Go to full page →

Faniriana tsy Tanteraka HAT 322

Mitady mandrakariva hameno ny faniriany tsy mety afa-po ny fanahy. Tsy ho to anefa ny faniriany raha tsy ampandriana amin’ny fahafinaretana ny amin’izao fiainana izao. Toa kivy ny tena: misy faninana adala ao anaty te hanatanteraka ny fahasambarana tadiavina. Latsaka anaty fahakiviana sy ny tsy fananana fanantenana tanteraka ny tena rehefa manjavona izany faniriana izany. Fahaverezan-tsaina sy hadalana mihoapampana ny tsy fiverenana eo amin’«Ilay Loharanon kery» fa fihazakazahana amin’ny rehaka sy ny fahafinaretana momba izao fiainana izao avokoa izany! — FCE, t. 422. HAT 322.4