Go to full page →

Fahasoavana sy Fahatsarana HAT 307

Amin’ny fahatsoran’ny fomba fitafy, dia azo atao ny hanana fahasoavana mifanaraka amin’ny tanjony. HAT 307.1

Nampitandrina antsika i Kristy ny amin’ny avonavon’izao fiainana izao fa tsy ny amin’ny fahasoavana sy ny fahatsarana ara-boajanahary. Manasa antsika Izy handinika ny fahadiovan’ny voninkazo eny an-tsaha: «Fa na dia Solomona teo amin'ny voninahiny aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray tamin'ireny » -Mat. 6:29. Noraisin’i Kristy ohatra tamin’ny alalan’ireny zavaboary ireny ny fankasitrahan’ny lanitra ny fahatsarana; ny fahasoavana mendrika, ny fahatsorana, ny fahadiovana, ny fahaiza-miaina dia samy manome sitraka ny fiakanjontsika eo anatrehan’Andriamanitra. - CTPS, tt, 302, 303. HAT 307.2