Go to full page →

Toky ho an’ny Tanora HAT 329

Ady no miandry ny tanora maniry hanaraka an’i Kristy. Manana hazo fijaliana hozakaina izy raha miala eo amin’izao tontolo izao ka hanahaka ny fiainan’i Kristy. Kanefa teny fikasana maro sarobidy no omena izay mitady ny Mpamonjy amin’ny fotoana rehetra. Noho izany dia hoy Ilay Fahendrena amin’ny zanak’olombelona ao amin’ny Ohab. 8:17: «Tiako izay tia Ahy, ary izay fatra-pitady Ahy dia hahita Ahy ». HAT 329.3

«Koa amin’izany sikino ny sainareo, dia mahonòna tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay hoentina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy, tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filànareo fahiny tamin’ny tsi-fahalalanareo; fa araka ny fahamasinan'Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin’ny fitondrantenanareo rehetra » -1 Pet. 1:13-15. «Fa efa niseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filàn'izao tontolo izao ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao; miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy, Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin ‘ny ota rehetra sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa tsara izany » - Tit. 2:11 -14 HAT 330.1