Ny Kristianina no olona tokony ho faly sy sambatra mandrakariva; satria fantany fa Andriamanitra dia sady Rainy no Namany mandrakizay. HAT 315.2
Kanefa maro amin’ny Kristianina anarany fotsiny no tsy mahatanteraka ny fanehoana ny finoany. Toa malok’endri-dava, toa saron-drahona mandrakariva ny tavany. Mazàna, tantarainy ny zavatra nafoiny mba hahatonga azy ho Kristianina. Miantso ireo tsy mbola mahafantatra an’i Kristy izy, ary asehony amin’ny ohatry ny fiainany fa tsy maintsy mahafoy zavatra maro izy vao tonga amin’izao toerany izao izay nampifaly sy nahasambatra ny fiainany. Toa rakofany lambam-paty ny fanantenana mahafinaritry ny Kristianina. Toa lazainy fa misy enta-mavesatra amin’ireo didin’Andriamanitra tsy maintsy arahin’ireo izay manao ny sitrapony, ka tsy maintsy namoizany ny fifaliana sy ny fahasambarany. HAT 315.3
Aoka ho sahintsika mihitsy ny milaza fa tsy mba Kristianina mahatoky ireny. Fa Andriamanitra dia Fitiavana ary Izay rehetra mitoetra ao amin’Andriamanitra dia mitoetra amin’ny fitiavana. Izay rehetra nanao fanandramana ny amin’ny famindrampon’ny Ray any an-danitra dia tokony hanaparitaka ny fitiavana sy ny fifaliana na aiza na aiza toerana misy azy. Ho toy ny voninkazo mam-pofona ny fanatrehany sy ny hery miasa mangina entiny, satria mifandray akaiky amin’Andriamanitra sy ny lanitra izy, ary ny fahadiovana sy ny fitiavana manandratry ny lanitra no hikoriana ao aminy amin’ny alalan’ny hery miasa mangina zarain’izy ireny amin’ny manodidina azy. Tonga fahazavana ho an’izao tontolo izao sy fanasin’ny tany izy. Manome tsiro ny fiainana ho amin’ny fiainana izy fa tsy fahafatesana ho amin’ny fahafatesana. HAT 316.1