia tokony handray ny fahendrena avy any ambony izy ireo, ary ny herin’i Kristy irery ihany no afaka mampikoriana izany (...) HAT 300.2