Fampisehoana zavaboary tonga lafatra sady tsy misy fetra no tsy tratry ny saina no ahodidin’Andriamanitra mba hisarihany ny saintsika. Tiany mantsy isika hahafantatra ny toetrany ka hanome voninahitra Azy. Raha mandinika ny bokin’ny siansa momba ny natiora isika dia ho talanjona ny amin’ny vokatry ny fitiavana sy ny herin’Andriamanitra tsy hita lany. HAT 318.1
Lafatra ny fiderana atao amin’ny mpanakanto nahavita tabilao misy sary hosodoko. Ny rondohany sy ny heriny dia samy aseho ao amin’ny asan-tanany avokoa, fa mba toy inona kosa moa no fifandraisantsika amin’ny natiora! Kanefa ireny asan-tanan’ny mpanakanto ireny dia tsy afaka ny hitaha akory amin’ny zavaboary. Maro amin’ny milaza azy ho Kristianina no mivanaka sy talanjona amin’ny sary hosodoko momba ny filentehan’ny masoandro. Derainy aoka izany ny talentan’ny mpanakanto; kanefa impiry impiry moa no mba nankasitraka ny filentehan’ny masoandro, izay azony jerena amin’ny masony mivantana amin’ny takariva izy? HAT 318.2
Taiza anefa no nanombohan’ny mpanakanto nanao izany sary izany? Tsy avy amin’ny zavaboary! Kanefa Ilay Mpanakanto Lehibe no nandoko ny faravodilanitra, nampiova loko ny lamban’ny rahona eny andrefana amin’ny takariva filentehan’ny masoandro. Notentenany lokom-bolamena sy volafotsy ka mitera-mena toy ireny hivoha hidanadana ireny iny lanitra iny, mba hanaitra ny fijerintsika sy handinihantsika ny voninahitra fonosiny. Mampalahelo fa betsaka no tsy mba mankasitraka izany fahalehibiazana izany. Toa hamaivaniny sy tsy ankasitrahany ny fitiavana sy ny hery tsy hita fetran’Ilay Andriamanitra amin’izay kanton’ny lanitra tsy manam-paharoa, ary raha sendra mahita ireo tabilao misy asa tanana voafetra izy dia talanjona handinika ka feno fiderana, kanefa fakan-tahaka Ilay Mpanakanto Lehibe ihany izany. — The RH, 25 Jol. 1871. HAT 318.3